Mampiova olona ny mipetraka any an-dafy

Posted by news2dago on 29 Aogositra, 2008 10:16

Trangan-javatra hafa mihitsy no tanteriko eto indray androany, zavatra niseho tamiko izy ity tsy ela akory izay. Tsy inona izany fa momba ireo namako lasa monina sy mipetraka any an-dafy e! Nisy ranamana izay niray dabilio tamiko ary tena akama be mihitsy izy io tany @ taona 1992 tany ho any izahay no nihaona farany rehefa azo moa ny Bacc dia nanam-bitana ranamana ka lasa tany frantsa nanohy ny fianarany. Ny tena moa dia teto @ tanana ihany safidy moa io tsy misy omena tsiny mihitsy. T@ izany izy dia nahavita nanoratra taratasy saika isam-bolana mihitsy ary izaho indray ary no ila tsy hahavaly azy indraindray.

Nivadika teny ihany ny volana sy ny taona tsy dia henoheno intsony ranamana taty aorina fa misy inona ary olona sendra nahalala azy no niteny tamiko oe nanam-bady izy! Ny tena moa manoratra email ihany fa tsy misy valiny intsony e! Ary io no tena nakamo ahy ho any frantsa t@ taona 2005 saika hianatra moa t@ io fotoana io kanefa nalaiko ambony nalaiko ambany dia tsy mety amiko ny mandao ny aty e. Tsy afaka ny hanao belote intsony ve zany na hitafa @ ireo akama rehetra aty any an-dafy koa toa ohatra ny samy maka ho azy izany ny gasy lasa any. Dia naleoko nahodina ny vola ary nananganako ny asa ataoko ankehitriny. Asa kely kanefa aleoko mionona aminy toy injay hiolonolona @ hafa rehefa mahazo diplaoma vazaha any.

Ny namana taloha ary ity toa mody fanina izany satria niantso azy efa in-3 aho t@ izany fotoana izany dia noraisiny t@ voalohany nandeha ny resaka ary natsidiko ny teny hoe "hibôsy kely any @ lisany any lesy aho raha sitram-po ny Tompo a", "hay ve hoy ranamana", "miantso anla ihany aho rehefa tena tapa-kevitra e". Nanomboka teo dia lasa messagerie vocal foana ny finday-n'ilay ranamana. tsy nisy resaka intsony nanomboka teo mandrak'androany. Raha sendra mamaky an'ity lahatsoratra ity izy  izao mety ho tonga saina ihany. Sady olona mpanoratra tonon-kalo be izay izy no tia ny teny malagasy ihany koa. Afaka mifanerasera eto ihany izay mitsam na tsy mifanatritava aza.

Ny tena nanosika ahy hanoratra ity lahatsoratra ity dia izao e! nisy zanak'anabaviko izay tonga nanao mariage teto madagasikara izy mianatra any frantsa any koa ary gasy ihany koa ny vadiny. Vita soa moa ny mariage ary tsara ny fety. Nisy olona mpaka sary "video pro" izay nentiny taty dago haka sary fotsiny io mazava ho azy fa ry zalahy no niantoka ary tsy nahita aterineto ry lerony hanaovana ny famandrihana ny toerana dia tonga nidodododo taty amiko nampiasa ny aterinetiko teto. Vita ny famandrihana toerana. Lasa nanao vakansy ry zalahy avy eo, ary nody teto Tàna indray avy eo. Ary ilay anambaviko io no nahafatarako ilay vaovao oe tsy misy lasantsy ao Maevatanana any @ lahatsoratro hafa any!!!

Niniko tanterina eto izany oe tena repotrat@ praogany ry zalahy e! tsy afaka nivily mihitsy ny tena anefa mipetra ety @ RN4 lalana lalovana izany raha ho any Janga. Gaga fotsiny aho anikeho naheno t@ Rabôfy oe lasa nody anikeho any Paris ry lerony. Tsy nanao veloma akory!!! Raha azoko tsara izany dia havana raha misy patsa sisa izahay. Indrisy mifosa fotsiny aho ity sisa kanefa tena ialako tsiny mihitsy e!!! Tena manova olona izao an-dafy an-dafy ao izao ka.

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

asa raha tsikaritrareo fa ...

Tokinao | 13/09/2008, 11:55

... fa ren'izao tontolo izao nanomboka omaly ity lahatsoratra iray ity noho ny fandikàn-teny nataon'i Lova Rakotomalala. Mahafinaritra e :).

Re: Mampiova olona ny mipetraka any an-dafy

news2dago | 01/09/2008, 13:45

news2dago

Dadarabe => Misaotra namela hafatra!

Mitia => Tsy ny rehetra akory fa ny akamarony e! samy sahirana koa aloha ka tsy omena tsiny e

marina

Mitia | 01/09/2008, 10:33

salut jogany
samy isany ny sainany fa raha ny fahitako ny aty an-dafy dia maro ny sal@ io; ny ahy ary komika be fa 13taona zà niala tany Dago t@92 koa io dia nefa zà ndray no faty tsy velona tsy nijanona nanoratra satria mba hoe hitazomana lay finamanana dia jusqu'androany tena tsy misy ntsony, namana maromaro zay dia samy mandeha samy mitady fa mampalahelo aloha e! fa dia mionona @zany moa fa haninona

Re: Mampiova olona ny mipetraka any an-dafy

DadaRabe | 31/08/2008, 15:02

Miarahaba,

MArina tokoa ny voalazanao ry News2dago fa mety mapiova olona ny miala ivelan'i Madagasikara.

Nefa kosa ampiako hoe mampiova olona ny fotoana, ny elanelan-tany. Na samy eto an-tanidrazana aza dia miova koa ny olna rehefa miova ny fiainany.

Fomban'ny tany ny fiovana kanefa mampalahelo ary mahonena raha ny namana nifampitono valala no miova eo amin'ny...finamanana.

MAhereza é!

Re: Mampiova olona ny mipetraka any an-dafy

news2dago | 30/08/2008, 09:16

OK
Misaotra antsika rehetra naneho hevitra!

Amiko ny zavatra toy itony dia lesona iray @ fiainana ka afaka mamakafaka tsara ny lalan-kombana ireo kilonga kely any aorina!

Marina mihitsy ny oe tsy ny rehetra any an-dafy akory dia mihavona fa ny sasany izay sadasada saina sy tampohony ihany!

Re: Mampiova olona ny mipetraka any an-dafy

lehilahytsyresy | 30/08/2008, 06:29

Marina ny tenin' i news2dago hoe manova toetr'olona ny miaina any andafy any.
Kanefa na izany aza, dia samihafa kosa angamba ny hoe "gasy any Frantsa" sy "Malagasy any an-tany hafa".
Tsy mitovy mihitsy ny fiovan-toetran' ny olona (raha misy fiovana) satria arakaraky ny zava-misy iainany any an-toerana ihany io.
Rehefa voaporitra mafy ao anaty fiaraha-monina gejain'ny concurrence ady-saritaka isan'andro isan' andro izy, dia normal raha toa ka raiki-tapisaka ao an-tsainy koa izay fomba fisainana "namana-raha-misy-patsa" izay, mba hahafahany mi-survivre. Rehefa avy eo koa anefa, dia tsy afaka intsony ilay toetra ka na dia ny havana koa aza, dia lasa anaovana "havako-raha-misy-patsa".

ok

Tokinao | 30/08/2008, 00:48

Misy tokoa aloha ny ohatran'io. Tena tsy laviko ... fa tsy ny rehetra kosa ngamba e.

Re: Mampiova olona ny mipetraka any an-dafy

maintikely | 29/08/2008, 22:24

tsy ny an-dafy no manova olona fa ny fiainana, ny elanelan-tany.

Ny ahy ny namako indray no leo fa harceler-ko @ mail sy téléphone :D
Izany namanao izany izao dia mety hoe very ny phone-ny.

Za t@ herintaona very phone dia tena misy namako be dia be any daholo ny numero, dia tsy fananiko nefa, ry zareo koa tsy mpi mail matetika dia ohatry ny hoe tapaka ny fifandraisana.

Re: Mampiova olona ny mipetraka any an-dafy

news2dago | 29/08/2008, 18:37

Rajiosy => lol

ravatorano => Ny an-dafy @ gasy anie dia ao frantsa sy paris e! misy ihany ny namana any @ toerana hafa mbola mitcht tsara amiko eto foana ka.

Simp => tsy malahelo fa tg saina ihany e

Re: Mampiova olona ny mipetraka any an-dafy

simp | 29/08/2008, 15:05

:)
aza omena tsiny izy fa olombelona ihany...
Ny soa levenam-bola ozy fa ny ratsy atao loza mihantona :)

mampiova olona ny mipetraka any andafy

ravatorano | 29/08/2008, 14:36

ravatorano

io aloha dia miankina amin'ny toe tsaina ihany e !
satria izao mba samy manana namana na havana mipetraka any daholo ihany fa mety tsy manao izay voalazanao izay
Safidy tokoa ny fianarana any ka na tokony nandeha tanya za ianao dia tsy nandeha noho ilay toetra nasehon'ilay namanao.
Za aloha mbola tsy tratran izany e fa tsoriko aminao nefa fa na eto Madagasikara aza anie ka misy an'izany e ! raha resaka mody fanina io dia toetra ao anatin'ny olombelona io fa ny fampiasana azy fotsiny no samy manana ny azy !
na izany aza nefa dia tsy mety kosa raha olona nahitanao soa izao no odianao fanina manjary tsisy fanajana akory ary tsy firaharahiana ilay olona ka miteraka alaelo !

Re: Mampiova olona ny mipetraka any an-dafy

Rajiosy | 29/08/2008, 14:11

nanao fialan'ny jiosy ! tsss