Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Voadaka ireo mpanazatra ny BAREA | Main | Arendrina taratasy ô! »

Manandevo ireo mpampiasa vahiny
2008/06/17,13:52

Hiova endrika kely ny vaovao omeko anareo androany! tranga niseho any @ fiasana samy hafa any no ho tanteriko aminareo satria adidiko izany mampahafantatra ny zava-misy rehetra izay mba fantatra sy heno @ ireo namana sy havana sasany.

Iarahana mahalala moa ankehitriny ny asarotan'ny fitadiavana asa ka dia miafy @ izay hita sy azo aloa ny ankamaron'ny olona sy ny tanora ankehitriny. Orinasa lehibe iray manao itony "agence immobilier" itony no voalohany tanteriko aminareo aloa!orinasa tantanin'ny frantsay moa izy ity ary tena mahazo vola tokoa aty @ tanin'ny tena aty. Tsy mba misy "contrat de travail" izany ao aminy ary avy dia tsorin'ilay vazaha ny resaka oe "recompense" no omena fahafalim-po izany no tambiny omena ireto mpiasa fa tsy mba karama velively! lalina izany.

@ izay ny asa tena asa be mihitsy satria mitady trano amidy erak'antananarivo mandodona isam-baravarana oe sao misy trano ahofa na amidy! isan'andro enao tsy maintsy mahita trano 3 farafahakeliny ho entina any @ ilay agence raha tsy zany tsy mahazo "commission" @ farany volana. Ny latsa sy ny taim-bava manginy fotsiny.

Tsy vitsy ny mijaly @ ireo mpiray tanindrazana kanefa ho aiza moa mamelona vady aman-janaka ny tena tsy maintsy miafy! ny hofatrano ny saram-pianaran'ny ankizy mianatra ny frais ny sakafo sy ny sisa samy mbola hefaina daholo! azo lazaina tena mijaly ny mpivady ka mila heritsaina tsara mihitsy.

Orinasa hafa-kaba iray izay indray eny ambatomaro eny no misy azy! ao indray dia "regime guatanamo" mihitsy tsy mahazo mivoaka any ivelany, ny finday tsy azo alefa, efa misy ostie koa moa ao ka rehefa marary tonga dia makany @ ostie dia miverina miasa indray avy eo na marary inona na inona! satria mahazo vola be ireo mpitsabo rehefa vitsy ny mpiasa maka "congé"! ny ora firavana miovaova isan'andro! indraindray @ 4 hariva indraindray @ 8 alina dia ohatr'izay hatrany hatrany. Mbola vazaha frantsay ihany koa ny tompon'io orinasa io.

Mafy leretsy ny fiainana tena marina moa zany kanefa tsy maintsy mitraka foana! mbola maro ireo fitarainana azoko fa ireo aloa ny santionany fa tohizako ihany @ manaraka. Ny "promotion canapé" sy ny "abus" moa mandeha foana ny vehivavy malagasy koa moa tena efa niova ny toe-tsain'ny sipa sasany ka tena zarany ary.

jereo koa eto

Hevitra

Comment Icon ok

Zao ty vao hitako!
voalohany dia misaotra an'i news nitantara. Efa dingana iray vita izay.

Efa voalazan'ny rehetra teo daholo ny mety ho vahaolana. Ny tiako tenenina dia ny hoe : tohizo hatrany ny fitsikerana sy ny fijerena izay tsy mety, fa efa dingana amin'ny fanitsiana io.

Ny ahy zao no tena tsy voako koa dia ilay filaharam-be isaky ny mikarakara taratasy ao Madagasikara. Ohatra ilay filaharana diplôma "bacc" etsy Ankadifotsy isaky ny vita baccalaureat. Tonga tamin'ny 5 maraina teny ny tenako sy ilay namako haka diplôma, nefa @ 11 vao tafiditra. Maninona 'zao raha mba zaraina laharana izahay? Manahirana be ve izany? :).

Misy fahamarinany mihitsy ilay hoe Mkara = pays du Mora2. Tsy mba raharahin'ny sasany mihitsy ny fahaverezam-potoanan'ny olon-kafa.

manao azafady raha nanova resaka e hihihi

Posted by: Tokinao at 2008/07/13, 22:19
Comment Icon

Kdaombaramita => Dia ahn indray no hevitra zany!

Posted by: news2dago at 2008/06/22, 21:19
Comment Icon

TS'ISY raha araka ny valin'ny propositions rehetra natao.

