Maivan-danja ve ny rà afrikanina?

Posted by news2dago on 06 Aogositra, 2008 10:25

Hafa kely ity vaovao entiko eto ity androany satria mba nahita vaovao t@ tv5 aho anikeo milaza oe tompon'antoka lehibe t@ famonoana olona fahobe na "génocide" tatsy Roanda ry zareo frantsay sy ny fanjakana noentin'i François mitterand. T@ taona 1994 moa no nanomboka ity ady an-trano ity ary tombanana any @ 800.000 any no maty t@ ireo foko "totsy" sy "oto". Raha izaho manokana aloha dia tena resy lahatra aho fa marina io fanambarana navoaka ny fanjakana roande io, satria tena mitovitovy an'io ihany ny fomba saika hatao teto Madagasikara t@ taona 2002 ary ny tantara moa afaka mitsara izany. Teo no nimpoitra ny fankalahana frantsay teo @ ireo malagasy ary io no mba anisany nampiakatra ny fitiavan'ny olona an'i Ra8 t@ fotoan'andro dia ny oe afaka @ zioga ny frantsay isika. Manamarina izany ihany koa ny zavatra nintranga tatsy Côte d'Ivoire.

Ny indro kely fotsiny dia ny oe rehefa ny afrikanina na ny mainty hoditra no maty dia hain'ireo firenena lehibe no mametrapetraka ny dôsie sy mampangina ny feo sy ny fanandihadina tokony atao rehetra. Satria tena tokony henjehina any @ tribonaly iraisam-pirenena ity vono olona matsiravina ity. Tsy io ihany fa eo koa ny atsy Sodan, RDC, sy ny faritra maro aty afrika izay misy ambadika foana moa izy ireny satria ny afrikanina tsy manana basy izany fa amporisihina hiady mba hitsetsefana ny harena be tsy hita nonoa ao aminy.

Vao tsy ela akory izay no nisy ilay tsunami tany azia ary eran'ny vazatany efatra ny famonjena sy ny fanampiana azo. Fa rehefa ny afrikanina no maty mosary sy rava ny ady dia tsy mihetsim-bolomaso akory ireto firenena lazaina fa lehibe ireto. Tsy misy vidiny ary ve izany ny aina afrikanina sy ny mainty hoditra raha oharina @ ireo volon-koditra hafa?

jereo koa eto

 

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

"Saosy" no facteur mampahavesatra na mahamaivana azy.

lehilahytsyresy | 06/08/2008, 17:31

Ny habetsaky ny saosy azo raofina ihany no maha-maivana sy maha-mavesatra azy eo imason-dry zareo glady kah.
Rehefa akama azo andraofana saosy betsaka no voa, dia antsoina hoe "mavesa-danja" ny fahavoazana. Dia mivoaka gazety.
Rehefa sady tsy akama no sady tsy misy interet hahazoana saosy kosa ilay tratry ny fahavoazana, dia atao "vaovao tselatra", dia avy eo hadino.

Re: Maivan-danja ve ny rà afrikanina?

fitsarana | 06/08/2008, 16:17

Ny fitsarana mihitsy no misy olana.Rehefa tany madinik dia mailaka mihitsy ry zareo ,hiampanga sy hanameloka.
Ny trodro be ao anty rano ao dia mihinana ny trodro madinika foana ary tsy misy bedy .
Atao ahoana fa izay no fitsarana eto an-tany .Any an-danitra any kosa angamba hafa .

Re: Maivan-danja ve ny rà afrikanina?

news2dago | 06/08/2008, 15:16

news2dago

Kdaomba => Tena lalina izy ity e! mbola ho avy ilay maraina e!

Fanampiny kely

kdaombaramita | 06/08/2008, 14:47

kdaombaramita

Ny nampivanaka ahy dia tena toy ny fin dy monde mihitsy ilay 11 sept iny, nefa raha atao ny fanisana dia ny olona maty tany Rwanda (800 000) betsaka lavitra noho iny (~3000). Marina fa samy nampalahelo daholo ny fianakaviana nandao ny azy, nefa toa tsy manandanja firy ilay zava-doza tao Afrique noho ny tany USA. Ny vola no mitondra ny baolina izany.

Torak'izany koa ny fandroahana immigrés (izay avy aty Afrique no betsaka nefa misy manana asa mihitsy) ao France nefa nandaniana volabe ny nanavotra olona 1 izay voatanan'ny FARC noho ny antony azy manokana. Ary mbola nangataka ary io olona io hoe mba ho raisin'i France daholo ireo olona izay ho afaka avy any mba hiaina tsara @ androm-piainany sisa. Fa moa ve tsy te-hiaina tsara daholo ny immigrés tonga nitady teto h@ izay no roahina ? EEEEE, afrikana e !

Izay no zava-misy amin'ny tany mandroso e ! Ny VOLA no manjaka fa tsy ny FITIAVANA ka manao havana raha misy patsa.

Re: Maivan-danja ve ny rà afrikanina?

kdaombaramita | 06/08/2008, 14:33

kdaombaramita

Mba lasa eritreritra koa aho ny amin'io ry N2D, mampalahelo ahy ny afrikana. Ny mahagaga koa anie rehefa hoe maizina dia toa misy ady lava e ! Tsy afaka mety mifandamina mihitsy.