Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Resin'ny FMF ny fanjakana! | Main | Iza no ho tompon-daka ny Erôpa? »
Malaza indray ankehitriny ny fanarahana tantara mitohy @ fahita lavitra ary saika ny tele rehetra dia samy mandefa tantara mitohy daholo ary samy mahaliana sy mahasarika ny mpianakavy mihitsy ny mijery azy isan-kariva! iny enao reradreraka iny dia lasa voafantsika eo ambodin'ny tele rehefa @ hariva. Indraindray aza moa tena mila tsy hahay andrindra ny programa mihitsy fa mifanitsaka ny ora andehan'ilay telenovela.
ireto ary ny santionany ka iza no mba fijerinao raha eto madagasikara ianao ka tia mijery tantara mitohy ihany koa! ary ho anareo any ivelany mpitsidika ny blaogy kosa dia mampahafanatra anareo fotsiny aho oe ireo indray ny tantara mahavarina an-dramalagasy ankehitriny:
Ao @ Matv no ahitana ny "destins de femmes" za aloa mbola tsy nahita an'io fa lazain'ny olona oe tsara be! azonao jerena @ 7 ora sasany alina
Ao @ Tvm kosa dia izany "Au coeur des passions" izany no ao ary mandeha isan'andro @ 8 ora sasany alina
Ao @ Viva kosa dia izany "Prison break" zany mandeha @sivy sasany alina
Ao @ Mbs kosa dia izany "Les feux de l'amours" izany io kosa dia mandeha @ 7 sy fahefany alina ity dia tantara tsy mety tapitra mihitsy kanefa dia misy mijery foana mahagaga ahy mihitsy.
Farany dia ao @ RTA no ahitana ny "Monica brava" mande @ 7 ora hariva sy izany tantara mitondra ny lohateny oe "luna" izany io kosa dia azonao jerena @ 8 ora alina.
Etsy andanin'izay moa dia fanamarihina fotsiny ny ahy oe somary lava laotra ny dokam-barotra mandeha eny anelanelan'izy ireny matetika ary indraindray aza tena alaim-panahy aho hilaza oe lava noho ny tantara aza izy ireny indraindray!!! eo ihany koa ny lalao sms izay ahazoana loka marobe e! dia samy revo eo daholo ny rehetra mba mitsapatsapa vitana eo ihany koa.
Jereo ko eto na mihomeza kely ato
lalasoa => tsy ho ela de ande aty indray ireo!
ravakamalala => tsy hita intsony oa
Aty koa io tondraka be mihitsy fa ny mahavoafantsika ahy dia ny Glamour. Ny Ugly Betty soa ihany fa isan-kerinandro!
tena nahavariana ahy mihitsy io tam za tany dago, tsy antitra, tsy tanora, tsy lahy, tsy vavy, fa eo amin ny am 7 sasany eo ho eo dia raikitra eo am-bo** télé eo daholo ny iray trano. ary tena tsisy azo adalaina mihitsy a!
| « | Jolay 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | 6 | |
| 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 | 13 |
| 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 | 20 |
| 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 | 27 |
| 28 | 29 | 30 | 31 | |||