Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Tratry ny Pentekosta | Main | Resin'ny FMF ny fanjakana! »

Akon'ny fety ny pentekosta
2008/05/13,11:15

Nahavory kristianina maro ny "global day of prayer" izay nototosaina tao @ lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena ny alahady hariva lasa teo! andro natokana hiarahan'ny kristianina tsy hanavahana antokom-pivavahana niaraka nidera an'Andriamanitra moa izy ity! ka vory lanina tao avokoa ny mpino rehetra! ary ny fikambanana mpiara mamaky ny baiboly moa no nikarakara azy ity izay tarihin'ny Pastora Mamy Rakotolehibe.

Etsy andanin'izay kosa dia nipoaka izay no filazan'ny tanora azy ny seho sehatra nataon'i Din Rotaka tao Antsahamanitra ny alahady ihany koa! na izany aza anefa dia tsy nihemotra ny lehilahy fa nototosainy foana ny lanonana.

Nahazo olona kosa anefa  i lola ny alatsinainy ary tena mbola ao anatin'ny lazany izany ny lehilahy na dia efa feno 10 taona aza izy izao no nandeha irery! ny indro kely fotsiny dia teo @ herin'aratra izay tapaka lava ka nanimba ny feeling teo @ ireo mpankafy! na izany aza anefa dia isany tanjona ho tratrarin'ny mpanankato malaza ankehitriny tokoa izany laza tsy lefy ao anatiny folo taona niakarana an-tsehatra izany.

Toy izany koa ny seho nataon'i Tsiliva tao antsahamanitra dia tomefy olona ihany koa tao!

Olona 6 kosa no namoy ny ainy ary am-polony no naratra mafy nanditra ny fety nodiavintsika teo iny! tantely amam-bahona tokoa ny fiainana tsy maintsy misy foana ny loza rehefa fety toy izao. eo ny mety oe tandrevaka eo @ tsirairay kanefa mety ho vokatrin'ny fisotroana diso tafahoatra ihany koa! anatra ho an'ny fety manaraka izany ka mila mailo hatrany satria lahy tokana ny aina.

Jereo koa eto na koa mihomeza kely ato.

Hevitra

Comment Icon

lalasoa => merci e!

Posted by: news2dago at 2008/05/14, 09:16
Comment Icon

Tena tsarakely ilay Love ao amin'ilay Mihomeheza kely ato. Nisy iray nijery koa avy any Turquie, tsy nety hiala mihitsy izy fa averimebriny jerena ilay izy! Misaotra news2dago a!

Posted by: Lalasoa at 2008/05/13, 22:52
Comment Icon

simp => ie sure fa vraky pokona koa tena fa ny olana kely za tsy teny de tsy haiko oe nafana sa tsy!

Posted by: news2dago at 2008/05/13, 20:57
Comment Icon

teny @ bypass kou zao mety be pokna o?

Posted by: simp at 2008/05/13, 19:10
Comment Icon

noeline => teny antsonjombe i lola no nanao fampisehoana! fa tokony mba nasina groupe araka ny teninao zay mht kosa anefa

Posted by: news2dago at 2008/05/13, 15:02
Comment Icon

io Antsahamanitra io angamba dia tokony asiana groupe électrogène autonome manokana mihitsy mba tsy hahatapatapaka ny herinaratra mandritra ny rindrankira toy ireny tamin' ny alatsinainy t@ concert Lola ireny.

Posted by: noeline at 2008/05/13, 13:46
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype