Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Arendrina taratasy ô! | Main | @ 7 ora tsy diso ny afomanga »

Nakatona ny orinasa Le Quartz
2008/06/24,11:18

Tena Minisitra roa be izao no indray nanazava ny antony nanenjehana ny mpitantana ny orisana iray lehibe mpikirakira sy mpanao fanondranana ity vatosoa ity. Ny minisitrin'ny Angovo sy ny harena an-kibony tany Razaka Elysé sy ny minisitrin'ny fitsarana Bakolalao Ramandraibe no nanome ny fanampim-panazavana ny @ nanamborana ny tompon'ny orinasa Le quartz! Voalaza t@ izany ary fa diso ny momba momba ilay vato nahondrana sy ny tombam-bidiny ka izay no nanejehana azy. "Bloc d'emeraude sur gangue de mica" ilay vato ary mitentina any @ 100.000 € any no tena vidiny, raha "Bloc de beryl sur gangue de biotite et de mica" ary 30.000 € monja no voalazan'ity orinasa quartz ity ho mombamomba io vato io. Mbola tantara mitohy moa izy ity ankehitriny ka andrasa izay ho tohiny. Ilay vato moa dia mbola any @ musée any ivelany any, dia tompony mangataka atiny tokoa ramalagasy.

Mizotra araka ny tokony ho izy kosa ny fanamboarana ny rova ny manjakamiadana ary tombanana ho vita @ faran'ity taona ity ny fanafona azy. Marihina fa natao beton avokoa ny andry lehibe rehetra miazona azy ary avy eo vao fonosina hazo! Hiala maina @ izay izany izay tsy valahara mpandoro azy eo @ manaraka.

Natao "goudron" kosa ny lalana lalovan'ny matso manoloana ny tribune centrale etsy mahamasina! natao moa izao mba tsy hanidinan'ny vovoka any @ ireo vahiny manankaja mipetraka eo @ tribune! tokony mba natao manodidina rehefa hanao ihany! izany oe tokony avy dia natao "piste en tartan" ilay fanaovana hazakazaka.

Any Toamasina kosa zany ny Filoha ra8 no hanao afomanga ny alin'ny 25 jiona ary avy dia hanenjika ny matso eto antananarivo izy ny 26 jiona! sarotra marina izany te ho filohan'ny malagasy rehetra izany @ andro fety toy izao. Tina ho hita daholo ny faritra rehetra tsy ankanavaka. Asa anefa raha efa mba tsapany ny fijalina mahazo ireo malagasy ireo.

JEREO KOA ETO

Hevitra

Comment Icon

Tsy mbola voavaliako hatramin'izao ny antso findain'i Ra8 fa variana miblaogy fotsiny ;) ... tsy mbola nandre vaovao aho fa amin'ny Asabotsy 28.06 io izao vao ho hita eo hoe iza no solontenam-panjakana hikabary.

Posted by: tomavana at 2008/06/25, 09:30
Comment Icon

Tomavana => efa niova ve ny ambasadaora sa tsy?

Posted by: news2dago at 2008/06/24, 17:43
Comment Icon

Ny anay amin'ny Asabotsy 28 Jona vao hiara-mifety ny vahoaka fa ny 26 Jona kosa natokana hoan'ny Malagasy "manan-kaja" notsongaina sy ireo vahiny nasain'ny ambasadaoro.

Posted by: tomavana at 2008/06/24, 16:28
Comment Icon

Jentilisa =>Mety hisy ve anefa ny vola! mety tsy ho vitany izany

Posted by: news2dago at 2008/06/24, 13:09
Comment Icon

Anjaran'ny TGV izany no mampifaly ny mponina eto Tana amin'ny afomanga?

Posted by: jentilisa at 2008/06/24, 12:09
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype