Vako-drazana sy hira gasy.

Posted by news2dago on 05 Aogositra, 2008 11:08

Voizina indray ankehitriny ireo vakoka sy kolotsaina malagasy izay tena mampiavaka ny malagasy @ ireo firenena hafa. Nomeny kaominina hilalaovana hira gasy sy vako-drazana mantsy ny kianja maintso  eo Ambohijatovo isak'alahady ary dia vory eo daholo ireo sangany @ ity vako-drazana ity. Ny fanontaniana apetrako fotsiny dia ny oe fa inona tokoa moa no mampiavaka sy maha samihafa ny hira gasy sy vako-drazana e? misy afaka manome fanazavana ve? Izaho mantsy ohatrany manafangarao an'ireo foana! lol.

Nitsidika ny tetsy @ lapan'ny tanana kosa ireo orinasa namaly ny tolobidy @ fanarenana ny lapa ka orinasa lehibe 7 no namaly ny antso t@ izany. Voalaza moa fa atao mangarahara tanteraka ny fizotra ny asa sy ny tolotra omena izay mahazo ny fanorenana ny lapa. Etsy andaniny kosa anefa dia nilahatra ary nilanja sora-baventy ireo mpivarotra amoron-dalana etsy Behoririka omaly. Andrasa indray izay ho tohiny ny dinika eo @ mpivarotra sy ny kaominina.

Mavaivay kosa ny fifaninana eo @ ireo mpivarotra solika eto an-drenivohitra. Tsapa mantsy fa milahatra izay tsy izy ny fiara maka solika eny @ ireo mpivarotra shell rehetra ary tsy maharaka indray aza ny tolotra omena ny mpanjifa satria dia 200 Ar be izao ny elanelam-bidy misy eo aminy sy ny mpivarotra solika hafa. Fahiny mantsy dia mitovy foana ny vidiny solika na aiza na aiza no ividianana izany tsy hita izay antony hitsinjarana azy oe Total na Jovenna na shell na Galana...fa izao kosa tena misafidy ny olona ka izay zakany ihany no vidiny.

Jereo eto

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Vako-drazana sy hira gasy.

ikalamako | 06/08/2008, 01:10

eka ouz ry kdaombtah !

Re: Vako-drazana sy hira gasy.

news2dago | 05/08/2008, 14:06

Kdaomba => Misaotra e!

Re: Vako-drazana sy hira gasy.

kdaombaramita | 05/08/2008, 13:17

kdaombaramita

Vako-drazana (nalatsaka ny ka nosoloina tsipi-panohizana, ary notovonana 'd' ny razana) = teny roa natambatra vakoka + razana.

Vakoka = fombafomba, vako-drazana izany dia fombafomba navelan'ny razana sy ny ntaolo malagasy

Tsy voatery ho vako-drazana izany no fiteny fa mety koa izany ny vakoka malagasy. Ary ao anatin'ny vako-drazana ny hira gasy, ny toe-tsaina malagasy, ny kabary sns.