Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Enimbolana niasana nisy asa vita ve? | Main | Mahamenatra ve ny tsy fahaizana teny vahiny? »
Hatairana ny naheno ity feo nandeha androany maraina t@ nahenoiko radio iray teto andrenivohitra oe maty hono i ndoundoulah!!! ilay mpihira malaza tsy izy ovina @ isika @ izao fotoana izao satria dia ao anatin'ny lazany tokoa ankehitriny indrindra eo @ gadon-kira mihetsika! kay tsy izy akory no lasa fa ny rainy. Koa dia mirary fihononana ho an'ny fianankavina isika mpiblaogy.
Misy mikasa hifofo kosa ny ain'ny filoham-pirenena ankehitriny ka dia nohamafisina izay tsy izy ny fiarovana azy! voamarika izany t@ matso lehibe teo mahamasina fa dia tena mirongo fiadiana mahery vaika avokoa ireo mpiambina. Sihon-dresaka moa no heno oe olona any ivelany any no mikasa hanao ny asa ratsy ka mila mailo hatrany ny tenany. Tsy mahagaga moa izany satria dia efa azo porofo izao fa misy ny solika eto madagasikara. Ka azo antoka fa ny firenena vaventy ihany no mikasa hisompatra an-dramalagasy.
Ampandoavina vola ihany izany ireo fiara miantsona eny antaninarenina ary ny CUA no misahana ny fikirakirana ny vola azo avy @izany!!! marihina anefa fa notsikeraina izay tsy izy ny fomba fiasan'ny teo aloha ny @ ireo fiara niatsona tetsy analakely t@ fotoan'andro. Mivadibadin-dela foana izany ny mpitondra ny tanana ankehitriny. Tsy mahagaga izany satria vao mianadraharaha ry zareo no sady ny akamaron'ireo lohadohany ao @ CUA dia efa fantatra t@ laza ratsy fahiny. hangarahara ary ve ny fitantanana sa mbola hokobonina toy ny teo aloa ihany ny vola ampiasaina ao?
news2dago : voan'ny kdaombtah indray elah, looool : "Aza ampijaliana hoy aho ny tenintsika" :-P
Kdomba => misaotra betsaka e! lol
Aza mandainga kosa ra-news a. Matoa nesorin'Antananarivo dia misy antony ka rehefa tsy izy intsony dia aza mandainga fa toy ny fialonana sisa...
Raha misy ny mpivadi-dela dia aoka ny teo aloha no handini-tena... raha nisy ny fanodikondinam-bola dia aoka ny teo aloha no handini-tena... raha misy ny fianara-draharaha dia aoka ny teo aloha no handini-tena... aleo hanao aloha ny mahavita azy...
ikalamako => eny tompoko voaray ny hafatra e
kiiii ry news2dago kosa nama a ! Ary mba ataovy matevina le soratra hoe "kay tsy izy akory no lasa fa ny rainy" fa hay ve nisy tohiny ilay fehezanteny fa ny ahy ny lohateny no hitako dia tonga aho dia nandeha nanoratra hevitra satria nahita hoe HONO. Nareo rangahy aza mampivadi-po fa inona ary ity.
Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany e !
Maintikely => ko raha tsy lalan-drà plastika ko! lol
misaotra nitsidika e
za efa saika tapaka ny lalandrà-ko hoe fa naninona
tsssssssss
Ravatorano => ny dadan'i ndoundoulah no maty fa tsy ilay mpihira akory e!
Lalasoa => izay mihitsy ilay izy e! manao parade e!lol
Ikalamako => ka tena resaka nande no nisy e!
za koa ry ikamamako dia mba te hi konfirm an izany vaovao mapalaelo izany an !
mba niezaka niantso ihany aho izay olona akama be mahalala an i ra ndondo fa toa tsisy mandray phone zareo d nivadika msgrie vokal ilay izy ka asa aloha fa mino aho fa i news2dago tsy hisomonga amin'izany e
hono ve sa tena izy e ? mba omeo sopapa nama fa toa tsy mampino izany vaovao mbola misy hono zany kle !
Resaka fiarovana sy matso: fisintonana attention no betsaka! Lasa vazaha misolo vazaha hoy ny Ntaolo!
Masiaka aho androany hoy ny horoscope-ko! :-)
Mirary fiononana ho an'ny tapaka sy namana mana-manjo!
(Fa angaha nom de famille ny Ndoundoulah?)
| « | Oktobra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||