Enimbolana niasana nisy asa vita ve?

Posted by news2dago on 07 Jolay, 2008 10:34

Miova andriana hono miova sata ary tokony hiova ny fomba fiasa! dradradraina moa t@ ny fampielezan-kevitra oe tsy nahavita azy rafaly nadritra ny 8 volana kanefa izao toa ny asa vitany rehetra aza noravaina avokoa. Rava ny zaridaina tetsy @ 13 mai, ny tetsy antanimbarinandriana ary ny tetsy andohalo. Lazaina moa fa tonga ny asa dia atomboka nony injay simba ny zavatra tsy misy vola akory kay eny an-tanana. Mahagaga mihitsy ny zavamisy ankehitriny eo @ fitantanana ny tanana ary alaim-panahy aza ny tena hiteny oe sao mba lolom-po kosa no mimbahana ao an-tsaina! ka andrava ny efa vita no tena tanjona sy hamafa ny dian-tanan'ny teo aloha.

Voalaza mantsy t@ fotoan'andro fa voasakan-tsakana ny asa ny Injet sy ny Domapub mety misy angamba izany @ izao dia lasan'ny Injet avokoa ny dokam-barotra ao @ fivondronana nitombo isa ny isan'ny takelaby vaventy ary saika feno ny dokam-barotra ataon'ny Telma ny andrin'ny tsatokana telephone  zay mazava ho azy fa ny orinasa Injet no nanao azy!

Ny tiako antongavana dia ny oe! mahagaga raha tsy ho tia tena ny olona satria ny azy ihany aloa no mahamaika fa ny mpifidy sy ny vahoaka ambin-javatra hatrany. Izao manjaka ny gaboraraka tsy laizan intsony ny mpivarotra mivarotra eny @ izay tiany hivarotana ary tena saika ny lalana rehetra dia feno mpivarotra avokoa! tsy voafehy akory izany izireo aiza anefa ny tena nomena t@ fampielezan-kevitra! 

Etsy an-danin'izay dia hita fa atao izay hizaran'ny olona ny loko ny antoko TGV satria dia nolokoina manga sy loranjy ny gradin toy izany avokoa ny lokon'ny akanjon'ny mpiasan'ny fivondronana! inona no tena tanjony @ izao isika no aoka hieritreritra! Miala tsiny @ ireo izay mety ho tafitohina aloa fa izao dia ampy hitarafana ny toetran'ity ben'ny tanana vaovao ity oe! mitovy tsy misy valaka @ ingahy prezida ihany izy fa tsy hafa akory.

Vaovao hafa kosa dia natao tao avaratr'andohalo ny zoma lasa teo ny fahatsiarovana ny nahafatesan'i Dawily ilay mpanao tantara malaza fahiny tao @ radio madagasikara. Mitoetra hatrany moa ny tantara nolalaoviny hatramin'izay satria dia nahalina ny mpihaino ny manaraka ny tantara t@ radio fahiny.

Nanomboka androany kosa ny fanadinana BEPC ka mirary soa an'ireo zandry kely lahy sy vavay nanala io fanadinana io izahay tsara andro moa ry zareo satria dia antonony tsara ny marim-pana teto iarivo androany.

Jereo koa eto 

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Enimbolana niasana nisy asa vita ve?

news2dago | 11/07/2008, 09:37

news2dago

Rajiosy => tsy hita intsony izay ity e! samy minjinja ny nafafiny io lol

Re: Enimbolana niasana nisy asa vita ve?

Rajiosy | 10/07/2008, 22:15

tsy maninona izay asa tsy vita fa rehefa maderadera ny serasera dia izay no izy araka ny fomba fanao politika ankehitriny. jereo Obama any @ bekintana.

araka ny fanazavana nomen'i jentilisa talohan'ny fifidianana ben'ny tànana dia Injet no manana ny monopole @ dokam-barotra ao Antananarivo satria mpihavana izy mbamin-dry Lalatiana Ravololomanana nitantana ny tànana fony faha-Razanamasy. Io monopole io no tian'y tropin-draprezy hozongozonina kanefa tsy nahomby fa vao maika aza lany nedala.

ka rehefa lany volabe t@ propagandy dia izao manonitra izao izany ingahibekelin'ny tanàna.

izay no nataoko hoe mbola tsy lasa aza i Radama III ve dia hiditra Radama IV fa ianareo ao Iarivo no tena adala :-))

ny anay aty Frantsa moa tsy mifankaiza amin'izany fa olona foka tanteraka no lany prezedà. ka dia akory atao fa tonga angamba ny fara-andro e !!!

