Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Latabatra boribory ho an'ny MAP | Main | Tsy mba malaza ny fetin'ny Ray! »

Lasa tranom-bakoka ny Gara Soarano
2008/06/10,19:06

Lasa musée zany ny Gara ny soarano ary ny CUA no iandrakitra izany! angamba hifidra vonjimaika ao ny birao ny ingahy ben'ny tanana satria ao ny gara sahaza ny tgv! lol. Eo ampiandrasana ny fanarenana ny lapan'ny tanana. Tsy maintsy afindra izany ny gara ka eo @ petite vitesse eo ampitan'ny paositra eo tsaralalana no aorina indray izany gara vaovao izany ary tena hanaram-penitra tokoa io indray dia ny orinasa madarail no hiantsoroka ny fanamboarana, naleony nanao vaovao toy injay andany vola @ fanarenana ny gara satria inoana fa vola be no manamboatra an'io gara eo soarana io. Marihina fa hanomboka mialoha ny faran'ny taona 2008 ny fitanterana olona makany toamasina hoy ny tompon'andraikitra ao @ madarail. Mahavelombolo ny mpandeha izany ary tsy ho ela ny zotra antananarivo antsirabe. wait & see!!!

Voarara ny fivarotana tsipoapoaka kanefa dia efa miparitaka tokoa izy ireny @ izao fotoana izao. Hanomboka @ alatsinainy izao tokoa ny tsena be ny 26 jiona! hisamaritaka indray izany eny analakely manomboka eo.

Jereo koa eto

 

Hevitra

Comment Icon

Mitia => tena izany mihitsy no tanjona fa ho hitanareo eo ihany ny vaovao an-tsary ao aorina kely

Posted by: news2dago at 2008/06/18, 12:27
Comment Icon sary

tsy ary nahajeRy ny blaogy manontolo aho ry news2dago fa mba asivo sary uzy ty! sa ahoana? Mba hirevenay aty e! Nareo izao no mba radiogasynay koa.

Posted by: Mitia at 2008/06/17, 18:21
Comment Icon sambatr

sambatra marina nareo mahita 26, ny hitako farany izao dia t@1991, ary ny pôpôka marina raha tsy eo akaikiko dia tsy blème. Tena mianatra teny gasy aho mamaky anao, "tranom-bakoka".
Alefao lay lamasinina any Tamatave e! zay vonona, matsiarotsiaro ny taloha.

http://maman-gasy.mabulle.com/

Posted by: Mitia at 2008/06/17, 18:19
Comment Icon

asa na hisy afo manga koa izao na ahn fa oh mitady hanafay an'antananarivo ra8

Posted by: news2dago at 2008/06/12, 13:59
Comment Icon

Pissoa => Misy manao sangy mahery kosa anie @ izy ireny indraidray e! asisikrizalahy any anaty paosy ny olona ny tsipoapoaka de himohezany avy eo! rehefa mivarahontsana ilay olona avy eo

Posted by: news2dago at 2008/06/12, 09:55
Comment Icon

Fa maninona no voarara ny fivarotana tsipoapoaka ? Dia izy rehetra ve sa ilay mahia kely ariary 10 taloha ireny mba azo vidian'ny bandy kely ihany ? hi hi hi

Posted by: pissoa at 2008/06/11, 20:33
Comment Icon

maintikely => tsy misy matso hono fa afindra any toamasina koa ny matso! lasa tiny ra8 mihitsy any toamasina any an!

Posted by: news2dago at 2008/06/11, 15:20
Comment Icon

sambatra nareo mahita 26 :((((

ny tsipopoka tsy mampaninona anà rehefa tsy eo akaikiko no apoka :)))

Posted by: maintikely at 2008/06/11, 15:17
Comment Icon

jentilisa => mba naharaka kely aloa rehefa tsy repotra @ asa fa teo aloa teo anie tena zara raha afaka mijery blaogy e

Posted by: news2dago at 2008/06/11, 11:59
Comment Icon

ary mahita vaovao koa ianareo a! izaho izao tsy nahalala io vaovao taterinao io

Posted by: jentilisa at 2008/06/11, 11:40
Comment Icon

iouiou => de tsy haiko izay fandaminana ataony @ izany! tena marina mihitsy io lazainao io oe mikorontana be! nefa toa mpakafia mande lamasinina enao zany!

ikalamako => andraso fa ho teneiko izy e! izahay zao mbola sahirana @ ity tsy fahitan'ny vahoaka malagasy euro ity ko

Posted by: news2dago at 2008/06/11, 11:34
Comment Icon

Tsy tiako be koa izany, entana mande train aza no alaina eny amin iny faritra iny, mikorontana be, amin lay misy tsena petite vitesse koa

Posted by: iuoiuo at 2008/06/11, 11:06
Comment Icon

dia mba ilazao lesy Ingahy ben'ny tanàna ry news2dago fa mbola ho avy koa hono hoe ikalamako sy ilay dietrich taloha ireny fa mba amelao toerana :-P

Posted by: ikalamako at 2008/06/10, 20:22
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype