Manandevo ireo mpampiasa vahiny

Posted by news2dago on 17 Jiona, 2008 13:52

Hiova endrika kely ny vaovao omeko anareo androany! tranga niseho any @ fiasana samy hafa any no ho tanteriko aminareo satria adidiko izany mampahafantatra ny zava-misy rehetra izay mba fantatra sy heno @ ireo namana sy havana sasany.

Iarahana mahalala moa ankehitriny ny asarotan'ny fitadiavana asa ka dia miafy @ izay hita sy azo aloa ny ankamaron'ny olona sy ny tanora ankehitriny. Orinasa lehibe iray manao itony "agence immobilier" itony no voalohany tanteriko aminareo aloa!orinasa tantanin'ny frantsay moa izy ity ary tena mahazo vola tokoa aty @ tanin'ny tena aty. Tsy mba misy "contrat de travail" izany ao aminy ary avy dia tsorin'ilay vazaha ny resaka oe "recompense" no omena fahafalim-po izany no tambiny omena ireto mpiasa fa tsy mba karama velively! lalina izany.

@ izay ny asa tena asa be mihitsy satria mitady trano amidy erak'antananarivo mandodona isam-baravarana oe sao misy trano ahofa na amidy! isan'andro enao tsy maintsy mahita trano 3 farafahakeliny ho entina any @ ilay agence raha tsy zany tsy mahazo "commission" @ farany volana. Ny latsa sy ny taim-bava manginy fotsiny.

Tsy vitsy ny mijaly @ ireo mpiray tanindrazana kanefa ho aiza moa mamelona vady aman-janaka ny tena tsy maintsy miafy! ny hofatrano ny saram-pianaran'ny ankizy mianatra ny frais ny sakafo sy ny sisa samy mbola hefaina daholo! azo lazaina tena mijaly ny mpivady ka mila heritsaina tsara mihitsy.

Orinasa hafa-kaba iray izay indray eny ambatomaro eny no misy azy! ao indray dia "regime guatanamo" mihitsy tsy mahazo mivoaka any ivelany, ny finday tsy azo alefa, efa misy ostie koa moa ao ka rehefa marary tonga dia makany @ ostie dia miverina miasa indray avy eo na marary inona na inona! satria mahazo vola be ireo mpitsabo rehefa vitsy ny mpiasa maka "congé"! ny ora firavana miovaova isan'andro! indraindray @ 4 hariva indraindray @ 8 alina dia ohatr'izay hatrany hatrany. Mbola vazaha frantsay ihany koa ny tompon'io orinasa io.

Mafy leretsy ny fiainana tena marina moa zany kanefa tsy maintsy mitraka foana! mbola maro ireo fitarainana azoko fa ireo aloa ny santionany fa tohizako ihany @ manaraka. Ny "promotion canapé" sy ny "abus" moa mandeha foana ny vehivavy malagasy koa moa tena efa niova ny toe-tsain'ny sipa sasany ka tena zarany ary.

jereo koa eto

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Manandevo ireo mpampiasa vahiny

simp | 17/06/2008, 18:29

lol
tonga dia lasa serieux be le izy nefa manala fotsiny ah...
fa hevitra tsara alou eee

jereo eto
jereo eto

Isaky ny firenena ny fanjakana toa otran'ny manana agence miaro ny zon'ny mpanjifa sy ireo opprimEe ka asa ra misy ny antsika... fa misy ONG koa ny sasany--
Nareo mitsam alou efa manao global voice kely manaparitaka ny tsy milay eran'ny tanana dia efa manja zay eeee

:)

Re: Manandevo ireo mpampiasa vahiny

kdaombaramita | 17/06/2008, 17:21

Mampalahelo tokoa izany, izay ilay ilaina ny syndicat mpiaro ny mpiasa. Asaivo ilay sipa misy Sida ireny manao ilay promotion canapé dia hanenina mandram-pahafatiny e ! Fa inty ary mbola hanampy trotraka ny voalazanao : fantatrareo moa fa i Bruno Maigret dia affecte-n'ny Bouygues Télécom aty Dago ? Nefa io olona io ho an'izay tsy mahalala dia tena bras droit an'i Le Pen taloha, ary tena ratsy noho Le Pen ny toe-tsainy mikasika ny étrangers, raciste extrême danz be mihitsy. Ny vadiny izany moa dia tsy hay lazaina intsony, RATSY LOHA BE ireo olona ireo fa mahagaga hoe hiasa aty Dago ry zareo.

Re: Manandevo ireo mpampiasa vahiny

news2dago | 17/06/2008, 16:37

news2dago

jentlisa => tsy maintsy oe latsakemboka aloa no atao ho an'ireo mpikambana angamba dia arafitra ny status sy ny sisa! fa mila matotra tsara oe inona ny tanjona sy ny zavatra ho entina miady! aza adino fa ny mpitondra antsika mpampiasa ka mila mitandrina isika!

Mitia => misaotra @ le voninkazo tongava matetika @ izay!
ny finday = telephone portable
afa-kaba = zone franche

mazana

Mitia | 17/06/2008, 16:26

tay be marina e! mahafinaritra ny blaogynao ry news2dago na dia misy teny tsy azoko sal@ "finday" na hafa-kaba; tena teny gasy vrai gasy mahafinaritra be! Misaotra @vaovao, mamplahelo aloha tsika gasy e! nefa nareo koa aza mieritreritra hoe "sambatra" zay aty andafy fa zany be kokoa ny chance zany e!

Mitia
http://maman-gasy.mabulle.com/

Re: Manandevo ireo mpampiasa vahiny

news2dago | 17/06/2008, 16:22

news2dago

Simp => Tairo fa izahay partant foana e! mila vonjy ny malagasy mpiray tanindrazana!

Lehilahytsyresy => Na izany aza tena mba gravy ihany le oe tengenan-dry le maty fotsiny ny adikle kano! inona no hevitra e

Re: Manandevo ireo mpampiasa vahiny

jentilisa | 17/06/2008, 16:20

Ao anaty fanatontoloana isika dia ny vola no tena mikaonty e! fa vondrona tahaka ny ahoana ary no tadiavin'i simplex e! hazavao hoe

Re: Manandevo ireo mpampiasa vahiny

simp | 17/06/2008, 15:44

io zao dia manohana an'le hoe tokony asiana association mpiaro ny mpanjifa/mpiasa-- tsy syndicat ao @ io orinasa io fa mety manahirana be izany fa birao independant any ivelany mintsy mandray ny doleance an'ny ze mety ho mpiasa eto @ tanana... manao saisie ny inspection de travail na otr'zany... aiza ra jentl teo eee :)

Re: Manandevo ireo mpampiasa vahiny

lehilahytsyresy | 17/06/2008, 15:14

Lalina tokoa izy ity ry Newsdago. Marina daholo tokoa izany rehetra izany. Rehefa any amin' ny tanin'ny Vazaha ny tena dia tsy maintsy miaritra ny mafy foana satria " tsy tompon-tany "; kanefa rehefa eto an-tanindrazan'ny tena koa dia mbola anjakazakan-dry zareo ihany.
(* Izany anefa tsy midika fa hoe manao ny rariny daholo ny mpampiasa malagasy sy tsy-vazaha an.)
Ny vehivavy aza moa mbola manana chance amin' ny fanaovana " promotion canapé ", fa ny lehilahy kosa dia tsy maintsy mizaka foana ny zioga mafy indrindra.

«Mialoha   1 2