Posted by: Kdaombaramita at 2008/06/22, 20:47
Comment Icon

Kdaombaramita => tena mila vonjy ireo namana ireo ka! fa tsy haiko oe inona no azontsika anampiana azy

Posted by: news2dago at 2008/06/21, 13:59
Comment Icon

News2dago < Dia tena tsy misy azo atao izany fa dia hitserana ireo olona ireo no tena antony nanoratanao io ve ? Sa misy andrasana aminay mpamaky ve ?

Posted by: Kdaombaramita at 2008/06/21, 11:30
Comment Icon

Simp => mety izany fa mila miray hina tsara daholo izany ny mpiasa sa ahn?

Posted by: news2dago at 2008/06/21, 10:16
Comment Icon

raha izany dia atao @ teny gasy aloha : iray izay. rapatabe tsy mahay teny gasy. faharoa, tsy tononina ny anarany fa atao hoe "arokatra avaratra arokatra hono misy mpampiasa tena milay tsisy ohatra izany, tsy mba mikitikitika ny mpiasa vehivavy..." dia ny mifanohitra @ tena izy no soratana fa an'ny mpamaky no maminavina ilay mifanohatra. sady sarontsaronana no atao mazava ihany mba ho takatry ny mpahalala.
sa ?

Posted by: Rajiosy at 2008/06/20, 23:13
Comment Icon

Rajiosy => tena ananantsika mihitsy ny anaran'ny orinasa! manao ireo fomba ireo kanefa isika mbola manaja ireo namana miasa ao sao dia vao maika ahazo ny tsindriazolena eo ka olana be eo indray!

te hiala pas mihitsy anie fa ny olana dia oe ho aiza indray! ny vesatra (charge) anefa tena bobaka loatra! ary mety ahita hafa ao anatin'ny fotoana fohy ve? any anie no tena olana e!

Posted by: news2dago at 2008/06/20, 14:03
Comment Icon

ary maninona tokoa moa raha manao sity (vohikala) tsy mitonona anarana (anonyme apetraka any Tuvalu na any Rosia) dia adoboka ao daholo ilay anaran'olona sy ny anaran'ilay orinasa ???

dia atao hoe "raha azo atao hialao pas ilay vazaha"

Posted by: Rajiosy at 2008/06/19, 23:21
Comment Icon

Lalasoa => Misaotra @ hevitra rehetra nomenao! dia miandry ny rariny eto ny mpiasa malagasy!

Liberto => io indray aloa dia izay samy manana ny tsara aminy! ka tsy hita oe aiza marina no tsara hipetrahana!lol

Kdaombaramita => Mbola ho henjana ny lalao e!

Posted by: news2dago at 2008/06/19, 14:22
Comment Icon

Arakaraka ny tany misy ny tena aloha e fa raha tany eropeana tsy maintsy misy ny "contrat de travail", sa tsy izany? fa tsy hoe fotsiny hoe récompense amin'ny faran'ny volana!
Voaresaka mialoha ao @ "contrat de travail ny fipetraky ny congé sy ny hoe raha marary ny tena; ny ora fiasana moa dia hafa ny karama raha miasa atoandro, hafa raha miasa alina na week-end fa tsy misy "andevozina" hiasa izany fa efa voasoritra mialoha ny "contrat". Fa ity ange izany dia izay tian'ny mpampiasa mihitsy e! Ary tsy tahotra tsy henatra fa dia azo lazaina hoe "autorisé" ny tsy rariny amin'ireny orin'asa ireny. Raha tsy izany ve ho sahy hanao izany izy? Mpiasa firifiry ny ao dia tsy hisy izay feo handeha ve fa efa tsara mpanohana izy izany!

Ilay système no resahako mahasambatra aty fa tsy ny hoe maha-aty ny tena fotsiny dia mahasambatra. Raha misy tsy rariny afaka milaza hevitra sy mitory hianao, be dia be ny organisations sy services azo atonina akana hevitra, fa any Dago ange ka na hisokatra aza ny vava hiampanga dia matahotra satria hita maso hoe "atody miady amim-bato ny tena" e! Aty na inona toerana ambony tanany na inona dia natao ho an'ny rehetra ny lalàna ary ampiharina aminäny rehetra, ny any Dago raha vao manambola na ambonimbony ilay olona ...

Dia ilay resaka "promotion canapé" ry zareo a, aty izany hoe na mikasika ny nono na ny misafo ny vodina vehivavy ambany fifehezanao izany dia efa harcèlement, efa onitra tahaky ny inona... fa any amintsika ... dia sanatria ekena fotsiny sisa ve?

