Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Hay trano nisesisesy | Main | Tratry ny Pentekosta »

Tsy mbô za!
2008/05/08,10:32

Tena misy manam-bitana ny olona sasany eto @ ity tany fandalovana ity. Gaga fotsiny aho raha nahare fa misy mpivady samy parlemantera oe eto madagasikara! samy hahazo 4x4 dia samy hahazo ny tombotsoa tsy hita nonoa. Ingahy rainy oe senatera izany Bezara Manassé zany no anarany ary lany tany @ faritra Antsinana! ny ramatoany kosa dia handimby toerana an'i Botozaza Pierrot izay lasa minisitra ny fitanterana, izany antsoina oe Yvonne Ranorovelo izany no anarany izy kosa dia ho lasa solombavambahoaka ny Toamasina I. Tena izao no tonga @ fitenenana oe ny harena mila vintana.

Lasa lefitry ny filoha ny antenimieran-doholona kosa ingahy Rajemison izany oe nitotongana izany ny toerana nisy azy raha filoha teo aloha dia lasa lefitra ankehitriny @ manaraka izany mety tsy ho hita tabilao intsony.

Avy be tsy nisy hoatr'izany kosa ny orana omaly ary tena nikotrom-baratra vao maraina tokoa satria dia vao maraina @ 10 ora sy sasany dia efa nisy ny orana ary nanariva andro mihitsy ilay izy! samy tsy nanampo na inona na inona moa ny rehetra hany ka dia kotsakotsa daholo izay nivoaka ny trano omaly! mety mbola hanao azy koa io andro io androany satria efa mandongolongo sahady izy ato.

Heritaona sahady kosa ny fandaharana ao @ televiziona malagasy anim'artista izay sehatra iray omena ny mpanakanto sy ny artista! maro ireo artista nandray anjara t@ izao fankalazana izao. samy maniry moa ny rehetra ny mba hivelaran'ny fandaharana bebe kokoa.

Farany dia mahagaga ahy mihitsy ity dokam-barotra mandeha @ fahitalavitra marain-tsy hariva ity momba ny ampemba na ny sorgho izany! mampanontany tena ahy mihitsy oe ny voly vary ary tsy hita izay hanaovana azy ka dia inona indray no hitetatetana any @ voly tsy hay na ny mihinana azy ary sa kosa misy vola ambadika trandrahana indray ao zao! ny tantara ihany no hitsara e!!!

Jereo koa eto

Hevitra

Comment Icon

tomavana => dia angamba io fanovaovana ny voly io tokoa no tanjona

Posted by: news2dago at 2008/05/08, 13:14
Comment Icon

>dia inona indray no hitetatetana any @ voly tsy hay na ny mihinana azy

Sao dia mba mila ovaovana ny voly hitaizana ny tanimbary satria tsy mitsaha-mihena ny vokatra amin'ny fararano ?

>sa kosa misy vola ambadika trandrahana indray ao zao!

Fahadisoana tokoa aloha raha mbola mifototra mafy amin'ny fanondranana e, anefa ny vahoakan'ny tena maty mosary :( satria "tsy ny vola no aloha fa ny aina" sa ?

Posted by: tomavana at 2008/05/08, 13:00
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype