Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Lasan'ny espana ny amboara! | Main | Fandidina fo ho takatrin'ny mahantra ve? »
Tena mampalahelo no mahita ny sarin'ilay zaza kambana ary tena nikambana tokoa ny kibony. Sambany hono ny hanao izao fandidina izao ny ao @ HJRA ary mety ho voalohany eto afrika ihany koa anefa. Marihiny fa ny fanjakana malagasy no handray an-tanana ny lany @ io fandidina io. Dia mirary soa sy fahasalamana ho azy roalahy isika mpiblaogy ary mahatsiaro azy am-bavaka ihany koa ka izay mahasoa ataon'Andriamanitra.
Lasa ambasadaoro any soisa kosa ingahy Rajemison! ary tonga dia tsy maintsy miasa zao dia izao hono raha mba nikasa ny hamarana ny fivorim-be ny senatera h@ farany ny tenany izay hifarana @ zoma izao. Mahagaga ihany ilay fihetsikin'ny minisitera ny raharaham-bahiny izay sady mpihay ny ambasadaoro no maniraka azy koa.
Mpanazatra alemana indray hono no hafarana hanazatra ny barea eo @ lafiny baolina fandaka!
ikalamako => hitako e! misaotra efa namela hafatra ao ihany koa a
news2dago tsindrio io hoe "jereo eto" io fa mitondra anao any @ blog Diana io. Na koa :
http://dianachamia.wordpress.com/
ikalamako => aiza no jerena fa tena tsy hitako anie e
jereo eto
ny momba an'i Kamba, taorian'ny fandidiana tamin'ny zoma lasa teo, tao amin'ny HJRA ihany. Isaorana indrindra ny Avo, ireo mpitsabo ary ireo tsara fo nanampy sy nikarakara, fa tsy zava-mora ny niatrehana izao, nefa dia mahavelombolo.
Mitia => tsy maintsy misy kely oh izao foana ny fiainana e! misaotra @ fitondrana am-bavaka!
nahoana kosa ary no mitranga ny zft ohatr'izao? Tena tsy azoko mihitsy ty fisosan'ny fiainan'ny olombelona ty? Marina e! midika koa anie zany fa na iza na iza @vehivay mety ho tratrin'io e! Ampio re ry Tompo izy syny fianakaviany mba ho tafiaorina soamantsara.
Ikalakely => misaotra e!
pissoa sy rajiosy => nareo ireto an!!!lol
Ndrô!tsy misy zavatra mahaontsa nohon'ny zaza marary sy kamboty angamba eto an-tany re olona!
Mivavaka mafy ho an'izy roalahy kely mba ahazo hery sy ahazaka soamantsara ny fandidiana
Mivavaka koa ho an'ireo dokotera mpitsabo rehetra handray tànana azy mba ahavita soa ny fikasana.
Amin'itony resaka itony moa , azo atao hoe sorona ihany ny voalohany kanefa dia fandrosoana lehibe na ho an'ny fitsaboana na ho an'ny fisainana malagasy ny fandraisana an-tànana fandidiana zaza 'mikambana'.
Rajiosy : ha ha ha !
eto izany tsy arahana ilay hoe "aza sarahanareo izay nakamban'andriamanitra"
Pissoa => mety efa nisy tokoa fa tsy nalaza be ohatran'ity e!
Toa efa nisy nandidy siamois tany Madagasikara raha tsy diso aho ka ... aleo aloha hanontaniako kely indray hi hi hi
Mirary fahasalamana ho azy roa lahy.
lehilahytsyresy => tsy misy fisaorana fa tena tohina ny fo e! de naleo nampitaina ny vaovao! enga anie ka hahomby ny fandidina!
Dia misaotra an'i News2Dago tokoa tamin' ny fampitana ity vaovao mikasika ny fandidiana fanasarahana ny vatan’ireo zazakely miraikitra kibo ireo ( Mahagaga sy i Mahalatsa ).
Mino aho fa tsy ho latsa-danja noho ny any an-tany hafa akory ny fahaiza-manao izay hampiharin'ireo mpitsabo mpandidy Malagasy amin' ity fanamby goavana ity.
Ikalamako => Misaotra fa mbola afaka nitsabo isika e!
lalina ny fiainana ! reny navelam-bady toa ny renin'i Kamba (Kamba koa dia kambana mianadahy) ihany koa ny renin'izy mirahalahy kambana ireto.
ao @ lahatsoratr'i lehilahytsyresy etsy ambanimbany etsy no misy sarin'ireo zaza ireo.
Mampalahelo be. Mirary soa indrindra fa tsorina fa tena mampitaintaina ny miaina zavatra toa izao raha ny expérience (doty) azo tamin'ny Kamba kely. Nefa dia mila optimisme (re-doty) be.
Mino aho fa mba omen'i lehilahytsyresy vaovao miandalana eny isika satria toa confrère-ny (doty fôna fôna)no nahalalany azy io.
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |