Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Hazakazaka lehibe | Main | Gidragidra be teny alarobia! »
Nirava ady sahala ny baolina teo @ elefanta sy ny barea 0 no 0! Sokajina ho vokatra tsara hono izao vokatra izao. Mbola ho henjana anefa ny lalao manaraka satria mbola hiatrika an'i mozambika @ 15 jiona.
Ela ny ela hoy aho ka tsy nahita euro ny mpijery baolina kitra! Tsy mahagaga izany satria tsy mahavelona ny baolina e! ny fivorimbe ny afrikanina @ 2009 no maika toy ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny ivato sy ny any toamasina mba hisehosehona @ ralahy afrikanina oe tsy mahantra ny gasy fa mahavita azy. Indrisy ry gasy kely a! ka nareo anie tsy nifidy Tim ko inona no omena anareo eo. Raha izany koa naninona raha antananarivo irery no sazina fa tsy ny malagasy rehetra.
Raha fetsy zao ny mpanao politika dia managana ecran geant anakiray fotsiny eo @ 13mai de manao kabary kely fotsiny tonga dia poinsa oe mahazo olona! soa ihany fa tsy mpiblaogy ry zalahy ireny ka nahazo an'io sopapako io! angamba dia tsy hisy raharaha ho vanona eto @ 26 jiona fa dia hanjaka ny korotana! soa ihany.
Vaovao hafa kosa dia nikijabe ny orana omaly hariva ary tapatapaka ny jiro! kanefa tena efa ao anatin'ny ririnina tanteraka ny andro izao! mazava ho azy fa mamirifiry tokoa ny hatsiaka! misy azy ireo 15.000 mpiazakazaka sy ny mpijery baolina mahery ny 25.000 eny mahamasina satria tena mila manao mafana tsara raha tsy izany mety hanavy eo.
Lehilahytsyresy => Asa oa fa tena ny zavatra mba tiana indray ity no rarana tsy azo jerena!
Simp => mbola ho henjana ny lalao satria naharesy an'i mozambika tany @ taniny ny botsoana! 2 no 1 be izao mila mandavo an'i mozambika @ elanelan'isa 2 farafaha keliny!
Karajia => na hikatona aza ity mbola be no hanohy azy ao aorina manao pseudo vaovao indray aho dia avy @ angady sy ny arona e! lol
Fafao leisy io daty manan-tantara nosoratan'ialahy io fa akatona eo ity blaogin'ialahy ity a!
mety bonne sansa ihany zany ny barea sa hoe tapitra hatreo ny fifaliana ?
Vokatry ny halafosan'ny vidim-piainana daholo izao r'ise a.
pissoa => enao an!
tomavana => mafy ny manjo ny malagasy e
Ny aty Genève misy ireo mimenomenona fa be loatra ny fandaniana volam-bahoaka hoan'ny fitandroam-pilaminana, be loatra ny mpitsidika, be loatra ireo mpampaneno klaxon nony mandresy est ... ets ...
Mamangy @ fahoriana e !
Ha ha - atoroko an' i dadatoa io sopapa an'i news2dago io ! Ary mba ho faly indray ny vehivavy maro izany fa tsy mahita euro any Dago ha ha ha.
Maztoo o
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |