Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Sarotra ny fiainana | Main | Ratsy toerana ny Barea »

Rév RANARIVELO Jaona Samoela
2008/05/31,18:42

Rév Ranarivelo Jaona no lany ho eveka ny diosesin'Antananarivo ho an'ny finoana Anglikana! Izy moa dia manana ny Doctorat en théologie ary tany Afrika Atsimo izy no nahazo io marimpahaizana io! izy izany no hisolo tena ny anglikanina eo anivon'ny FFKM.

Maro moa ny Presibitera nisy nanolotra ho eveka fa iray ihany no ho voahosotra! tsy azo ambara moa oe iza no nifaninana t@ farany. Tanora moa ny akamaron'ireo nirotsaka hofidina ary samy manana ny mahaizy azy avokoa.

Ny antenaina moa dia ny hivoaran'ny finoana anglikanina fa tsy ho faravavy eo anivon'ny FFKM foana! izy izany no hisolontena ny diosesy any @ fivorina any Lambeth Angletera @ volana jona ho avy izao! maro moa ny adidy miandry azy ka maneho firarintsoa ho azy izahay haleo halasana @ adidy miandry azy! mahavità be @ asan'ny Tompo ry Mgr Ranarivelo Jaona Samoela.

Vaovao hafa kosa dia nirava ady sahala 0 sy 0 ny lalao mandroso nataon'ny barea ny Madagasikara sy ny zebra ny Botsoana! nahazo tombony izany isika malagasy! ny fihaonana @ mozambika no lakile ny fiakarana @ dingana manaraka! faly izao ny mpikambana ao @ federasiona fa na dia naato aza ny kitra dia mbola nahazo vokatra ihany! voaporofo ko zany izao fa ilaina i Mamisoa @ fanidina ny trano. 

JEREO KOA ETO

Hevitra

Comment Icon

lehilahytsyresy => ie nanao filôzôfia teny ankatso izy dia avy eo tao @ faculté de theologie eny ambatoroka samy vitany hatramin'ny farany dia izao phd io

ikalamako =< izay no fanirina e

Posted by: news2dago at 2008/06/01, 16:06
Comment Icon

hahavita be izy eo amin'ny sahan'ny Tompo e !

Posted by: ikalamako at 2008/06/01, 14:29
Comment Icon

Manam-pahaizana ambony manana PhD en Theologie izany no lany ho eveka mitarika ny fiangonana.
Tsara dia tsara tokoa izany vaovao izany.
Enga anie hahavita be izy.

Posted by: lehilahytsyresy at 2008/05/31, 22:31
Comment Icon

Simp => mety tsy higidraka zao lery satria tsy resy ny barea ko!lol

Posted by: news2dago at 2008/05/31, 20:14
Comment Icon

mirary soa ho azy eee :)

miandry an'i jentl mafy dia mafy @ gidragidra momba ny barea ee :P

Posted by: simp at 2008/05/31, 20:03
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype