Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Ratsy toerana ny Barea | Main | Voasazy Ramalagasy (updated) »

Hazakazaka lehibe
2008/06/05,11:07

Ireto indray ary ny vaovao malaza eto dago @ ity faran'ny herinandro ity! himbahana toerana ny fanatanjahatena mazava ho azy! eo ohatra ny Course de solidarité izay atao ny 8 jiona izay misy halaviran-dalana 8 km eo eo mianga eo anosy ary mifarana eny @ Kianjaben'alarobia. Mahatratra any @ 15.000 any ny mpandray anjara ary 200 Ar fotsiny ny sarany dia afaka mandray anjara ny olona iray! mahazo T-shirt Orange moa ny mpandray anjara avy eo. Mila miomana tsara kosa anefa vao tokony anao itony fifaninana itony fa tsy izay te anao rehetra dia manao daholo satria mety ho torana sy safotra eny.

Manaraka izany dia ny lalao ny Barea sy ny Elefanta no malaza ihany koa! 3.000 Ar be izao kosa anefa ny vidim-pidirana! tsy tonga hilalao kosa ilay mpilalao malaza ny chelsea Didier Drogba! hiady ny baolina ka mahereza ry gasy kely lol.

Miandry fatratra ny fanombohan'ny Euro 2008 koa ny malagasy satria dia hafa ihany ny mijery baolina eropeanina! sady mitovy ny hahavo tekinika ny mpifaninana rehetra ka mety hahalina ny hijery azy!

Vaovao hafa kosa dia nanaitra ny masoko ny nijery ny tonelina ambanidia sy ambohidahy nofefena jiafotsy ny adaniny roa ny arabe ao anaty ny tonelina. hay hono asina carreaux ny rindrin'ny tonelina! tsara ny hevitra ary mora diovina izy avy eo.

Jereo koa eto

 

Hevitra

Comment Icon

Simp => Aleo aloa anao de ho hita eo e!

Posted by: news2dago at 2008/06/06, 09:30
Comment Icon

mihetsiketsika mintsy wa ingahy ben'ny tanana ee
Mahavita ihany lery, tsy araka ny niheverana azy tany amboalohany :)

Posted by: simp at 2008/06/05, 17:21
Comment Icon

Lehilahytsyresy => ny lalao miady ihany no lafo e!

Posted by: news2dago at 2008/06/05, 12:49
Comment Icon

Hay ny rindrina anatin'ny tonelina koa izany efa hasiana carreaux.
Tsara kosa izany fa tena miezaka manadio mihitsy ingahy ben'ny tanana.
...
Hay efa telo arivo ariary izao ny vidim-pidirana raha hijery baolina.
Soa ihany fa nisy ny fahitalavitra raha izany kah... :-)

Posted by: lehilahytsyresy at 2008/06/05, 11:38
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype