Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« @ 7 ora tsy diso ny afomanga | Main | Pazapa 6 hono e!!! »
Tena diso fanantenana t@ ilay afomanga ny olona teto Iarivo satria dia tena nanorisory ny nijery izany ny alin'ny 25 jiona lasa teo. Afomanga azo isaina @ ratsan-tanana no niakatra teo ary nielanelana efa ho 5minitra vao misy indray! natao fotsiny izay hafeno 30mn ny faharetany fandefasana ny afomanga! Menomenona re izao ny olona amin'io tsy hita isa intsony eny @ iny faritra avo rehetra iny! ary efa nisy niandry toerana h@ 4 ora hariva aza ny sasany!
Menatra angamba ny fitondrana ka nanisy afomanga tampotampoka ny 26 jiona ary tsy tao anaty piraograma mihitsy ilay izy! dia io no mba tena nafinaritra kely no nijery azy na dia somary monotone ihany aza ny endrika asehon'ilay afomanga! teo @ 50mn teo eo ny faharetany. Fa ny tena nahatsikaiky dia ity ny fampitahana nataon'ny olona oe:"hafa ihany ny afomangan'ny ra8 ny an'ny ben'ny tanana mahantra kely" (ny afomnga ny 25 jiona).
Dia nampatsiahy ahy ny taloha tokoa ilay afomanga nalefan'i ra8 fony izy ben'ny tanana tany @ taona 1999 tany ho any, io no afomanga mba naharitra 30mn voalohany teto madagasikara h@ izay nahatsiarovako saina sy mba hitako! dia nifaninana t@ moa i Rossy t@ izany satria i rossy t@ ireny dia mpanolon-tsaina ny deba ka nandefa afomanga tao manjakamiadana loza moa no nintranga t@ izay satria trano 2 no indray may no sady maromaro ireo zaza sy ankizy may ny vanja teny @ iny faritra iny. Fa nahita tsara kosa anefa ny tanana iray manontolo satria tsy misy manakona ny Rova.
Ny vaovao hafa moa dia ny loto ny tanana ao analakely izay saika mitondra takaitra foana rehefa fety tahak'izao, ny olona moa efa iarahana malala fa tsy mba misy mahay manaja ny fahadiovana! ny toaka sy ny labiera moa dia nanasana tongotra mihitsy angamba satria tena hitanao maditidity mihitsy ny arabe manomboka eo @ gara ny soarano ka hatreny @ hotely glacier.
Ialana tsiny @ ireo izay mila sary aloha fa tsy nitondra fakan-tsary aho rehefa vory vahoaka ohatran'ireny satria dia azo antoka fa ao ry zala lava bras ka aleo mailo ihany.
Mitia => izany mihitsy e! tokony mba hivoatra ny toe-tsaina
manahoana dhl
tsika gasy hoa dia izay, mba mila mivoatra kely ny ao an-tsaina, ary io valable ho an'ny mponina @reny tany mahantra reny; mba miezaka ra8 (nefa zà tsy tia an!) dia mba tokony hiezaka koa ny foko, na zany fanariandabiera sy ny loto smhafa zany tokony mba hariana eny @pobela e! mba tokony tsinjovina koa anie ny ho avin'ny zanantsika e! dia ho voretra lalandava zany? Nefa ny lobaka hanaovana sy ny pozy manimanitra ery dia nefa maloto voretra ny manodidina, dia ahoan zany? Dia raha miteny ny vaza hoe "nareo gasy tsy mivoatra" dia kenda ny tena.
tsikisariaka => misaotra @ fanampim-baovao e!
tsiks => masasosotra oa tena voretra be mihitsy e!
Fa ny loto aloha dia tena zavon-tany e ! angaha raha tsy ampy fialam-boly dia samy hanao izay mahafalifaly azy fotsiny ? Alina izahay nandalo teo Analakely dia mandrehitra afo eo amin'ny zaridaina afovoany iny ry gaigy izy, ary betsaka an !
Izao manadio ny CUA aloha e, fa iny sisin'ny aracade rehetra iny dia tena maimbo ! simba kely indray ilay Iarivoko marina ! Tena mahasosotra ny ataon'ny mponin'Iarivo fa soa ihany fa tsy ny Zanak'Iarivo fa ny mponina sasany eto !!!
20 minitra katroka ilay izy Newes2Dago a ! tena nalaiko mihitsy ny fetrany tamin'iny ka !
Izaho koa naheno hoe an'ny Fanjakana ilay 25 juin !!! ary ilay omaly an'iza ? an'ny CUA ve ? mandrangitra mantsy ny resaka ambadika fa mifamadika amin'izany.
Izaho indray efa zatra mionona amin'ny zava-misy e ! fa ilay tandrametaka amin'ny antsoinao no tsy laitrako. Jereo ny loza nitranga tany Toamasina.
Izay fa mandalo fotsiny aho ary tsy ho hitako ny tohin'ity resantsika ity raha tsy elaela indray fa dia mahereza leiroa a !
Fanamarihina kely fotsiny! Tsy ny CUA velively izany no nanolotra ny afomanga ny 25 jiona! fa ny fanjakana foibe ihany! fa tara kosa ny fanomanana no nahatonga ilay tsy fahatomombanana teo @ fandefasa azy!
marobe ny zavatra nintranga noho izay tandrametaka izay! toy ireo miaramila maty tany toamasina sy ny sambo may ohatra!
asa ny tany @ faritra hafa fa ireo alo no nahazoana vaovao!
| « | Oktobra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||