Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Lasa tranom-bakoka ny Gara Soarano | Main | Voadaka ireo mpanazatra ny BAREA »

Tsy mba malaza ny fetin'ny Ray!
2008/06/14,10:14

Tena takona tanteraka ny fête des péres tsy mba misy nahamarika akory eny fa na ny dokam-barotra fahita aza tsy dia mankalaza firy ny fetin'ny ray! hafa ihany oa ny fetin'ny reny. Na izany aza anefa dia efa misomebiseby ny olona ao analakely ao efa manomboka ny fitohan'ny fiara etsy sy eroa ary hanomboka @ alatsinainy ho avy izao tokoa ny tsenabe ny 26 jiona.

Voamarika ihany koa fa tsy mbola hita mihofahofa @ trano ny sainam-pirenena h@ izao, mazava ho azy fa azo hilazana sahady ny hasorenan'ny olona nohon'ny fiakaran'ny vidim-piainana izy ity sy izay hafa rehetra mahalonilony ny olona manoloana izao fitondrana izao.

Mitaky ny hahazo subvention ihany koa ny mpitondra fiara karetsaka ka asa na hahazo fahafahampo izy ireo na tsia manoloana izany hetahetany izany. Azo lazaina aloa fa tena mihopapana tokoa ny saran'izy itony satria manodidina any @ 4.000 Ar na 5.000 Ar any ho any ny sarany mora indrindra.

Ny lalao mandroso hihaonan'ny barea sy Mambas kosa no hanamarika ity faran'ny herinandro ity! io no tena lakile ho an'ny dingana manaraka ka tsy tokony atao ambanin-javatra mihitsy na ny motivation ho an'ny boay kely na koa ny tetika ho entina miatrika ny lalao.

Jereo koa eto

Hevitra

Comment Icon

ravakamalala => misaotra e! norma be an!lol

Posted by: news2dago at 2008/06/15, 19:05
Comment Icon

norma be izany e!
raha oharina amin ny fambolena : ny ray mamafy fotsiny no ataony, ny reny, sady miasa tany no mamadika bainga, no manondraka, no mijinja, no ... (tsy haiko aby ny voambolan ny fambolena)

fa na izany aza tsy mamokatra ny tany raha tsy misy ny voa afafy ao eeee!!! (sao misy entim-po be eo indray mantsy)

arahabaina ny dada rehetra e!

Posted by: ravakamalala at 2008/06/15, 16:27
Comment Icon

sipagasy => tsy hay intsony koa aloa e! misaotra namela hafatra

Posted by: news2dago at 2008/06/15, 12:27
Comment Icon

ka izay anie no nahatonga ilay hiran'i Bodo hoe.....'hafa ihany i MAMA, NENY namako....'

sao kosa aza misy ""laza ratsy"" n'ny ray??? aleoko natao anaty farango sosona in 2 mihintsy annn hihihih

bizz dia mirary fety sambatra ho an'ny ray eran-tany @ izao vanin'androny izao e!

Posted by: sipagasy at 2008/06/15, 09:46
Comment Icon

Jentlisa => andraso fa hanandrana @ manaraka e! tsy isan'andro koa no mande piklĂ 

ikalamako => eny oa

Posted by: news2dago at 2008/06/14, 14:59
Comment Icon

fa iza ary izany lazaina fa akoho izany?
fa voakapoka mafy kosa i papa amin'ny taxi koah! iadio 3500 foana fa manaiky foana ireny amin'ny farany e

Posted by: jentilisa at 2008/06/14, 14:55
Comment Icon

aza miady vintana amin'ny akoho lesy ry papa sy futur papa isany a ! :-P

Posted by: ikalamako at 2008/06/14, 14:44
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype