Tsy misy dibera eny @ mpivarotra!
Matetika moa ny zavatra rehefa tina asondro-bidy dia somary afenina kely na tsy apoitra eny @ etezera fa lazaina oe lany dia avy eo misondrotra ny vidiny. Tsapa mantsy tato ato izay fa lany ny dibera tiko tsy misy afa tsy io mantsy no tena malaza ka miandry izay fisiny sisa. Ny nividianako farany izao dia t@ zoma lasa teo ary 2000 Ar ny 250g. Voalaza moa fa toa oe simba nga hono ny milina mpamokatra azy ity any Antsirabe any.
Ny vaovao hafa moa dia tsy misy lasatsy ao Maevatanana ka mihitsoka ao daholo ny akamaron'ireo mpanao vakansa avy any mahajanga. Mila mihomana mitondra solika @ zerikana izany izay mikasa ny ho any @ iny faritra iny mba tsy ho sahirana eny andalana eny.
Afa-baraka kosa ny eo @ tontolo ny fanatanjahatena satria dia novakiny minisitra Jean Louis Robinson batsilana ny tsy mety teo anivon'ny komity olimpika izay nanao fitsangatsanganana fotsiny no natao tany Beijing. T@ ireo olona 21 nofantenina ny ho any mantsy dia 6 monja no tena atileta ny ambony dia olona mpanaraka fotsiny. Tsy nisy mpanazatra, tsy nisy mpitsabo nohentina moa tany hoy ny minisitra. @ manaraka indray manarina.
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Tsy misy dibera eny @ mpivarotra!
Rajiosy | 25/08/2008, 23:23
Re: Tsy misy dibera eny @ mpivarotra!
DadaRabe | 24/08/2008, 16:03
TSy misy lasantsy ao Maevatanàna ?
Olana be indray izany.
Mahazo ny hotely izany koh !
Nefa ao sady misy Jovena no misy Shell.
Miandryé!
ok
Tokinao | 24/08/2008, 11:04
Misaotra mitantara news a! Ry zareo ambony no mifanakiana ka aleo hipoitra tokoa izay tena marina :).
Re: Tsy misy dibera eny @ mpivarotra!
yonikafopl | 23/08/2008, 21:33
De nahazo an le 200$ arzan de posy hatram le mpitsangatsangana kou ve???
Re: Tsy misy dibera eny @ mpivarotra!
sharo | 23/08/2008, 21:04
Ekeko fa betsaka ny tsy mety nefa koa ny fitsikerana tsy arahana asa tsy dia mahatonga lavitra sao mantsy sanatria isika samy isika no mifanaratsy, resaka sport tantara lava io ary na ny resaka fanofana ny palais de sport io fotsiny aza de be ny tantara ambadiky, mpiandraikitra sport aho fahiny ary nahatsapa ny atao hoe magouille ao anatiny, izany no antony tsy nahazotoana nanohy asa intsony e,
Fehikibo
Rashid | 23/08/2008, 20:29
Ka izao anie ry news2dago e:
Tamin' ny 1980 ka hatramin' ny 1985 teo ho eo, dia tsy mba niditra ny vavanay mihitsy izany hoe dibera na yaourt, fa tany ho any amin' ny 1986 vao nanomboka nisy indray. Kanefa dia velona ihany. Noho izany, vitantsika foana io na dia tsy hisy aza ny dibera, fa mila mahay mifehy fehikibo fotsiny e.
Re: Tsy misy dibera eny @ mpivarotra!
news2dago | 22/08/2008, 17:04
Tebokaefatra => Izy samy Tim io ka mety miravina ho azy e! raha hitondra tokoa moa ve tsy ny havana ihany no ho entina fitsangatsangana vita ho azy tsy andoavana na ny kodiny aza.
Re: Tsy misy dibera eny @ mpivarotra!
tebokaefatra | 22/08/2008, 16:52
Dia nahamenatra tokoa fa Sinoa no lasa mpanazatra malagasy teo amin'ny ady totohondry satria hay zany nombodoin-dry zalahy be tenda ny toerana ho an'ny mpanazatra.
Toe-tsaina tia kely tsy afaka eee


f'angaha kosa tsy dieny any Mahajanga dia efa manao plein kleitia e. mba tokony hieritreritra ihany indraindray !
Efa zatra ny lalan-kita-kisoa kosa angamba ry zalahy @ comité olympika ireny :-)