Posted by: Lalasoa at 2008/06/19, 14:02
Comment Icon Hamaly hevitra

Miarahaba ny gasy rehetra.
Zaho dia gasy mipetraka aty aty France, tena monina fa tsy mandalo, ara-dalana ny taratasy rehetra.
Ny hoe sambatra ny aty an-dafy aloha dia lainga be io, fa tahaka ny fiainana rehetra ihany na aiza ianao na aiza; ny olona rehefa ratsy dia ratsy na vazaha na malagasy.
Aza mety ataon'ny sasany hoe tongava aty fa aty miadana; miadana ianao raha tsara asa, raha tsy izany aleo ihany mijanona any an-tanindrazana.

Posted by: liberte at 2008/06/19, 11:40
Comment Icon

Izaho mahita hoe raha tsy hetsika goavana dia goavana tsy ho afaka ao Madagasikara ny zavatra toa izao satria ny système mihitsy no tokony hovaina, ny toe-tsaina mihitsy no tokony hovaina. Manomboka any amin'ny mpitondra ny fahatapahan-kevitra hampihatra ny rariny sy ny lalàna. Biby tsy manan-doha tsy mandeha, ity indray biby manan-doha saingy biby bota loha ka izay hahangeza ny lohany ihany!

Hoy i mazana etsy ambony hoe aza mieritreritra hoe "sambatra" ny aty an-dafy: izaho milaza hoe "tena sambatra" satria ny lalàna aty natao arahina fa tsy natao haingona bokim-panjakana fotsiny na hoe hiarovana ny tombotsoan'ny manam-bola sy ny manam-pahefana fotsiny. Tena sambatra satria tsy mba miferin'aina isaky ny maraina mifoha hoe "inona indray ny lagy ho azo androany? Tsy ny vazaha ihany no mila vaniny sy mitsentsitra ny herim-ponao fa ny malagasy toa anao koa dia manapotsitra tsisy antra satria te-ho tsara jery imason'ny mpampiasa.

Tena sambatra satria raha resaka zon'ny mpiasa izany, resaka karama izany, resaka fitondra olona izany manana arofanina tsara tarehy ry zareo. Nahoana no tsy vita any amintsika izany? Satria isika goragora, satria isika efa zatra tsindry hazolena, satria "ny lehibe tsy mba diso" any amintsika, satria ny antsika vitan'ny menomenona fotsiny fa mbola miaritra eo ihany.
Miala tsiny amin'izay voatohina fa fomba fijeriko izany.

Posted by: Lalasoa at 2008/06/19, 11:20
Comment Icon

Ary raha tsindromina amin'ny "Comité de Droit de l'Homme" indray manahoana ? Fa toa mila manoratra any Bruxelles io raha tsy diso aho.

Posted by: Kdaombaramita at 2008/06/19, 08:25
Comment Icon

Maintikely => Tsy oe manakivy anao a akory fa ny aty @tsika mbola manjaka ny resaka vola any @ fitsarana ka izay manambola ihany no manana ny rariny! dia inona no hevitra?

Posted by: news2dago at 2008/06/18, 15:56
Comment Icon

"hisy lanja ny fitoriana" no saika teneniko teo f'azafad :))

Posted by: maintikely at 2008/06/18, 15:43
Comment Icon

lalina izy izany ry news!

ny tsotra indrindra ho an'ny mpiasa @io agence io! manantona avocat dia mitory any @ inspection du travail.
Sady ny inspection du travail any amintsika tsy mitsitsy mihitsy, fa conseil fotsiny hoe médiatiser-o ilay izy mba lanja ny fitoriana (oui oui misy lanjany be foana ny opinion publique @ tranga toy izao)

Posted by: maintikely at 2008/06/18, 15:43
Comment Icon

Akaotran'ny hevitra mitsiry @ fananganana ny association miaro ny zo ny mpiasa dia inona koa no hevitra hafa mety hiarovana ny mpiasa madinika!

Posted by: news2dago at 2008/06/18, 12:23
Comment Icon

Kdaombaramita => tena vo spam ny hevitra nalefanao! tsy oe za no ratsy fa hatrany ampotiny io! io efa mivoaka io ilay izy. Misaotra @ ilay vaovao! koa inona zany no hevitra zao?

Simp => atovy serieux oa! LOL

Pissoa => tsy hita oa! tsy manana isika fa vao hanagana ny mpiblaogy e!lol

Posted by: news2dago at 2008/06/17, 19:07
Comment Icon

Degany be indray izany hoe tsisy karama zany lol. Fa tsika gasy angaha tsy afaka mifampiaro mihitsy sa ahoana ? ...

Posted by: pissoa at 2008/06/17, 18:36
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype