Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Manandevo ireo mpampiasa vahiny | Main | Nakatona ny orinasa Le Quartz »

Arendrina taratasy ô!
2008/06/23,11:55

Dia ny fankalazana ny fety no mampisomebiseby ny olona ankehitriny! maro moa ny zavatra nitranga t@ iny weekend iny teo ny fetin'ny mozika izay nankalazaina ny 21 jiona lasa teo ka carnaval no nankalazana azy teto antananarivo! tsy fahita moa izy ity ka tena nahalina tokoa ny nijery azy! tsy tsaroana intsony ny fitohanan'ny fiara io tontolo ny asabotsy io!

Mbola maro moa ny fety aman-danonana hotanterahana @ izao fetim-pirenena izao! anisan'izany ohatra ny seho sehatra lehibe ataon'ny tarika Iraimbilanja (Raimbla) @ 25 jiona 2008 ao antsahamanitra. Efa ela ny tarika no tsy niaka-tsehatra ka inoana fa ho faly ireo mpankafia azy @ izao fiverenany izao indray.

Feno entana sinoa kosa ny tanana ankehitriny! ary ny tena mampalahelo dia tsy hita firy intsony ny arendrina taratasy izay tsorina fa tian'ny ankizy tokoa fahiny, indrindra ireo zavavy kely ary jiro kapoaka ny fitondranay t@ izany! nifaly ery nifampitaona ny hanao arendrina ny ankizy rehetra tsy anavahana na iza na iza fa na ny ankizy fiadina aza dia mpinamana be @ io andro iray io! ny tsipoapoaka vita @ bougie sy ny vanjan'afokasoka moa dia eny an-tanana ihany!!! Fahiny tokoa izany. Izao mantsy dia itony karazana jiro kely maroloko itony no mameno ny tsena, tsy hita izay endriny fa dia jiro kely mande @ "pile" sisa no ho lalaovina zany @ 25 jiona alina.

Hatramin'izao koa dia mbola tsy hay na hisy ny afomanga na tsia, fa ny hita ao anaty ny fandaharam-potoana aloa dia tsy misy izany afomanga izany! efa tsy hahita matso izany dia mbola tsy ahia afomanga ihany koa, tena maivana tokoa izany fety izany ny vola rahateo tsy misy.

Vaovao farany kosa dia Voantendry ho Minisitrin'ny fanatanjahatena Ingahy Jean louis Robinson ary Paul Richard Ralainirina kosa no Minisitrin'ny Fahasalamana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakavina.

Jereo koa eto na mihomeza kely ato 

Hevitra

Comment Icon

Izaho indray na dia nankafy ireny arendrina ireny dia efa nahita ny voka-dratsin'izy ireny ... hain-trano no niafarany :(

Posted by: tomavana at 2008/06/24, 16:25
Comment Icon mi s'occidentalise -be

tena te hanao mafy ohatrin'ny any ampita mihitsy anie zany gasy zany e! Tsy misy ntsony ny arendrina!!! nefa revenay be reny t@ fony mbola kely le! zanakay zany na zafikelinay tsy ho hahita an'reny ntsony any aoriana any? Mandeha pile ndray izao ny lalaovina?? Dia ariana aiza ny piles rehefa lany? Koa raha ho te-hanao ohatrany andafy koa maninona tsy manao tri de poubelle koa? Ao ny fête de la mozika, St Valentin, movie festival...nefa ny foko mahantra...dryyyy...ny visa @io hatao 50€(ho an'ny zanakay vaza nefa ny reniny gasy, tsy rariny kosa e)...tena lasa lavitra.

simp>> fa ahoana no hanao grevy se? Tongava an'i Tamatave e! filohan'ny gasy rehetra io ka zay any mba mendrika ny hanaovana ny afo manga koa, sa ahoana? Tsy aleo manao grevy mba hiverenan'ny arendrina?

Posted by: Mitia at 2008/06/24, 15:36
Comment Icon

Jentilisa => Mifameno eo ny vaovaontsika e!lol

Posted by: news2dago at 2008/06/23, 16:38
Comment Icon

Kay news efa nanoratra ny fanovana minisitra tato

Posted by: jentilisa at 2008/06/23, 16:26
Comment Icon

Simp => tena saropady be mihitsy ilay matso ry simp a! marina e!

mety hisy akony ihany izy io ao aorina kely! ny fahazoako azy koa dia mila ranondranony any @ sisiny ny mpitondra satria maro ny harenany mitoetra any!

Posted by: news2dago at 2008/06/23, 16:16
Comment Icon

tadidiko mintsy nena taloha tsy maintsy dorana foana ny arendrina rehefa 26 alina :)

25 manao tsikonina, voa mafy mintsy ny ankizy ankehitrio ktyyyyyy

fa zao ee, tokony asiana grevy ra vao afindra any Tamatave ny afomanga kle :)

Posted by: simp at 2008/06/23, 15:49
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype