Latabatra boribory ho an'ny MAP
Mila vola indray ny malagasy ka namory an-databatra boribory ireo mpamatsy vola ny fitondrana. Vola be mitetina any @ 5 miliara $ any ho any no ilaina hanatanterahana ny MAP. Ka asa indray izay ho fifanarahana hipoitra eo na ho lasa trosa ho baben'ireo taranaka ao aorina izy ity na hanao ahoana indray! tsy hanome vola fotsiny @ izao mantsy ny mpamatsy vola fa misy tambiny daholo izy ireny raha tsy oe angaha vola adala tompo. Hentitra ihany koa anefa ireo mpamatsy vola satria tsy dia mazava loatra ny demokrasia misy eto @tsika sy ny fitantanana mangarahara ny volam-panjakana. Ka mety hananosarotra ny hahazo ity vola be angatahana ity!
Ho tapaka indray ny lalana maromaro eto andrenivohitra ny alakamisy 12 jiona fa hisy "carnaval" izany angaha oe hamakivaky ny renivohitra @ io alakamisy io. Ny fitohanana ny fiara efa manahirana mbola hisy ihany koa izao fanampahana lalana izao angamba dia asa fotsiny ny fahasorenana ho an'ireo izay hitondra fiara @ io alakamisy io.
Hanomboka @ ity herinandro ity ihany koa ny adina ara-panatanjahatena eo @ fanadinana bakalorea! maro indray izao ny tanora hifampitaona hijery azy ity satria mahalina sy mahafinaritra ny tanora ankehitriny ny mahita ireo mpiadina maro be manao 1000m! kanefa ihany koa misy ireo mpanararaotra mangalatra ny entan'ny sasany mipetrapetraka eny rehetra eny! ka mila mailo izany ny ankizy hanao io fanadinana io. Mirary soa ny rehetra @ izany! ny CEPE moa dia @ 16 jiona no hanomboka.
Farany dia toa manatena tay tsokina ny mpitia baolina kitra te hanaraka mivantana ny euro 2008 satria dia tsy mampihetsim-bolomaso ny mpitondra akory ny fitarainan'ireo 75% mpitia baolina kitra! efa hifarana androany izao ny andro voalohany eo @ fiadian-toerana eo @ vondrona isan'isany. Kanefa dia tsy mba misy feo heno akory eo @ ireo mpitondra mahefa rehetra oe hikaroka ny fomba andefasana ny lalao mivantana! marihina fa lalao 8 @ 32 ihany no ho hita ny malagasy!
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Latabatra boribory ho an'ny MAP
news2dago | 10/06/2008, 18:43
Re: Latabatra boribory ho an'ny MAP
simp | 10/06/2008, 16:43
Za t@ erin-taona nijery an'i zandrinay nanao gym bacc fa tena ambiance be kle spectacle gratuit sady izay manala azy doly ny mpijery...
Zany hoe tsy avelandrizareo miditra any ra tsy hoe manaraka mpiadina 1 :)
Ary le MAP lasa fivoriana sy atelier no tena betsaka noho ilay fanatanterahana an'le izy an :P
Re: Latabatra boribory ho an'ny MAP
news2dago | 10/06/2008, 13:22
Razaoridira => ekena e! misaotra @ hafatra
Re: Latabatra boribory ho an'ny MAP
razaordira | 10/06/2008, 12:00
Samy hiezaka mafy amin' ny fanadinana ao anatin' ny hatsiakan'ny ririnina daholo izany ny kilongan' i Gasikara amin' ity herinandro ity sy amin' ny herinandro ambony.
Tsy aleo kosa ve mba hisy kely aloha ny karnivaly mba ho fialam-boly maimaimpoana amin' izao andro sarotra izao e ?


Simp => Tena ambiansy be tokoa aloa e! sady manala azy daholo no mijery ze mahasoa eo ny boay kely!
Resaka MAPiesona sisa io ry simp a