Mahamenatra ve ny tsy fahaizana teny vahiny?
Tena vaka ny saiko nahita ireo matoan-dahatsoratra an-gazety mivoaka isan'andro milazalaza ny fiverenan'ny fanagasina indray any @ ireo sekoly ambaratonga fototra. Ny tena moa niaina mihitsy t@ izany andron'ny fanagasina izany kanefa toa mba nahavita fianarana ihany taty aorina, koa tsy dia hitako laotra izay mahalasa resabe azy ity ankehitriny. Ny tena marina dia hitsikerana hatrany ny fomba hitondran'ny mpitondra ankehitriny izy ity ka lasa resaka politika hatrany. Toy ny oe potika ny ankizy malagasy @ fanagasina sy ny sisa. Amiko manokana dia lasa anavahana ny toerana misy eo @ fiarahamonina ny resaka fanagasina ankehitriny satria mahantra ara-toetsaina ny malagasy ka lasa tsy tia ny azy intsony.
Menatra mantsy ny malagasy raha tsy mahafehy ny teny vahiny indrindra raha mandiso ny rafitra sy ny fitsipika @ io teny io noho ny mandiso ny fitsipika sasany @ fanoratana ny teny malagasy. Izaho zao dia anisany faly mihitsy mahita ireo namana mpiblaogy namana manitsy hatrany ny tsipelina disoiko eto @ ity blaogy ity midika izany fa mbola misy ihany ireo tia ny teny malagasy ka sarotiny @ izy io. Indrisy anefa fa marary io teny io ankehitriny satria dia atao ankilabao, tsy mahagaga raha ho simba io afaka taona vitsy ao aoriana ao.
Saika lasa adim-poko kosa ny disadisa ny mpianatra tao Barikadimy Toamasina. Soa ihany fa niravina ihany ny ady teo @ ireo zanak'avaratra sy ny zanak'i Toliara tao aorinan'ny fanelanelanana nataon'ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana. Ny mahalasa saina kely fotsiny dia azon'ireo indray ity maka maka takalon'aina ity ary saika nodoran'izy ireo t@ lasantsy moa ilay azo takalon'aina!!! dia ny olona toy ireny ve dia mba mendrika ny hahazo diplaoma sy hanana ny toerana eo @ fiara-monina. Sao dia mba tokony ho sazina mafy kosa fa tsy any Iraka na any Gaza akory eto Madagasikara.
Vita soamatsara kosa ny fanadinana BEPC ary nilamina ny fizotran'ny fanadinana @ akapobeany. @ 28 jiolay kosa ireo zokiny no hanala ny BAC! koa mirary soa sy fahombiazana hatrany ho an'ireo zandry kely ireo ny tena. Maniry kosa anefa fa mba tsy ho simba ny fankana an-keriny rehefa tonga eny @ anjely manontolo fa mba hianatra, hianatra tsara, hianatra mafy...LOL ianareo no tompon'ny taona 2000! eee fahiny tokoa izany.
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Mahamenatra ve ny tsy fahaizana teny vahiny?
news2dago | 11/07/2008, 09:32
Re: Mahamenatra ve ny tsy fahaizana teny vahiny?
simp | 11/07/2008, 01:58
Tsy hoe fitia te hiaro ny fitondrana akory fa hitako hoe mety kokoa ny mampianatra ny ankizy any ambanivohitra @ teny gasy noho ilay forcer-na hatao teny frantsay hatrany amboalohany eee.
Ny any andrenivohitra indray noho ilay hoe misy tele sy otr'zany dia otran'ny tsy adapte loatra ilay teny gasy kanefa raha hoe 5 taona fotsiny no atao otr'zay tsy dia hanimba be azy ireo hoy aho... satria hahay teny frantsay hoazy ihany zareo na dia tsy atao any ampianarana aza iny :)
Re: Mahamenatra ve ny tsy fahaizana teny vahiny?
ikalakely | 10/07/2008, 18:59
Izaho angamba no tsy mahay fa sady tsy mahay ny atsy aho ny tsy mahay ny aroa!!!
Ataoko fa io no tena naharatsy ny fanagasiana tany am-pianarana tany!
Re: Mahamenatra ve ny tsy fahaizana teny vahiny?
news2dago | 10/07/2008, 15:00
ikalamako => zany an! andraso fa scanner-ko mihitsy ny gazety ra afaka enao e!lol mirary soa
Re: Mahamenatra ve ny tsy fahaizana teny vahiny?
ikalamako | 10/07/2008, 13:36
Baikom-pitolomana io ry lehilahytsyresy an ! Aoka fotsiny.
Mba jerijereo ao amin'ny valimpanadinana ao ange ny anaran'ikalamakso ry news2dago rehefa mivoaka a ! :-P
Re: Mahamenatra ve ny tsy fahaizana teny vahiny?
news2dago | 10/07/2008, 13:21
lehilahytsyresy => Tompony mangataka atiny e!lol
Re: Mahamenatra ve ny tsy fahaizana teny vahiny?
lehilahytsyresy | 10/07/2008, 12:07
"Ankizy ankehitrio, tompon' ny taona 2000 ! ".
...hihihi...
Fahiny tokoa izany slogan izany dia nalaza tokoa. Mbola tsaroako tsara.
Tena tompon' ny taona 2000 tokoa ve isika izao ?


Ikalakely => zay enao zay!! hoy ny tanora
Simp => Tsy misy resaka miaro sy tsy miaro io ry simp fa rehefa mahasoa ny taranaka dia aleo arahana sa ahn? LOL