Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Zanaky ny Tena Enjana | Main | Vaovao voahangoko androany »

Tsy azo trandrahana ny hazo sy vato
2008/04/25,11:54

Gagagaga ihany aho nandre ny resaka nataona mpandraraha iray mpandrafitra ny asany raha ny tena marina kokoa fa tsy misy hono ny hazo izao eto madagasikara, irony varongo irony mantsy no tena mba tsara hanaovana fanaka! kanefa dia tsy azo trandrahana intsony izy ireny @ izao fotoana izao. Tsy misy afatsy kesika sy hazo ala hono no azo ampiasaina! Misy lafiny tsara sy ratsy daholo moa ny fepetra rehetra raisina. Tsara satria mba miaina kely aloa ny hazo fa tsy tapatapaka fahatany intsony. Fa ny lafiny ratsy indray dia mety hiditra any @ "chomage technique" ny mpandraharaha raha tsy misy ny hazo ampiasaina. Kanefa hoy ry zareo misy ny olona ambony manondrana antsokosoko sy manangona hazo maro @ izao fotoana izao. Dia aleo fa ho tsarainy ny karatra eo foana izay manao ny tsy mety e!

Torak'izany koa ny resaka vato raràna ihany koa ny fanondranana vato any ivelany kanefa maro ihany ny mahitahita mahatafavoaka an'io vato io any ivelany, ary lasa varo maizina ilay izy avy eo. Mbola ny olona ambony sy manana fahefana tsy azo takarin'ny lalanà ihany no mahavita ireny fanondranana antsokosoko ireny fa ny olon-tsotra tsy mahavita an'io akory. 

Fehiny dia tsy misy zavatra mivoamboaka fahatany izany eto raha tsy ny olona tompony lalanà ihany no manao izany. Satria izy tsy mba azo enjehina fa raha enjehina Izy dia ny mpanenjika indray no migadra sy mijinja ny vokatra avy eo. Dia miandry ny rariny eo ramalagasy e!

Ny vaovao hafa kosa dia midehaka indray ingahy ben'ny tanàna oe nahazo fanampiana avy any shina ka hanao kianja maro isakin'ny firaisana!!! ka asa raha ho vitany indray izy ity fa ny lehilahy moa dia mahay miresaka izay tsy izy ka mora mambambo vahoaka. Ny tsena moa @ izao dia miverina mivarotra eny @ arabe sy ny sisin-dalàna rehetra eny ny mpivarotra tsy ara-dalàna rehetra.

Jereo koa eto

Hevitra

Comment Icon

simp => ie to io ihany izy izay! vaombaona

Posted by: news2dago at 2008/04/26, 11:39
Comment Icon

vaombaona ihany ve le varongo sa in? :)

Posted by: simp at 2008/04/25, 18:30
Comment Icon

lehilahytsyresy => izay mihitsy kosa aloa e! tsy afaka hitsarana olona ny 5 volana efa nodiavina!

Posted by: news2dago at 2008/04/25, 17:01
Comment Icon lehilahy mody fa nahazo fanampiana tany ampita...

Poinss izany ny fanampiana avy any atsinanana. Tsara kosa izany. Nitondra vokatra tsara kosa izany ny dian' ingahy ben' ny tanana tany ampitan-dranomasina lavitra.
Tsara dia tsara koa aloha ilay hevitra hoe hanamboatra kianja maromaro isaky ny firaisana, saingy... asa re raha hampitombo ny famokarana sy hitondra fihatsarana ho an' ny fiainan'ny olompirenentsika eto an-toerana izany ezaka izany ...
Ny azontsika atao angamba aloha, dia ilay hoe "miandry dia mijery" (wait and see).

Posted by: lehilahytsyresy at 2008/04/25, 16:53
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype