Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Iza no ho tompon-daka ny Erôpa? | Main | Sarotra ny fiainana »
Hofanina eny Iavoloha ny ben'ny tanàna manerana ny nosy ary voalaza fa izay miasa ihany no mahazo fanampiana! Nitafa t@ ben'ny tanàna andry rajoelina moa ny filoha avy eo. Voalaza ny mpandinika moa fa antipédagogique ny fiofanana toy izao noho ny amaron'ny mpiofana satria efa mihoatra ny 1500 any izy ireo! Omena moto iray avy moa izy ireo ho fitaovana hiasany any @ faritra misy azy avy any.
Nanomboka omaly ihany koa ny kongresy nasionaly ny TIM vory lanina ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena ary voafidy ho filoha nasionaly i yvan randriasandratsiniony ary voamarika fa toa natao ankilabao ingahy rajemison rakotomaharo satria tsy ao anatin'ny birao politika intsony koa ny tenany! kanefa izy no olona naha Tiko an'ny Tiko sy nampiakatra an'i Ra8 t@ toerany ankehitriny. Atahorana haka ny toerany angamba ka avy dia finganina hatraty ampiandohana. Ny mpanaram-baovao anefa mahita fa izy no olona mba tena democrate ao @ antoko TIM ao.
Fa ity no tena zava-doza! mba hisorohona ny fiakaran'ny vidin'ny PPN hono dia omena subvention ny Tiko SA ary ny fanjakana no handoa izay mety ho fiakarany!!! io moa dia notsindrin'i herizo Razafimahaleho oe iza ary no hametra ilay fiakarany! raha tahiny ka 4.000 Ar ohatra ny vidiny menaka eny @ tsena ka mahatsiaro maty antoka ny Tiko dia milaza @ fanjakana izy oe tokony ho 5.000 Ar ny vidiny ary tsy voafetra io tombom-bidy io fa asaina alohan'ny vahoaka @ alalan'ny hetra ihany avy eo! sao mba tena tia tena diso tafahoatra kosa e!
Jereo koa eto na mihomeza kely eto
simp => tsy hita izay tena marina e! ny madinika ihany no tsetsefina!
Maintikely => Tsy hainao ve le oe very ny fihinana! aleo anao fa misy farany ny zvt rehetra e!
Fa io aloha raha atao gaboraraka otran'le "illumination divine" rehetra ireny dia ho fiasco tanteraka... tsy te ahita an'le scenario detaxation ah. Sady izay misy ny concurence avy any ivelany, dia ho subventioner-na eternellement eo zany... nefa extra-budgetaire @ zany.
Tsy aleo ve ny mpamboly no ampiana sy amporisihana mafy... asa anefa
kivy za naheno an'io.
Hoe tena mihevitra ny gasy ho donto faisana mihitsy ary ve ilay fitondrana!!!
ka inona moa fa dia tombony ho an'ny tiko izany koa.
Ary maninona raha omena subvention koa ny mpanafatra menaka rehetra rehefa hanome subvention ihany.
Hita mihitsy hoe mihena ny vola miditra dia mody hoe suvention. Et c'est le contribuable qui paie....
Tomavana => ka io mihitsy no olona tia tena diso tafahoatra aiza t@ fotoan'andro vita mihitsy ny nampidina ny aoulta ariary zato izao ny yaourt lasa 400 be izao.
tsy hita intsony izy ity e! izay voa manodidina.
>mba hisorohona ny fiakaran'ny vidin'ny PPN hono dia omena subvention ny Tiko SA ary ny fanjakana no handoa
Rehefa misondrotra loatra ny vidin'entana dia tsy zakan'ny mpanjifa intsony = mihena ny "chiffre d'affaire" = mihena ny tombom-barotra = rehefa samy ho faty ihany, matesà aloha rahavako = aleo aloha izay an'ny tena no ampiana :(
Jentilisa => efa omaly maraina ity lahatsoratra ity no nosoratako ary avy eo dia tsy tafa intsony ny blaoy.com!!!
miandry vaovao fanampiny avy aty @nao zao
Nanoratra ihany ianao§saiky nanoratra aho halina fa tsy tafa ny blaogy; nisy zavatra niditra tamin'ny machineko dia aty ampiasana aho no mitsikilo vetivety.
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |