Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Nakatona ny orinasa Le Quartz | Main | Nanorisory ny afomanga!!! »

@ 7 ora tsy diso ny afomanga
2008/06/25,09:33

Hisy ihany izany ny afomanga ary etsy anosy toy ny mahazatra ihany no alefa. Redonina kosa aloa ny hiram-pirenena ka rehefa vita ny adininy fahatelo farany vao mandeha ny afomanga ka tombanana any @ 7 ora hariva any! Tsy maintsy ho tomefy olona indray izany eny @ iny faritra iny rahariva. Marihina fa tena fafinaretan'ny ankizy tokoa ny mijery afomanga no sady mitondra arendrina rehefa fetin'ny 26 jiona ohatrizao.

Ho tokanana androany kosa ny tsenabe etsy Ambohimanarina ary ny filoha Ravalomanana no hitokana azy @ izany! izy ity moa dia anisan'ny praograma t@ fampielezan-kevitra fony Rafalimanana nilatsaka ben'ny tanàna. Asa zao ra ho avy ao koa ny boay kely na tsia!!! tapaka moa ny lalàna ety @ faritra ambohimanarina ety ka tsy misy ny fiara afaka mivezivezy ary sahirana ireo mpitatitra sy ny mpandeha betax mifampitady mihitsy @ toerana misy ireo betax ireo. Lasa ety andraharo moa ny fiantsonana vonjimaika izao ety @ galaxy ny marimarina kokoa.

Tonga omaly hariva 24 jiona kosa raha tsy nisy ny sampona ny Rev. RANARIVELO Jaona izay eveka vaovaon'ny anglikanina avy any afrika atsimo moa izy sy ny fianankavina namita ny fianarana phd @ teolojia ary izao voafidy ho evekan'ny diosezin'Antananarivo ary hisolon-tena ny anglikanina ao @ FFKM @ alahady 29 jiona moa izy no handray izany asany vaovao izany ka hisy fitaom-pivavahana lehibe @ io andro io eny @ katedraly Ambohimanaoro.

Dia mirary fety sambatra ho an'ny mpiblaogy rehetra i News2dago! lol

Jereo koa eto

Hevitra

Comment Icon

Misaotra zalahy a!

Posted by: news2dago at 2008/06/27, 09:41
Comment Icon

Manaova fankalazana finaritra daholo e

Posted by: tomavana at 2008/06/26, 16:05
Comment Icon

asaramanitra tokoa ity ry news2dago ka dia mifalia sy miravoa an !

Posted by: ikalamako at 2008/06/26, 01:30
Comment Icon

Hitondrao sary radem ry news2dago a (aza hitako ka tsy hitanao intsony ity dia tsy naka hi hi hi)

manaova fety tsara daholo ry Malagasy a ...

Ary tsy azoko, tapaka vonjy maika ve ilay lalana sa tena hoe tapaka mihitsy ? hi hi hi

Posted by: pissoa at 2008/06/25, 21:42
Comment Icon raozy

asa raha fantatreo, misy madame efa ela izy tao Paris taloha Protocole, misindisindina izay, tena masiaka izany ra madame, efa lehibebe izahay izy, asa Josie sa Josiane no anarany tena mba mampitaraina ny gasy kely mihintsy

Posted by: rina at 2008/06/25, 18:23
Comment Icon afomanga

mba ratsy fanahy mihintsy ilay ambasady ao Paris ao koa izahay izao tena lavitra nefa tsy maintsy maka invitation hono, nefa tsy rehefa gasy v dia ohatry ny ambasady rehetra aty ivelana e!

Posted by: piso at 2008/06/25, 18:17
Comment Icon afomanga

mba ratsy fanahy mihintsy ilay ambasady ao Paris ao koa izahay izao tena lavitra nefa tsy maintsy maka invitation hono, nefa tsy rehefa gasy v dia ohatry ny ambasady rehetra aty ivelana e!

Posted by: piso at 2008/06/25, 18:17
Comment Icon tsy misy aty

nareo zany sambatra mba hanao fety sy hihinana gisa sy henakisoa sy ny bex; zahay aty mba handeha haka invitatio any @ambasady dia hoe hariva @7ora sy sasany hono miaraka @karampanondro, dia ahoana zany raha mipetraka lavitra enao sy tsy manana karatra? Fangaha zay gasy rehetra aty manana karatra? ntssss...ny harendrina moa tsy misy sady ny tena miasa @26, moa ny soirée lasa fahazombola foana aty sady tena lafo nefa ny tena tsy hafapo akoriny...manaova fety sambatra daholo ary

Posted by: Mitia at 2008/06/25, 17:29
Comment Icon

Fanitsiana kely ho fifanampiana amin' ny tsipelin-teny:

[b]làlana[/b] = la route, la rue...
[b]lalàna[/b] = la loi

Posted by: Xi at 2008/06/25, 16:14
Comment Icon

aiza zany isika no mifankahita amin'io? efa nisy nitondra bex sns v? lol
bizy e!

Posted by: jogany at 2008/06/25, 15:12
Comment Icon

Simp => misaotra e!

Posted by: news2dago at 2008/06/25, 14:42
Comment Icon

bonne fety eee!

Posted by: simp at 2008/06/25, 14:34
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype