Tsy mety mivaly ny Bac

Posted by news2dago on 25 Aogositra, 2008 11:21

Tomefy tanora tetsy Ankadifotsy omaly tolankandro sasamiandry ny fivoahany valiny bac! Indrisy anefa fa mbola tsy nisy izany. @ ity herinandro ity no tombanana ny hivoaka ity bac ity ny any sisiny anefa efa mivaly daholo ny ankamarony. Aleo anefa tena ialana nenina tsara mihitsy ny fanarahamaso sy ny fanamarinana faram-parany ireo salan'isa azo ny mpiandina tsirairay mba tsy hifanomezan-tsiny avy eo. T@ zoma teo tokoa mantsy ny déliberation no natao ary 9,5/20 no salan'isa omena ireo afaka  @ izany.

Eo @ vaovao hafa kosa dia lasa mankadilo sofina indray ny maheno ny fitarainana ataon'ny ben'ny tanàna sy ny ekipany @ izao fotoana izao. Amiko manokana mantsy dia tokony efa nivonona ny @ izay mety ho fingana izy raha nirotsaka teo. Ny fikarohana ny vahaolana no tokony imasoana fa tsy ny fitarainana lava no tatitra omena ny vahoaka. Nasaina nandoa ny trosa hatrany @ taona 1980 tany ho any angaha hono ny kaomina ary manodidina ny 850.000.000 Ar any ho any ny vola nalain'i fanjakana foibe t@ kitapom-bola tokony ho an'ny CUA. Etsy an-danin'izay anefa dia mitombo ny takelaby sy dokam-barotra azon'ny orinasa injet eto @ tanàna ary eny @ toerana tsy tokony hisy azy ary indraindray no misy ireo takelaka. Efa manampatra fahefana sahady ingahibe ny tanàna.

Nalefa eny Antanimora vonjy maika kosa i Kevin ilay voampanga fa nanao ilay fanolanana sy famonoana zazavavy kely 6 taona tetsy Anjanahary. Alaim-panahy ihany aho hiteny oe sao mba mila irony seza elektrika ihany ary eto Madagasikara. Maro laotra mantsy ny mihetraketraka eto. Vao tsy ela akory koa izao ilay lehilahy récidiviste sady mpifoka rongony no efa nigadra in-5 t@ famonoana olona no namono olona bevoka teny @ faritra 67Ha iny. Avy dia nomeny ny totohondry ny kibon'ilay ramatoa no mbola nolerany ny antsy ihany koa! Soa fa mba voavonjy itsy farany sy ny zaza tao ambohoka. Mampalahelo ny zava misy fa atao ahoana moa.

Jereo koa eto

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Tsy mety mivaly ny Bac

Bebe RaTatamo | 28/08/2008, 13:59

Tamin' ny andronay, anaka, dia "BACC" no fanoratana azy fa tsy "Bac" fa manjary mifangaro amin' ilay hoe "bac à ordures" indray raha diso fanoratra.
Mirary an'ireo zafikely sy zafin-dohalika rehetra mba ho afaka soa aman-tsara daholo e.

Re: Tsy mety mivaly ny Bac

finoanaranoray | 28/08/2008, 11:41

toa nofafan'ny fanjakana indray ilay trosa ka nomeny an'ny commune ihany ilay vola?

Re: Tsy mety mivaly ny Bac

DadaRabe | 28/08/2008, 03:41

Dia mirary fahafahana ho an'ireo izay nanala é!

ok

Tokinao | 26/08/2008, 22:34

Msôtra mampahalala vao2 e!

Tsy rariny koa 'zany hoe "bacc" mivaly mialoha @ Zain 'ko. Fanararaotana izany amiko, tsy mba mitsinjo mpianatra :(.

Azoko an-tsaina ery izay tsy ho afaka hihihi :(.

BAC

Tay | 26/08/2008, 13:58

Fa maninona kay le bac no jerena @sms ?lazaina ho mbola tsy nivaly ny bac nefa t@le sms efa nisy nivaly fa oe afaka izy t@alahady.Sa ny valim-panadinana lasa fitadiavam-bola ho an'ny opérateur Zain.

Re: Tsy mety mivaly ny Bac

Rajiosy | 25/08/2008, 23:19

tena mandreraka aloha ny mijery ireo takelabY fanaovana dokam-barotra eran'ny tanAna e ! pollution visuelle. rehefa tsy mahavoa ny fiainana tena izy dia takomana revrevim-piainana misy tovovavy manao sabaka :-)

Re: Tsy mety mivaly ny Bac

news2dago | 25/08/2008, 15:25

news2dago

DotMG => Miala tsiny fa voa spam ny hevitrao teo! tsy miankina amiko akory fa @ miankina @ blaogy! aza adino ny manindry F5 alohany hametrahana hevitra!

Ozy enao oe "Izaho ve no diso fijery fa sahala amin'ny mahita fijery mitongilana avy amin'i news2dago momba ny Ben'ny Tanàna?"

=> tsy oe mijery mitongilana aho akory fa ity ben'ny tanàna ity oa dia tsy mahita afatsy ny teny oe fingana avy @ mpitondra e! jereo anie h@ izy nanao proapagandy e mandrak'androany dia mbola izay foana no ambetin-dresaka! Ra8 koa anie nofingan'i deba t@ nanao ny lalana teny anosibe e! aza adino izany. Fa iza koa moa no milaza fa tsy hamingana i TGV rhf tg eo @ fintondrana izy! enga anie tsy hisy izany marina

Re: Tsy mety mivaly ny Bac

DontoMG | 25/08/2008, 14:48

Izaho ve no diso fijery fa sahala amin'ny mahita fijery mitongilana avy amin'i news2dago momba ny Ben'ny Tanàna? Toa diso foana ny TGV na miasa na tsy miasa, na mitaraina na tsy mitaraina? Ilay hoe mitaraina fotsiny fa tsy miasa mantsy, hafa indray izay, fa ny asa mba misy ihany no efa manomboka fa ny fanakantsakanana koa sesilany. Mety izaho angamba no partisan loatra fa tsy mankadilo sofina ahy mihitsy ny mandre ny tarainan'ny ao amin'ny Kominina, raha tsy manambara ny mahazo azy aza izy no omeko tsiny. Ny asa rahateo mitohy fa tsy hoe nakatso ny vola dia nikatso koa ny fitantanan-draharaha. Amiko aloha ilay hoe fitarainana ataon'ny Ben'ny Tanàna aza dia tsy hoe izy no be taraina amin'ny vahoaka, satria tsy nanao conférence de presse akory izy nilaza ny olana, fampahalalàm-baovao no nilaza ny vaovao, sa tokony afenina ny karazam-baovao toa izany fa mankadilo sofina ny mpihaino sasany? Ankoatr'io blocage de fond io dia nesorina tsy hotantanin'ny CUA koa ny gare routière etsy Ampasapito, fa mampijaly ny mpitatitra TIM hono ny TGV. Na marina aza hoe efa nivonona tamin'ny fingana, misy fingana tena mampihomehy kosa fa na i Deba aza tsy ho nanao endrika fingana ohatr'izany k'lé. :D