Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Vaovao voahangoko androany | Main | Hay trano nisesisesy »
Sahirana kely aho tato ato izay fa nisy tsy salama tato @nay ary tsy maintsy naiditra hopitaly ilay olona narary! iny moa dia lalam-piainana ka tsy atao mahagaga fa ny vaovao tiako hisarihina ny saintsika kosa dia ity ambulance ity e! nila naka ambulance moa izahay satria efa tsy afa nihetsika teo am-pandriana intsony ny marary.ka ito farany no tiako asiana sira kely ary tena hanafarako taranaka fara mandimby mihitsy raha azo atao, oe aza mba miantso ity "Espace Medicale" ity mihitsy raha mbola azo atao fa tsy mamely.
Raha any ivelany moa dia mety azo torina mihitsy ry zareo saingy eto madagasikara dia tsy mbola @ izay! Inona no mahatonga aho hilaza izany hoy nareo tsy nety naka ilay marary taty an-trano ry zareo ary hitanao miala pà mihitsy raha ny fahenona ny resaka ataon'ilay ramatoa mpandray ny antso an-tariby eo. Aiza ve ko anotaniana ny taona ny marary sy ny toem-pahasalamany ary raha vao fantany oe efa olon-dehibe satria olona efa 79 taona ilay izy dia tsy mety maka ry zareo asa angaha izay antony.
Ny ambulance hafa kosa re olona dia alaina any an-toerana mihitsy fa tsy mba vita ny antsoina @finday fotsiny !!! ka raha olona efa mila fitsaboana malaky moa dia asa fotsiny izay iafarany. ny toeram-pitsaboana hafa koa moa dia tsy misy ny reanimation toy ny etsy @ toby loteriana eny ambohibao. Mbola ho ela vao handroso isika malagasy e! tena milomano ao anaty fahatrana tanteraka.
misaotra nareo nanome hevitra sy nirary soa! rehefa sendra ny zavatra toy izao moa dia tsy hitanao mihitsy izay ho raisina e!
ikalamako => MM 24/24 ilay makeny ankatso! ny espace med dia etsy ambodivona!
Maintikely => Ny mampalahelo ahy fontsiny anie dia oe ianao mba miala nenina ihany kanefa ry zalahy tompony fitaovana hitsaboina indray no toa mampifilafila e! samy niombo-kevitra daholo moa ny rehetra oe andao avoaka an-gazety dia navoakako eto @ blaogy ity mba hahalala ny rehetra
lehilahytsyresy => privée daholo ireo saingy tena manao atsirambina ry zalahy e! soa fa mbola avotra ilay marary alo
Mahagaga tokoa izany hoe tsy mety mandeha maka marary ny ambulance, nefa toa privée andoavam-bola ny ao amin-dry zareo ao, raha tsy diso aho.
Mety vitsy kely angamba ny ambulances disponibles tao aminy, ka voatery nieritreritra resaka priorité izy nony nisy marary maromaro niara-niantso tamin ' ny ora nifanindry... Asa anefa ...
Marina tokoa aloha fa mafy ny eto amintsika rehefa sendra zavatra toy izany, ... kanefa ...
Fa marina io voalazan' i Maintikely io: ny clinique Ilafy, Befela, ary koa i Clinique des Soeurs Ankadifotsy sy ny Clinique 7/24 koa dia manana ambulances tsara izay afaka maka ny marary any an-tranony.
mampalahelo mihitsy ilay izy.
Na aty ivelany aza anie ohatr'izany e! raha misy marary tampoka ka miantso samu ianao. Dia raha vao hoe personnes âgées dia efa izy tsy ho avy izay.
Hany ka systématique pompier no antsoina aty rehefa misy marary. Sady ny samu mbola laozany be fanontaniana be nefa efa hoe marary ilay olona mila entina hopitaly.
Ny pompier aty mahafinaritra mihitsy fa sady vetivetika no na marary na afo na inona tonga rehefa antsoina.
Tsy misy izany tsy azo toriana izany ry news2dago an! azo toriana foana rehefa misy préjudice fa tsy mahazatra any amintsika fotsiny.
Raha za no teo @ toeranao ka hitako fa vao maika nampitombo ny aretiny dia tena toriako tsy ampiambahambana mihitsy.
Ny mahagaga ahy dia i espace médicale ve tsy privé? Nefa toa manao sélection ohatr'izany?
Ny ambulance clinique ilafy ry se tsara an! mitéléphone fotsiny, toy izay koa befelatanana. Tsy haiko aloha ny amin'izao an! fa sady maka an-trano ry zareo.
Mirary fahasitranana ho an'ny marary :)
oups !ilay espace médicale ve ry news2dago tsy ilay etsy @ route de l'université ?
Raha io manko dia izay mihitsy no nahalasa ny nenitoanay. Mipetraka eny Anjohy zareo, fa nony nantsoina ny ambulance dia tsisy dia niandrasana taxi ny marary (ny taxi any amintsika andrasana handalo fa tsy hoe antsoina an-tariby toa ny aty findà) ka sady niandry taxi no nentina nidina moramora izy saingy nony tonga teny @ hopitaly efa tsy tana ny ainy e.
Isan'ireo infrastructure mila hamafisina any amintsika izany resaka izany (anatin'ny fitsaboana sy zon'ny marary daholo izany) saingy toa ny làlana ihany hoy aho no mahamaika ny fanjakana e ! Indrisy.
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||