Hanomboka androany 8/8/8 @ 8ora 8 mn 8s ny JO

Posted by news2dago on 08 Aogositra, 2008 09:40

Isa masina @ sinoa hono ity isa 8 ity ary maro @ ireo zatovo lahy sy vavy no nisafidy ny hivady androany satria mitondra fanambinana ilay isa 8. Ny mifanohitra @ izany kosa anefa ny antsika malagasy satria matetika dia milaza zavatra ratsy ny isa 8 toy ny hoe fahavalo ohatra. Iny moa samy manana ny isa manambina azy ny tsirairay maro ohatra eto Antananarivo ireo misafidy ny isa @ takelaka fiara ka mamandrika izany mialoha eo ny tia ny isa 15 ary miafara @ io daholo ny fiara rehetra eo ny tia 48 sy ny maro hafa ihany koa. Ny filoha manokana ohatra dia tia ny isa 7 ka dia ahitana izany daholo ny fiarany rehetra.

Izay ny @ iny fa hisokatra androany ny lalao olimpika ary faly ny malagasy fa afaka ny hanaraka izany mivantana manontolo @ fahitalavitra ary hanomboka @ 3 ora sy 8 mn hariva ora eto Madagasikara ny fanokafana izany. Lasa adiny 6 mialoha @ ora eto Madagasikara moa ny ora any Pekin raha mialoha adiny 8 @ ora GMT kosa.

Misy atileta 8 moa ny malagasy hany mba afaka handray anjara @ ity lalao ity. Ka ho hita eo ihany izay vokatra mety ho azony @ taranja izay manavanana ny tsirairay, na dia kely ihany ary ny vintana mety azahoana medaly raha ny isany atileta afaka mandray anjara ny firenena hafa mantsy dia mihaotra ny 100 ny azy no mandray anjara dia efa hita sahady ny mety ho vokatra ho azony.

Ny vaovao hafa kosa dia miroborobo sy efa tena ao anatiny praograma ny eto Antananarivo ankehitriny ity zoma mahafinaritra ity miafara @ fisotrona sy ny fanalana azy moa izy ity ary tena saika ny mpiasa birao indray no milomano @ izany. Betsaka mazava ho azy ny hetsika sy lanonana mahalina rehefa zoma farany herinandro toy izao. Ny tena mahaliana indrindra moa dia ny mamonjy Cabaret na Kabaka araka ny tenin-jatovo. Maro isafidiana ny hetsika @ izany. Mazotoa daholo ary manao zoma mahafinaritra e!

Jereo koa eto

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Hanomboka androany 8/8/8 @ 8ora 8 mn 8s ny JO

news2dago | 09/08/2008, 20:11

Tokinao => Misaotra @ le fanadihadina e!

Maintikely => Biz kely aloha fa ela2 izy izany e

ato ilay rohy

Tokinao (ato le rohy) | 09/08/2008, 15:20

ato ilay rohy miresaka momba ny dikan'ny isa tamin'ny ntaolo.
Ampahany ihany io fa toa mbola betsaka ny hevitry ny isa, raha ny fahalalàko azy

rohi-na boky malagasy fahiny iray

Tokinao | 09/08/2008, 15:17

Rashid > marina tokoa zany.
Misy koa 'kay ny hoe "taolambalo" (izany hoe ny taolana rehetra).

Momba ny dikan'ny isa sasany amin'ny ntaolo sasany dia mba hitako tato.
simp> Tena raiki-pitia ra-8 marina :).

Re: Hanomboka androany 8/8/8 @ 8ora 8 mn 8s ny JO

maintikely | 08/08/2008, 22:01

andro natokana ho andra8 androany zany an. Hitako lery no tsy nanaiky raha tsy nandeha any :D

isa valo sy "fahafenoana"

Rashid | 08/08/2008, 21:03

Tokinao ==> Ity angamba misy ohatra mifanaraka amin' ny voalazanao:
"miparitaka eraky ny LAFI-VALON'ny nosy", izay midika hoe: "eraky ny nosy manontolo".

Re: Hanomboka androany 8/8/8 @ 8ora 8 mn 8s ny JO

simp | 08/08/2008, 15:50

Re: Hanomboka androany 8/8/8 @ 8ora 8 mn 8s ny JO

news2dago | 08/08/2008, 13:44

news2dago

Tokinao => Ie za koa niezaka nitadidy fa tsy mety azoko antsaina ilay izy!

Miala tsiny fa voaspam enao

Re: Hanomboka androany 8/8/8 @ 8ora 8 mn 8s ny JO

news2dago | 08/08/2008, 13:41

Rashid => izany ve tsy milaza loza! lol

Ny isa valo voalazanao :-)

Rashid | 08/08/2008, 12:54

Ny mpitarika antsika koa anefa dia manana anarana misy isa 8

ho any Ra-8

Tokinao | 08/08/2008, 10:54

Hitako no ho any koa Ra-8 hihihi Tsetsatsetsa tsiaritra : Ankotran'ny hoe "fahavalo" dia milaza fahafenoana, na koa "zavatra adiso tafahoatra" koa ny isa "8" eo amin'ny malagasy 'ka. [ Niezaka nitady ohatra aho fa tsy nahita aloha e :). Tena tsy tadidiko tsony ;)] Misaotra e