Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Fandidina fo ho takatrin'ny mahantra ve? | Main | Enimbolana niasana nisy asa vita ve? »
Tena mba nanaitra ahy ity vaovao hitako t@ fahitalavitra vahiny iray androany maraina ary hamafisin'ireo mpilaza vaovao an-tsoratra marobe any ivelany any! tsy fahita firy moa izy ity ka izay no mba nanoratako azy eto sy mba zaraiko anareo izay mbola tsy naheno ilay vaovao. Ny vehivavy ihany mantsy no mitondra vohaka sy bevoka izany fa ity kosa dia lehilahy no mitondra izany ary tena misy kibo mihitsy kanefa tsy misy nono fa dia tratran-dehilahy be no sady koa misy volom-bava ranamana!!!
Ny vaovao eto amintsika kosa dia ny fahatongavan'ny prezida avy any ejipta no malaza aloa "avy any @ tany masina mantsy hono izy ka dia lehibe tokoa ny finonay" hoy izy tetsy ivato! voatatitra tokoa mantsy fa nitsidika ny tendrombohitr'i sinay izy. Io ilay tendrombohitra manan-tantara eo @ kristianina sy ny zanak'israely. Ka dia tsy maintsy atao izay hampitolagaga ireo vahiny manakaja ho avy aty fa mahavita azy ny malagasy.
Mety hanao fanintsina ny governemanta kosa ny mpitondra ato ato ka ireo minisitra nijanona ela t@ toerany no mila ovaina toerana! etsy an-danin'izay kosa dia miandry ny taratasy manendry azy ho ambasadaoro any algerie kosa ingahy Mahafaritsy Samuel ampodina kosa izany i Vola Dieudonné Razafindramiandra izay tompon'ny toerana h@ izao fotoana izao.
Ilay ravalo ity oa mampme mihitsy: masina daholo ity raha rehetra ity: imerinkasinina, i sinaï(tsy laviko aloha)
ie ilay lehilahy io viavy transexuelle dia kay bevohoka (misy raha la tera)
fa tsy efa imbetsaka niova ve ny gvt sa za no tsy naharaka? Raha mba hanova zavatra moa ka aninona
Rajiosy => enao mapime an!
Pissoa => za ko de manotany tena mihitsy ry pissoa oe hatraiza no iafaran'izy ity
Mitia => Tena efa mivadika ny blaogy e! lol
Misy raha la terra, ozy ny gasy matetika;
>Rajiosy, mampime be...fa ahoana no ataoanao, clown be enao
Rajiosy ity mahita tenenina mihitsy ka ! ha ha ha.
Fa ravalo ve amin'izao mbola tsy kopy ihany hoe toa tsy mandaitra intsony ilay resa-pinoana ampiasaina amin'ny tsssss e lol
ilay kôfiboay bevohoka io anie ka vehivavy no niantombohany dia nanao traitement hormones haha-lahy zy. dia angamba ny nonony no lasana fa ny maha-vavy sy ny tranon-jaza izany mbola nijanona ! izany hoe kiriko be aho dia tsy nihaino hatramin'ny farany an'ilay fanazavana (euh fanamaizinana ?)
Ra8 tany @ tendrombohitra masina : sérieux be raprezy fa tsy tapa-Sinaï ozy ny mpanatrika !!!!
Ikalamako => tsy hay intsony oa!!! Lol
tsy hahavita ny vitan'ny vehivavy kosa aloa na anao inona na inona
mivadika ve ny glôby ???
| « | Aogositra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | ||||
| 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 | 10 |
| 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 | 17 |
| 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 | 24 |
| 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 | 31 |