Re: Enimbolana niasana nisy asa vita ve?

Prime | 10/07/2008, 09:39

Manahy aho fa mitady hianjera amin'ny fialonana no iaingan'ny fijerin'i news fa tsy madio...

Fa raha naloto ny fomba fitantanana ny tanàna teo aloha inona no zava-misy ankehitriny?

Raha tsy nazava ny fidiram-bolan'ny tanàna fa niandry an'Ingahy Prezidà foana, mahaleo-tena sy madio ankehitriny sa mbola eo ambany vahoa?

Na atao avokoa aza ny faminganana rehetra ankehitriny, voasakana ve ny fandrosoan'ny tanàna?

Aoka kosa e...

Re: Enimbolana niasana nisy asa vita ve?

DotMG | 08/07/2008, 08:18

news2dago> Izaho indray tamin'izy vao lany no tena nanahy mafy, sady noheveriko ho ny programan'asany mihitsy no ratsy. Tsy laharam-pahamehana, araka ny hevitro, ny fotodrafitrasa iriany hatsangana toy ny ao Andohalo na ny Hotel de ville aza, fa ny fahadiovan'ny tanàna, ny fifehezana ny rano fisotro madio mba tsy ho verivery foana sy hanakaiky ny vahoaka, ny fifehezana ny fiakaran'ny rano amin'ny andro fahavaratra, ny filaminana isam-pokontany, ny fifehezana ny embouteillage, ireo no hitako tena mila ilofosana kokoa.

Re: Enimbolana niasana nisy asa vita ve?

news2dago | 07/07/2008, 16:50

news2dago

DotMG => manahy mafy a oe tsy mahavita azy le zalahy io!lol

Re: Enimbolana niasana nisy asa vita ve?

DotMG | 07/07/2008, 12:24

Raha enimbolana kosa no itsarana azy, ka ireo fotodrafitrasa lehibe toy ilay kinasa ao Andohalo na Hotel de Ville no antenainao dia mila voatsiary ihany izany, fa tokony amin'ny asa kelikely tokony ho vitany tamin'ny telo volana aloha no jerena: voafehy ve ny fako, madio ve ny tanàna, mihaingo ve ny tanàna, nihatsara ve ny tahan'ny fokontany manana rano fisotro madio, nihatsara ve ny fidiram-bolan'ny kaominina sa mbola lavaka be toy izay nodradradradraina?

Raha vahinin'ny fandaharana tao amin'ny TV Plus ingahy Ben'ny Tanàna dia nanome fe-potoana hoe septambra 2008 momba izao fotodrafitrasa ao Andohalo izao, mba tsy matotra kosa angamba?

Re: Enimbolana niasana nisy asa vita ve?

DotMG | 07/07/2008, 12:12

Miasa izy fa ianao no minia tsy mahita, na samy manana ny famaritany ny atao hoe asa. Ao amin'ny hevitrao ihany no valiny:

1) miara-miasa ny Telma sy ny Commune, nisy ny podium, ...
2) Nahazo loko vaovao Iarivo, (entre-pa: hitan'i news2dago ve ny aro-fanina eo Analakely? Lokona TGV koa izany an)
3) Nampitoviana amin'i Hollywood Iarivo, ilay soratra be ANTANANARIVO no tiako holazaina.
4) Resaka sérieux amin'izay: mba nanao lalan-kely kosa aloha nedala e: Analakely, Ankadindramamy, Ambanidia no falehako fa voatampintampina jiaby ny trottoir. Voakarakara daholo hono ny trottoir hoy ny vaovao fa tsy haiko loatra ny faritra hafa. Ah, ingahy ihany koa no nitatitra voalohany ny momba ny carreaux natao tamin'ny tonelina, saika tsara ilay hevitra fa ilay rano mitsiaka sy ny halatra no indro keliny.

Momba ny resaka hoe disadisa eo amin'ny fitondrana foibe sy ny Commune: Aoka tsy hohadinoina fa Ra8 izy tenany no isan'ny nanome ny vola hanaovana ny Hotel de Ville. Midika zavatra lehibe izay.