Vaovao Torapo Avy aty Madagasikara
« Natao mariazy i Spir'Omic | Main | Manararaotra diso tafahoatra ny JIRAMA »
Vakansy ny andro te mba hiala sasatra i news2dago! maro anefa ny zavatra tsy maintsy homanina sy ilana paikady tsara vao tena afaka mandeha. Eo ohatra ny vola atotona @ ity vakansy ity ze aleha tokoa vola daholo. Manaraka izay ny toerana, maro ny toerana efa nitsidika tato an-tsaina kanefa toa tena tsy hitako izay haleha.
Ambila sa Folopointy samy tsara kanefa misy lafy ratsiny daholo Ambila ohatra dia ilay milahatra baka no tsy reviko any dia tsy kaonty iny zany aloha. Folopointy avy foana hono ny orana any! tsy afaka hilalao rano zany fa sao manavy eo. Vatomandry sa Mahanoro? Vatomandry tsy dia misy toerana afaka hilalaovana rano sy hilomanosana torak'izany koa i Mahanoro. Raha ho any Mahajanga anefa toa ohatra ny lavitra loatra ka tsy hatanty rafotsy satria mavesatra entana! teraka an-dalana eny zay vao loza eo.
Raha mijery ny ho entimanana indray aho anefa dia toa tena handany vola be ihany vao afaka ny hiala sasatra, ny vola anefa mety tena ilaina ao aorina kely ao rehefa tonga ny vahiny. Dia angamba izahay tsy andeha indray fa hitanin'andro etsy antokotany fotsiny sisa.
Lalina ihany izy ity ka taloha mantsy dia tsy mba notazaina t@ izany vakansy izany izahay ny tena moa zanaka mpiasa ny lalamby taloha ka tsy nisy afatsy Antsirabe sy Toamasina no falehako ary Ambatondrazaka dia indray mandeha monja aho no mba tany. Manakara moa dia mbola tsy hitako mihitsy. Izao kosa efa mitokatrano ka dia miova ny fiainana lasa mandeha vakansy foana matetika ny tena fandehananay dia rehefa farany volana septambra eo mantsy tsy manahirana ny mitady trano satria efa tapitra mody ireo mpiala sasatra. Dia aleo @ taona manaraka indray e!
Simp < Tendrombohitra (montagne en français) teny iray ry ilay Koto a !
any ambanivohitra koa letia tsara a... afaka manjono sy mihanika tendrom-bohitra... zany hoe mety ho olana kely aloha izay @ le mavesatrentana eee :)
reveo manja fotsiny fa milay foana io ee
Toa ohatran'ny lasa ihany leiry fa toa tsy hitahita mamaly antsika intsony andraso andrasana ny vaovao raha vao tonga.
teneno rafotsy hoe manaova mora hono hoe!
mba ho ento mandehandeha ihany izy na dia haka rivotra fotsiny aza e!
na tongava aty aminay rehefa tsy mahita aleha e! ;-)
ny vakansy tsy dia olana amiko fa ny ahy hoe tongava soa ny vahiny e!
courage foana @fiainana :)
Mirary fakan-drivotra mahafinaritra Ry News2dago à!
HO tsara mandroso, tsara miverina !
Dia mirary soa ho anareo mivady e ! Raha mbola azo atao dia mandehana mba miova rivotra kely na dia ny tongotra ihany ary no hiroboka rano, mba miova @ fiainana andavan'andro. Sady hiova tanteraka koa ny fiainana rehefa tonga ny zazakely, ce sera une autre étape dans la vie. Nefa asa aloha raha mbola hahatanty ny rafotsinao na tsia ! Fa rahoviana no hitombo iray ny lovia ambony latabatra e ?
Dia mirary fialan-tsasatra mafnartra e :)
lalasoa => misaotra dia torak'izany koa.
tebokaefatra => vao voalohany e!
Ampefy ry namana tsara a!
Sady akaikin'Iarivo no tsy mandreraka loatra. Nefa moa efa tsy tafa izany @ ity taona ity dia mirary soa ny vahiny ho tonga soa eee. Fahafiry zao io tonga io ????
| « | Novambra 2008 | » | ||||
|---|---|---|---|---|---|---|
| At | Ta | Ar | Ak | Zo | As | Ah |
| 1 | 2 | |||||
| 3 | 4 | 5 | 6 | 7 | 8 | 9 |
| 10 | 11 | 12 | 13 | 14 | 15 | 16 |
| 17 | 18 | 19 | 20 | 21 | 22 | 23 |
| 24 | 25 | 26 | 27 | 28 | 29 | 30 |