Resin'ny FMF ny fanjakana!

Published on 05/14,2008

Nangina ny fankalazana ny 13 mai! Amiko manokana aloa dia tsy dia hitako laotra tokoa ny hankalazana ny 13 mai na dia tena manana ny tantarany tokoa aza io andro io teo @ resaka fanonganana fanjakana satria dia voalaza fa ny amiraly irery no tsy mba nampiasa izany kianja izany raha naka ny fahefana! fa na i zafy na ra8 dia samy may vava teo daholo t@ fotoan'andro! noho ny injay anefa lasa prezida dia samy nandà daholo ny hanaovan'ny mpanohitra fihetsehana teo! mahagaga ihany.

Hiakatra fitsarana androany kosa i pety sy ny Jly fidy. Momba ny nakana ny toby BANI ankeriny moa no hiompanan'ny fitsarana atao androany io; ka andrasana indray izay vokatry ny fitsarana sy izay mety ho sazy ho azon'izy mitsamy ireto.

Ny fiainana moa mande ihany etsy andanin'izay! miverina manadio tsena indray ny mpiasan'ny CUA ka manao fangalampiery @ mpivarotra indray ry zalahy izany izao.Manomboka kosa ny fanamboarana ny kianjan'andohalo ary tena dokam-barotra be mihitsy moa izy ity izay mande @ fahitalavitra matetika.

Lasa 5000 Ar kosa ny litatra ny menaka Tiko! izay marihina fa niakam-bidy foana izy ity tao anatin'ny 6 taona izay, tena mampiteny ny moana mihitsy ny fiakatry ny vidim-piainana! 

Farany dia resy teo anivon'ny Chambre administrative ny fanjakana raha nandrava ny federasiona malagasy ny baolina kitra!!! tsy atao mahagaga moa io satria efa nihaona ny mpikambana eo anivon'ny federasiona sy ny filoha ny repoblika tapam-bolana lasa izay ka io angamba no lalana ialana @ fahafaham-baraka noho ny tsy fahaizan'ny minisitera! mahay miala bala foana kosa aloa ra8 eo @ lafiny toy izao e! hainy mihitsy ny mampiasa fahefana.

Jereo koa eto na mihomeza kely ato


Hevitra

  1. news2dago

    Simp => ho hita eo e! fa ny ahy tena blues ihany kle

    Maintikely => firy sy firy lesy ny score?


  2. simp

    misangaojy be ManU sy Chelsea kle...
    une semaina alohan'ny match retour-n'ny demi finale champions' league napokan'i Chelsea i ManU...
    t@ finale Premier league ngefany napokan'i ManU i Chelsea...

    aleo manao 27 de boka :P
    za alou mijery fotsiny sisa ee


  3. maintikely

    Manchester united be izao kanoa!enao nga aona!lol

    allez ronaldo :-P


  4. news2dago

    Chryss => Tena mahagaga tokoa aloa e! nefa ravoravo ihany ny mpitia bôl zany zao fa ahita drogba indray kano!

    Maintikely => k'hita oa ko! ny olona mora manadino e!
    Za maka Chelsea @ finale ny anao izy?


  5. maintikely

    mitovy mihitsy ny eritreritrintsika @ilay 13mai

    Samy teo ihany no naka fitondrana dia rehefa eo tsy avela mankeo ny mpanohitra

    Ny resaka foot indray! médecin après la mort! efa afa baraka foana na dia averina eo aza ny fmf.
    Momba andravalo sy ny foot! il est rusé le ravalo! namaky le prince angamba izy...


  6. Chryss

    Tsy hay intsony ho aho izy ity ! fa ny mahagaga dia toa niova hevitra tampoka ny Chambre Administrative taorian'ny nanalana ny Minisitra tao @ governemanta. Izany hoe raha azoko dia mbola tsy tena malalaka ny fitsarana eto amintsika fa mbola miandry ny hevitry ny mpitondra fanjakana foana.


  7. news2dago

    sosotra => zao le oe tompony mangatakatiny e! lol


  8. sosotra

    Menaka TIKO ve no 5 00 ariary? menaka vokarina eo an-toerana?



Hametraka hevitra