Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Kambana mirahalahy "Siamois" ho sarahana! | Main | Lehilahy mitondra vohaka!!! »
Mirentirenty an-gazety ary saika matoatenim-baovao mihitsy ny nahavitan'ny clinique mahaleon-tena iray ny fandidina sy ny fanokafana fo, ary anisan'ny lehibe sy arifomba, indrindra eto madagasikara. Ny ezaka vita eo fisaboana aloa dia tsy asiko teny sy tsikera kely eto fa ny sarany sy ny vola ho lany ho an'ireo marary kosa no mba tiako tsindrina kely oe ho araka ve? satria mantsy efa mba be be ihany izany olona henoko niresaka oe tena tsy an-jaza ny mitsabo tena ao @ io clinique iray io satria dia volabe tokoa ny aloa ao rehefa ho didina! misy ary ny sasany toa tena nanaovana cabaret mihitsy hitadiavana vola handoavana ny saram-pitsabona satria tany @ 180.000.000 Fmg tany hono!!! no saran'ilay fandidina. Etsy an-danin'izay dia malaza koa ny feo mandeha oe rehefa misy mamangy ny marary dia mbola mandoa vola ihany koa ilay marary satria ireo mpamangy dia ampanaovina akanjo manokana mihitsy toy izany ny aro tanana sy ny aro tongotra ary aro vava!!! ny tena aloa mbola tsy nahita fa resaka mandeha no tanterina eto ka anjarantsika izay efa nandalo tao no manamafy na mandiso io tantitra henoko io.
Tsy mbola azo atao kosa ny fanasarahana ilay kambana "siamois" fa mbola osa ny fahasalamany @ izao fotoana izao! satria dia tsy ampy lanja ireo zaza ireo izy roa mitambatra no 3Kg mahery kely ka sarotra ny hanao ny fandidina ary mety hatahorana ny manao ilay fandidina raha tsy salama tsara ireo zaza. Na eo aza izany dia mirary fahasalamana ho azy isika.
Manomboka kosa ny Braderie ary efa tena zatra an'io moa ny mpijery sy ny mpanjifa ka dia mahasarika olona foana izy ity na dia atenatenam-potoana be aza. Asa na hisy fihenam-bidy ihany ny entana amidy ao na tsia? Ny azo antoka aloa dia ny mpisam no tsy maintsy hahazo laka ao satria be olona mivezivezy, tsy hanavahana moa io asa io fa t@ andihany farany teo ohatra dia zatovovavy 3 be izao no tratra tao.
I Noel Rakotondramboa kosa no voafidy ho prezida lefitra eo anivon'ny antenimeran-doholona izy moa dia tsiahivina fa nisolo ny toeran'iRajemison izay lasa ambasadaoro ao @ onu sy any soisa.
Itoviako hevitra ny namana rehetra eo ambony ireo...
Izay mahakolokolo no manana ny soa... mila fitaizan-tena ny fahasalamana ka aleo misoroka toy izay mitsabo...
Vahaolana tsara ary mahomby ny assurance maladie...
Izaho mahalala manokana io toeram-pitsaboana io fa raha sery sy kohoka sy tazo, aretina ankapobeny no entina ao dia tena lafo dia lafo... fa raha aretina manokana ary mila fandidiana na haitao sy tsara fitsaboana haingana dia MORA...
Izy irery no toerana mahavita ireo karazam-pitsaboana avo lenta ireo ary rehefa hatao ny fampitahana dia latsaka 4 na 5 heny amin'ny fandidiana na aiza na aiza maneran-tany ny sandany ao no sady Malagasy no ankamaroan'ny mpitsabo nefa tena amin'ny fomba manaram-penitra avokoa... ka sery vitan'anamalaho ve hamonoana vatotr'akoho?
ikalamako: ny valala bemandry aloha dia tsy hahatakatra! indrisy mantsy :(((
@ity smic à 300 000 sa 400 000.
Nefa raha misy ny hoenti-manana ry zareo aleo ihany manao assurance maladie.
Hitako t@dadanay marary tsinona. Izy mpiasam-panjakana dia évidemment remboursé daholo ny azy, nefa misy dépensese majinijinika rehefa akambana betsaka ihany tsy ho afaka angatahana remboursement.
Fa raha hoe olon-tsotra izany dia efa lasan-korazana angamba satria gravy be ny sarany.
Ikalakely => de mety bradé koa ny fitsabona lol zay vao loza! ny zavatra tsara hn toa vidina lafo anie, tsy hita intsony izy ity e! samy mizaka ny anjarany avy ny tsirairay
Enga anie ahazo poids izany aloha ry kambana kely dia ahatanty ilay fandidiana, ary enga anie tsy ho lafo be fa tena tsy hisy tokontaniny intsony ny fiainana raha izany!
Tsy misy braderie angah ny fitsaboana? (sangy e!)
maintikely => Misaotra @ torohevitra e! ho dinihina tokoa io satria ny tena tsy maina fa lena milola lanitra tsy maintsy lena ary mandia tany tsy maintsy solafaka (marary ohatra)
Ikalamako => tena marina tsy misy anampiana ny hevirao! mbola mahantra e!
falitiana00 => misaotra @ ilay voninkazo e!
salut twa§
(Tsara be ny bloginao! fa za tsy dia pitsika ato dia mialatsiny fa ela be vao mamaly é)
Valiny lahatsoratra<
Aleo misoroka toa izay mitsabo é! Mivavà mafy mba tsy harary ny tena.*
maintikely = indrisy any Madagasikara ve akia mba afaka hanao izany assurance maladie izany ve ny valalabemandry ? Zah efa nandany ny 30 andron'ny vacances-ko tany Dago t@ 2003 nitsabo an'i mamanay, fa tena koditra aho mahita ny fandehan'ny hopitaly any amintsika. Ary mbola io iainana miaraka amin'i Kamba io izao, kanefa dia izay no fiainana any, akory atao !
Misy décalage (doty) be ny zavamisy any sy aty ivelany, fa ny mazava dia rehefa misy ny vola - na dia ny ividianana ny fanafody sy ny seringue sy ny coton sy ny sparadrap...(j'en passe) eny amin'ny hopitalim-panjakana - dia misy fanantenana ny fahasitrananao. I prof Clément sy ny ekipany nanao ny adidiny amin'ny maha-dokotera-mpanjakana azy ireo, tsy naka vola izy fa ny vola azo tamin'ny fanampiana - efa nataon'i Jean mazava be io - dia nilaina nividianana ny fanafody sy ny kojakoja rehetra hiatrehana ny fandidiana. Saingy raha nisy fahasarotany dia voatery nentina teny @ hopitaly ary fomba tsy miankina amin'ny fanjakana, ka tonga dia 20.000.000 FMG be izao ny sarany (misaotra an'An/tra vita soa tao @ HJRA ilay izy).
miaraka @vava miteny
manaova assurance maladie.
Raha andoha 180 000 000@zao vitsy ny gasy hahatakatra izany. Fa ny fanafodiny dia ny maka assurance maladie. Conseil d'amie ny ahy. Mety ho lafolafo kely nefa aleo misoroka toy izay mitsabo.
Aty solde fa tsy braderie :)))
Mirary soa ho an'ireo kambana sy i kamba
ikalamako => Tsy hita intsony e! vidina lafo ny fahasalamana ankehitriny!
"être malade à Madagascar c'est un luxe" (doty be manadala) fa izay no azo amehezana azy angamba ry news2dago. Tsy izay marary andriana intsony izao marina mafy e !
Mirary soa hatrany ho an'i Mahagaga sy Mahalatsa.
| « | Oktobra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||