Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Tsy azo trandrahana ny hazo sy vato | Main | manahirana ny maka ambulance! »
Eto dago i Dadarabe fantatry ny maro @ fanaovana tononkalo eto @ blaogy! ary ho any Mahajanga kosa izy @ herinandro ho avy eo. Marihina moa fa i Hery (sefo) no nandalo teto ihany koa t@ volana lasa iny! samy nanamarika moa izy mirahalahy namana ireo fa misy zavatra mahaliana sy mahatamana tokoa eto madagasikara. Koa miandry ireo namana hafa hitsidika koa isika!
Hipoka kosa ny lapan'ny kolon-tsaina sy ny fanantajahan-tena omaly raha niseho sehatra tao i Melky izay tanora vao nisondrotra t@ ity sehatry ny kanto ity. Nanotrona azy tao moa i Mirado sy Nary (zay). Miandry ny hafa ihany koa isika hitsapa ny heriny.
Mbola tsy nahazo fahazon-dalana ny hilahatra sy hamory ny mpiasa kosa ireo syndicat ny mpiasa mikasa ny hilahatra @ 1 mai izay efa fantatra fa fetin'ny asa. Ahina mety hisy hanao ambadika politika indray angamba ka sakanana ny zoan'ny mpiasa @ izany.
Fisokafana kely hoy ny mpanaram-baovao satria dia notendrena ny asabotsy teo ireo senatera 11 anjarany! ahitana an'i Moxe, Rabetsitonta, Ruffine Tsiranana izay efa fantary ny maro ihany oe mpanohana azy h@ izay ihany ireo voatendry ireo ny 8 ambony moa dia ireo minisitra sy mpanolontsaina ary mpiara miasa @ tao prezidansa. tsy kaonty tao kosa i satrobory kanefa dia samy mpamono afo ihany izy sy Ingahy Moxe isaky ny misy hetsika ataon'ny mpanohatra.
misaotra antsika rehetra
Inona ny tena marina, hipoka ny tao Mahamasina nijery Melky sa tsia. Toa ny mifanohitra amin'ny voalazan'i News2dago mantsy no voalazan'ny gazety Tribune.
Eto an-tanàna marina ho io. MAndalo kely eto amin'ny blaogy (ialana tsiny fa tsy manam-potoana be loatra)
Misaotra an'i News2dago mahatsiaro. Mampamangy amin'i Ikalamako sy ny rehetra é!
ny gazety hafa rehetra nilaza hoe succes ony ny an'i Melky, afa tsy i Tribune, in no tena marina?
Mahaliana tokoa ny vaovaon' i news2dago.
Sady fohy sy mora vakiana tsara, no sady koa mahalaza ny votoatin-kevitra rehetra.
Enga anie hahavita azy torak'izany koa ireo Senatera vaovao.
vaovao flash tena mahasoa anay itony fa meeci news2dago.
Mampamangy @ DadaRabe any e ! Sasa-miandry hono hoe ny blaogy :-)
Misaotra mampita vaovao foana!
Mirary herinandro mahafinaritra!
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||