Blaogin'i news2dago

Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara

« Pazapa 6 hono e!!! | Main | Kambana mirahalahy "Siamois" ho sarahana! »

Lasan'ny espana ny amboara!
2008/06/30,10:13

Dia arabaina izany ry zareo espaniola fa nahazo ny amboara ny eoropa 2008, maro moa ny malagasy no mankafy ity ekipa iray ity ary mba mampitahy ihany koa @ mpilalao malagasy ihany koa oe mila manana mpamono baolina ohatran'i torres iny ny barea dia azo antoka fa mba mety hanao can ihany indray andro any.

Totosa soa aman-tsara omaly alahady 29 jiona ihany koa ny nametrahana ny eveka Ranarivelo ho evekan'ny diosesin'antananarivo eo @ finoana anglikanina. Mbola hiverina any afrika atsimo moa i Mgr Ranarivelo @ 6 jiolay ho avy izao ary avy eo dia hanatrika ny Kongresy lehibe any Lambeth any Londre @ ity volana jiolay ity. Nanatrika izany moa ny Filoha malagasy Marc Ravalomanana ary maniry ny tenany ny hitohizan'ny fiara-miasa eo @ fiangonana sy ny fanjakana.

Lasa niazo an'i Ejypta any Sinay Charm el sheik kosa ny tenany avy eo hanatrika ny fivorim-be faratampony ny firenena afrikanina ary hanaony sonia ny handraisan'i madagasikara ny fivorina lehibe @ taona 2009. Maro moa ny zavatra ho dinihina any toy ny fandriam-pahalemana sy ny fahatrana mihatra @ i afrika ary indrindra ny disadisa misy any zimbaboe.

jereo koa eto

 

Hevitra

Comment Icon Espagna hasta siempre

oooooooooolééééééééééé

viva espagna zany...Avelao kosa azony zareo e! efa ela zay

Posted by: Mitia at 2008/07/02, 16:55
Comment Icon

:)

Posted by: simp at 2008/06/30, 22:46
Comment Icon

Miandry ny tohiny e!

Posted by: news2dago at 2008/06/30, 14:50
Comment Icon
Dia arahabaina izany ny espaniolina e. Liana koa ny mpanara-baovao handre ny voan-dalana entin'ny filoha avy any amin' ny fivoriana faran-tampony ao amin' ny firaisambe afrikana.
Posted by: lehilahytsyresy at 2008/06/30, 10:50
Comment Icon

Eviva Espana !!!!

Posted by: ikalamako at 2008/06/30, 10:47
 
Atolotry ny Blaogy.com sy Lifetype