Manao ahoana i Zain!
Hiova anarana manomboka androany ny Celtel Madagascar na ilay mpamongady @ serasera sy antso @ finday. Tsy ny eto Dago ihany anefa fa any @ tranobe reniny mihitsy no miova manomboka androany. Vao maika hafana izany ny fifaninana eo @ Orange sy Telma ary i Zain ka hisonanika ny mpanjifa hisafidy izay tiany. Mety hajifa koa anefa ny vola ao ampaosy hividianana ny fahana.
Tsy mahazo mandeha @ andro hariva intsony ireo sambo kely fripy izay angaha no azo ilazana azy sady akaiky kokoa @ zavatra fividiny ny malagasy. Izay aleha tokoa mantsy izao dia fripy avokoa ny lalana rehetra eny @ 67 ha ohatra dia misy mivarotra eo @ sisin-dalana eo ny kojakoja an-dakozia toy ny frigo, fatana, lafaoro, fanaka sy ny sisa. Toy izany koa ny vavahady ny zone franche iray etsy Andraharo misavovona ohatrany eny Isotry ireny ny fivarotana fripy. Tsy atao mahagaga moa izany satria izany no sahaza ny vola miditra @ fianakavina iray. Fa hiverenako @ izay ilay didy mandrara ny fivoahany sambo @ hariva satria dia nisy foana ny loza tato anatin'ny iray volana monja dia efa mahery ny roampolo ny maty sy tsy hita noho ny sambo rendrika ka hentitra ny fanjakana raha namoaka io didy io.
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Manao ahoana i Zain!
simp | 03/08/2008, 16:14
yeah. you're a cop
Rashid | 02/08/2008, 17:52
ôkay letsy ra-news.
kôpy ialahy.
Re: Manao ahoana i Zain!
news2dago | 02/08/2008, 10:21
Rashid => Eny ary e! kôpy ela
Fripy daholo
Rashid | 01/08/2008, 17:33
Loza tokoa fa hatramin' ny sambo koa ve dia fripy eto amintsika. Ny fiara moa dia fripy 974 no ankabeazany.
news2dago ==> aza atao "Rasdid" kosa ny anarako fa lasa mitovy amin' ny Amiraly Radid.
"Rashid" no izy r'ise a.
Re: Manao ahoana i Zain!
news2dago | 01/08/2008, 15:20
Ikalamako => Misaotra betsaka e! aza ampijalina ny tenintsika aiza ho aiza tokoa izy iny izao e?
Re: Manao ahoana i Zain!
ikalamako | 01/08/2008, 15:04
milay kosa le anarana "sambo fripy", mitovy amin'ny "BMW fripy"... mdr, saingy tsy mamaon-doza re ry news2dago fa mamoa-doza satria mamoaka loza izy (ft voaka) fa tsy mamaoka (ft faoka sa vaoka, lol).
Re: Manao ahoana i Zain!
news2dago | 01/08/2008, 14:49
Rasdid => sambo occasion daholo no miasa dia namaon-doza avokoa izy ireo tato ato izay! ilay sambo izany no fripy e! angamba manonja be ny ranomasina ka manahirana ny mandeha @ hariva fa atelin'ny onja be ny sambo fripy
Zain izany !
Rashid | 01/08/2008, 14:31
Asa re ra hitondra fanavaozana sy fanatsarana izany anarana vaovao Zain izany ...
Fa somary tsy azoko tsara ilay fehezantenin'i news2dago manao hoe:
"tsy mahazo mandeha @ andro hariva intsony ireo sambo kely fripy".
Sambo kely mpitondra fripy amidy ve ireo tsy mahazo mandeha harivariva ireo ?
Fa nahoana kosa ?
Re: Manao ahoana i Zain!
news2dago | 01/08/2008, 13:59
DotMG => misaotra @ ilay rohy
Celtel lasa Zain
DotMG | 01/08/2008, 13:51
Hatreto aloha dia ny charte graphique fotsiny no niova. (http://www.mg.zain.com).


Fa hitako otran'ny hadisoana marketing ihany aloha le sarina afrikanina @ tranokala zain hoan'i madagasikara ee... serieux ee :)