Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Tsy mba malaza ny fetin'ny Ray! | Main | Manandevo ireo mpampiasa vahiny »

Voadaka ireo mpanazatra ny BAREA
2008/06/16,10:33

Miaro ny rambony tsy ho tapaka ny federasiona dia manilika ny rihitra rehetra any @ mpanazatra! kanefa dia ny fitantanana @ ankapobeny mihitsy no tsy mamokatra eo @ ity taranja baolina kitra ity. Azo hidirana @ resaka teknika be ny resaka kanefa tsy hiditra firy @ izay ny tena fa aleo i Franck no hivaky loha be @ io! ao aloa. Nisaorana tokoa mantsy ry Mika, Somady ary Haja izay 3 lahy nandrafitra ny mpitantana ara teknika teo anivon'ny Barea. Maro ny lesoka hita eo anivon'ity ekipa ity kanefa niarahana nalala ihany koa ny lalana nodiavin'ny baolina kitra malagasy! fotoana fohy fotsiny no nihomanana tsy misy tokony antenaina ahitana vokatra tsara akory.

Manaraka izay dia mpilalao efa tsy nahomby t@ lalao ny nosy ihany ireo milalao ireo izany oe tsy sahy mitsapa mpilalao hafa mihitsy ny mpanazatra malagasy sy ny federasiona. Ny mpandrindra ny lalao no tsy nisy teo ambonin'ny kianja fa nionona t@ fanafiana manaratsisiny isika ny lohalahara malagasy anefa tsy oe tena goavana be ka hahavita hampiditra baolina @ loha foana. Eo ihany koa ny tsy fahaizana manararaotra @ coup franc sy ny corner izay tokony hirindra tsara ka azo faranana tsara @ baolina maty. Mbola mila ezaka be mihitsy e! tsy omena tsiny an'iza na iza akory fa ny rafitra mihitsy no tokony amboarina.

Voalaza koa fa oe nosimban'ireto vahiny mozambikana ireto hono ny zavatra tao @ trano fisolona akanjo vaky ny fitaratra sy kojakoja samy hafa! ity moa dia vaovao heno t@ olona fa ny fahamarinany mbola ho heno eo ihany. Fa ny hita dia nanopa ny mpijery teo @ tribune centrale ireo manampahefana ireto mpilalao ny mabas ireo. Ho rarahara ny lalao miverina izany! hataotra ary ve ny malagasy sa anao ahoana! 

Tsy nahazo olona kosa ny tapolaka tao antsahamanitra hoy ny tatitra hita @ ireo gazety mpiseho isan'andro. Na dia efa nakotrokotroka za ny fanomanana! mamirifiry koa moa ny andro ka mety izay no tsy naharototra ny olona hijery lanonana, ny andro koa efa akatoka fety rahateo.

Lasa resabe kosa ny fanaovana ilay matso lehibe fanao etsy @ kianjabe ny mahamasina ka afindra any toamasina @ ity 26 jiona 2008 ity! andrasana tokoa moa izay tena ho fizotran'ity lanonana eo @ foloalindahy ity. Misy azy izany ireo kilonga kely te hijery matso fa tsy ahita aloa izy @ ity taona ity!

JEREO KOA ETO

 

 

Hevitra

Comment Icon

lehilahytsyresy => tena gros KK oa! misy azy ny boay kely mba te hijery fiara mifono vy kanefa tsy ahita aloa zany asa ny afomanga raha hisy fa toa milaza tsy manambola lava izao koa ny kaominina!

DotMG => ka io tena resabe nampiondrika an'ingahy Ahmad t@ natsoin'i ra8 ambotsirohitra ry lerony! ozy hn ra8 oe:"Iza lisany no mba nanome vola an'i vazaha be teo! iza t@ lisany ireo no mba nanome azy volako taty ampaosiko lety no nanakaramako azy a! inona no mba nataonareo teo zao!" tg de nangina hn oa!

na ny mpilalao koa aza misy tsy ampy kotrana e!

Posted by: news2dago at 2008/06/17, 10:23
Comment Icon

Avereno i Gerber e! Toa ny vazaha no mahay manazatra noho ny Gasy k'lé...

Posted by: DotMG at 2008/06/16, 19:11
Comment Icon

Lasa nifindra any amin' ny renivohitra ekonomika koa izany ny matso 26 jiona.

Posted by: lehilahytsyresy at 2008/06/16, 18:33
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype