Ny Didy Folo no voan-dalana omeko anareo

Posted by news2dago on 31 Jolay, 2008 13:53

Tonga omaly alina ny Filoha ary nitondra ny dika mitovy @ ireo vato fisaka anakiroa misy ny didy folo! dia mila manaja an'io didy io ny rehetra fa tsy atao haingo trano fotsiny. Na ny mpitondra na ny vahoaka dia samy tokony hahay hanaja izany. Lol

Resy indray ny Barea omaly resiny Mambas Mozambikana t@ isa 2 no 1 teo @ lalao manasa-dalana @ Cosafa cup. Tapitra hatreo indray aloha ny aminy iny izany. Ny mahagaga ahy dia rehefa tsy miraharaha izay vokatra aho dia mandresy ry zalahy fa rehefa manadihady sy mikaroka ny vokatra kosa aho dia resy foana ny Barea. Asa ianareo raha mba mitovy amiko?

Vita androany koa ny fanadinana Bac ka hanala azy izany manomboka rahariva. Miandry ny vokatra sy ny valiny avy eo. Ary eo koa no manomboka ilay safidy henjana indrindra @ fiainana satria io no antoky ny ho avy! mahereza ry zalahy.

Tapaka matetika kosa ny jiro tato ato izay ka asa na fiverenana @ delestazy izy ity na kosa misy fanamboarana atao any @ Jirama any. Enga anie ka mba ito farany fa raha ny delestazy no hiverina dia ho sahirana indray ny vahoaka.

Jereo koa eto

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Ny Didy Folo no voan-dalana omeko anareo

ikalamako | 01/08/2008, 15:06

smack ! henjy be elah :-P

Re: Ny Didy Folo no voan-dalana omeko anareo

news2dago | 01/08/2008, 09:25

news2dago

Pissoa => tapaka ny tsinaiko namaky ilay hoe Bebe Pissoa

Re: Ny Didy Folo no voan-dalana omeko anareo

news2dago | 01/08/2008, 09:21

Ikalamako => Andraso fa ahitsiko e! Lol

Re: Ny Didy Folo no voan-dalana omeko anareo

ikalamako | 31/07/2008, 23:14

news2dago kosa nama a, efa HOE (fa tsy oe) aza ampijaliana ny tenintsika, tsss. Mamoa ny làlana fa tsy mamao ==> voan-dalana fa tsy vaon-dalana, grrr. Voasazy elah raha mbola mamerina.
Fa mba omeo sarin'ny didy folo kosa rangahy hojerena a ! Ka tsy naniry volombava be toa an'i Mosesy i dadaValo avy tany an'efitra naka izany ? :-P

Re: Ny Didy Folo no voan-dalana omeko anareo

pissoa | 31/07/2008, 20:10

Ahoana tsara zany resaka didy folo izany ? lol Ny safidy apres bac angamba ataovy mba misy lojika kely fotsiny, fa avy fotsiny izay nofidiana mba ataovy matotra e (Ohatra ny efa bebe ery izaho be fananarana eto hi hi hi )