Vaovao manodidina ny lalao olimpika

Posted by news2dago on 30 Jolay, 2008 09:39

Fanamby lehibe nomen'ny filoha ny repoblika moa t@ lalao ny nosy ilay fandehanana makany Beijing. Dia maro ireo atileta nahazo ny medaily volamena no hivahiny any Beijing efa tomombana any @ 75% ny ho entimanana sy ny fikarakarana ity valisoa ho an'ireo atileta malagasy ireo, marina tokoa mantsy fa niaro ny voninahim-pirenena ry zareo t@ iny lalao ny nosy iny. Ny resaka mandeha kosa anefa etsy andanin'izay dia ireo mpanazatra namolavola ny atileta sy nanome ny toromarika sy ny tetika matipaika hazoana fandresena dia tsy ao anaty lisitra ka maneho ny alahelony ry zareo fa tsy mba hijery ny lalao olimpika any Beijing. Hinoana fa efa ren'ny minisitera mpihay izany fitarainana izany.

Androany kosa ny lalao manasa-dalana eo @ lalao ny castel cup atsy Afrika atsimo ka miandry ny vokatra ataon'ny Barea indray ny malagasy tia baolina kitra, ary mba manantena vokatra tsara isika @ izay. Manodidina ny 200.000.000 Fmg any moa ny vola azon'ny ekipa mandresy @ ity lalao ity.

Mivahiny any Gabon kosa ny filoha Ravalomanana ankehitriny ary mety handalo any @ Kadhafi Libia izy avy eo. Manodidina ny fivorim-be ny afrikanina @ taona ho avy moa no tena ho dinihina any Libia, fa ny resaka ASECNA kosa no tena antondia any Gabon. Somary nahagaga ny maro ihany koa ny naheno ny tenin'ny Filoha oe mbola tsy misy vola an-tanana mihitsy izao hanatanterahana ny MAP. Ny hirarina moa dia ny hialan'ny malagasy maro @ ity fahatrana mahazo ity.   

Jereo koa eto

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Vaovao manodidina ny lalao olimpika

news2dago | 31/07/2008, 09:29

Rashid => io lazain'ny henjana @ fikirakirana solosaina io arahana! dia i zokibe DotMG zany!lol

Re: Vaovao manodidina ny lalao olimpika

DotMG | 30/07/2008, 16:02

rashid> apetraho eo @ ilay hoe adiresy imailaka ny adiresy mailakao, dia manokafa kaonty any @ gravatar.com ianao dia any atsofoka ny sarintava.

Re: Vaovao manodidina ny lalao olimpika

Rashid | 30/07/2008, 13:38

Marina ny anao ry news2dago :-)
Ary ahoana kay ry zareo no fomba fametrahana an' ireo saritava eo akaikin' ny hevitra soratanareo ireo ?
Ny ahy mantsy ity toa lasa saribakoly kely fotsiny no mivoaka eto.

Re: Vaovao manodidina ny lalao olimpika

news2dago | 30/07/2008, 12:46

news2dago

Rashid => ny vola no hozatry ny fiainana e!

DotMG => Vao karohana ny vaovao zany

Cosafa CUP

DotMG | 30/07/2008, 11:39

Cosafa CUP fa tsy Castel CUP, efa tsy ny Castle intsony mantsy izao no manohana an'ity fihaonana ity fa ny tanàna ao Afrika atsimo (Sahala @ hoe Rajoelina aty amintsika)

Ary ilay tany amin'ny ampahefa-dàlana ve tsy nahazoana vola? Mba omeo loharanom-baovao nahitana an'io hoe ry news2dago raha mety.

Olympics, Castel Cup, MAP: vola daholo !

Rashid | 30/07/2008, 10:35

Vola, vola, vola hatrany e. Na eo amin' ny sehatry ny fanatanjahantena io, na eo amin' ny resaka fampandrosoam-pirenena, dia ny vola ihany no voalohan-daharana.