Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Fandrindram-piterahana mety hahomby ve? | Main | Mampatahotra ny lozam-pifamoivoizana! »
Tsy misy hetsika afatsy fanentanana ny ankizy mpanala BAC hanala azy ankehitriny ao @ onjam-peo sy ny fahitalavitra. Izany no tena oe tsy mivoaka ny ala akory dia efa misihoka. Asa zao raha mba hifantoka tsara @ fanadinana ireto ankizy mpianatra ireto na tsia fa dia tena mahonena ny maheno ireo dokam-barotra. Eo ohatra ny manala azy vita bac miaraka @ Olombelona Ricky iray izay, ny faharoa dia ny dihy techtonik mandramaraina, ny fahatelo dia ny smile party eny ankorondrano, ary farany dia Tovo jhay. Ny mahalasa ny saiko fotsiny dia ny oe fa heverin-dry zalahy manambola be ary ireto ankizy cibler-ny ireto!!! sady avy eo dia hanaonao foana any satria hivoaka alina koa, misy azy ny raiamandreny raha mba afaka moa maninona fa raha sanatria tsy afaka no tena voa mafy. Tokony mba hieritreritra ihany ny mpikarakara lanonana fa diso tia tena loatra.
Manaraka izay dia nodimandry t@ alahady 20 jiolay teo i Rabenahy Paul izy moa dia mpampianatra physique chimie no sady maitre de conférence eny ankatso tao @ sampana science, ary nampianatra tao @ acem. Mety misy mahafantatra azy ihany ny akamaron'ny mpianatra nanao cours tao @ Acem. Mirary fiononana feno ho an'ny fianankavina isika.
Marary mafy eny @ réanimation eny Ilafy kosa ny filoha ny Leader Fanilo Herizo Razafimahaleo. Avy nodidina moa ny lehilahy ka tsy nahatsiaro tena intsona na oe etat comateux izy izany ankehitriny. Ity vaovao ity moa dia navokan'ny gazety mpiseho isan'andro iray eto madagasikara.
Mbola mahalasa saina ihany koa ireo zavatra boribory maro hita tao Manakara. Ary lasa resaka be mihitsy ao @ radio sy ny tele satria dia ny mponina no nahia ireo zavatra ireo. Ny filoha moa dia niteny oe misy manao trafika na fitaovam-piadina eto. efa misy mafia zany eto amintsika ka ahina ny fifandonana @ fisamborana ireo atidoha manao io trafika io.
.
News > zah mahafantatra mpianatra maro tsy mba voasarik'ireny. Bet-saka ny ankizy malagasy no efa tompon'andraikitra amin'ny fiainany tsara.
Zah ohatra dia tsy mbola nijery an'izany "vita vita bakanareo zany hatr@ 'ze niainako hihihi :-)". Asa ... mety tsy nanam-bola hatao fidirana koa aloha zahay e :-P.
Sady izao e : tsy ampahafirin'ny "fakam-panahy" (raha izay ho handraisana azy) mbola hosedrainy io ka aleo ny ankiizy no hisafidy. Aiza izany hoe : rehefa hitokan-trano eny @ cité Université ... any misy boom sy boraingy foana isak'asabotsy, ary isaky ny mivoaka ny "bourse". Ny ditra hafa izay maka fanahy moa efa tsy tenenina tsony :-) : ny filalaovana fitiavana, ny rongony, sns.
Lol, ka mety mba hamonoana eritreritra koa ange amin'ny fiandrasana ny valim-panadinana e. Zaho aloha mba natahotra fanadinana ihany fa ilay rehefa miandry valiny koa vao tena mampahia !
Simp => zay enao zay za alo tsy rapasy na damopra zany e!
Maintikely => tena generation-ko ndry raha izany! ary mety efa hitako mihitsy angamba.
zay tsy tanora taminareo no aoka hitoraka azy ireo? :)
sao d mopera/pasitera aloha i news2dago e?
zavatra zaza mialasakana kosa ve dia hanaovana zistoira be otr'zany. Enplus, tsy mampiova ny donne @ fanaovana bac mintsy ny manala azy avy eo... ra tsy hoe zaza tsy te ho afaka nga no tanjona :)
marina hoe. Nampianatra anà i rabenahy paul! fa maty naninona? Izy aloha efa ela no narary! ndryyyyyy mampalahelo
mirary fiononana ho an'ny fianakaviany.
mirary soa ho an'i herizo razafimahaleo
momba ny bac. Nenay t@zany, tsy antomotra ohatr'izao akory fa efa telo volana mialoha no efa fantatra hoe any @ricky no mihaona rehefa vita ny bac.
Matetika koa anie tsy dia ny mpanala bac akory aza no betsaka @reny e! raha mijery ricky enao tonga dia be olona efa génération talohaloha ireo tia ricky rehetra.
za t@ tany mada mijery foana rehefa misy ny manala azy na efa afaka bac aza ...
lehilahytsyresy => izay tokoa angaha ilay fivoarana
Tokinao => Mora rebirebena foana @ maha mbola zaza azy e
Misaotra news a :).
Momba ilay fampisehoana maro be : sedra daholo koa ireny e! Tokony hahay hifehy ny tenany mpianatra raha tena tonga saina amin'ny fanomanana ny ho aviny.
Ka tsy ny ankizy manala bacc anie no manam-bola be, fa ny ray aman-dreny no tsy maintsy mandrovi-paosy mamoaka volabe hampifalifaliana an'ireto zanany e.
Sady eo amin' ny fiaraha-monina malagasy rahateo moa, ny fahafahana bacc no anisan'ny manabara fa efa "olon-dehibe" ireto zatovo fa tsy azo sokajiana ho "ankizy" intsony.
Noho izany, manomboka eo izy dia avela mivoaka alina mandra-maraina, ividianana finday dernier cri, anaovana abonnement @ orange ...sns...sns :-)
| « | Oktobra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | 3 | 4 | 5 | ||
| 6 | 7 | 8 | 9 | 10 | 11 | 12 |
| 13 | 14 | 15 | 16 | 17 | 18 | 19 |
| 20 | 21 | 22 | 23 | 24 | 25 | 26 |
| 27 | 28 | 29 | 30 | 31 | ||