Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Voasazy Ramalagasy (updated) | Main | Latabatra boribory ho an'ny MAP »
Nisahotaka ny rehetra teo @ kianjaben'alarobia hoy ny gazety mpiseho isan'andro iray eto andrenivohitra raha nitatitra ny vaovao nitranga teny. Vokatrin'ny fandrombahana T-shirt moa no nahatonga ny savorovoro. Tonga dia hita taratra mihitsy oe mbola mirefarefa @ tany ny toetsain-dramalagasy satria raha vao misy mihitsy ny oe zavatra zaraina maimaim-poana dia tsy manaiky gisitra mihitsy. Tsy mba misy mahay manaja tena mihitsy, hita mihitsy oe mahantra ara-toetsaina isika.
Momba ny akon'ny lalao teo @ barea sy ny elefanta kosa dia nanao ny tsy ambinina ny malagasy ary tsy mahay manararaotra mapidim-baolina mihitsy! efa nivoraka tanteraka mantsy ny elefanta kanefa dia tsy nahita irika ireo mpanafika malagasy. Tsy mahagaga izany satria ry kolo touré no ao izay fahita matetika @ fahitalavitra izy moa dia milalao ao @ arsenal. Na izany aza anefa dia hita ho tsy afaka teo @ dry mamisoa sy ry sedera ihany koa ny mpanafika ivoarianina! mendrim-piderana daholo ny tsirairay ary dia hahazo vola be 500.000 Ar isan'isany avy ny tsirairay satria niaro ny tanindrazana! Mbola mafy anefa ny hiandry @ lalao manaraka ary tokony hiezaka hampiditra baolina 2 @ fihaonana @ mozambika @ alahady ho avy izao, raha mbola te hiandrandra ny hanao can any angola ny taona 2010. Mitarika vonjy maika ao @ vondrona faha7 mantsy i cote d'ivoire sy botsoana raha nandresy an'i mozambika tany maputo izany oe tao @ taniny izany izy omaly 2 no 1 no isa nisarahan'ny roa tonta.
Mba gaga ihany koa aho raha nijery gazety androany fa tsy mba misy fanakianana ny tsy fahitana ny euro2008 mihitsy ireo gazety sendra voavakiko androany! koa inona izany fa tsy izahay sy jentilisa irery no manasa vangy sy manao toram-po eto mikasaka an'io! kanefa tena SORENA daholo ny olona @ izy ity.
Vaovao hafa kosa dia heno izao fa nesorina ny ambasadaoro ao geneva ary tambatambazana toerana any kosa i Rajemison Rakotomaharo! "elimination politique" (miala tsiny @ teny baiko) hoy ny mpanaram-baovao satria tsy afaka mihetsika intsony izy rehefa any ivelany any! tapa-doha izany ireo mpomba azy eto an-toerana! toy ny ao @ crtim sy ny mahaleon-tena sasany ao tsimbazaza ao! manginy fotsiny moa ireo senatera arema niaraniasa t@ tao anosikely fahiny.
Lehilahytsyresy => Dia ny anao no be indrindra raha efa reraka no hisamaritaka @ ireo mpanararaotra!
kdaombaramita => Misy lesoka ihany ny fikarakarana e! satria olona maro be no nisoratra anarana dia tokony nalamina arak'izay ihany koa ny fizarana ny T shirt! fa mila miova ihany koa ny toe-tsaina e! sa ahn?
Ka ilay 1 ary mety tsy ho azo, eo ilay resaka no mipetraka. Samy te-hitafy daholo ts'inona ka samy matahotra sao tsy ho ampy izay zaraina !
Tomavana => tsy hita tsinona fa tsy maintsy zaraina ny toerana fa tezitra eo ny sasany izay manantena kanefa tsy mahazo!
Hay ve lasa fanaovana "voie de garage" ny fanendrena ambasadaoro aty Geneva e ?
kdaombaramita => io le tsy mahalala honony io mihitsy no mahavoa antsika efa nahazo 1 enao dia mba tokony hamela ny fahafahan'ny hafa haka ny anjarany indray! ka oh izany daholo foana anie ilay fisainana dia tsy mety fa ny hiady ho an'ny fitiavan-tena foana e
Maka ny toeran'ireo olona mahantra aho : raha tsy manana ho tafiana aho na vola hividianana izany dia ataoko ny mba ahazoako sao 100 fontsiny no zaraina ka tsy mba hahazo aho, sitrany ahay. Sady rehefa toy itony dia misy ny miverimberina te-hahazo maromaro. Mirefarefa amin'ny tany ve ny toe-tsaiko amin'izany sa manao instict de survie ? Manaja ny tenako aho matoa mbola te-hampitafy azy fa tsy manao izay hampisaringo-borodamba azy. Sao tafahoatra lahy ilay fiteny ? Asa aloha.
| « | Oktobra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||