Eto dago i Jim Carey!!!(Up dated)
Mandeha ny andro ary tsy voafehy ny fotoana potoizay dia mivalona ny fakan-drivotra sy fialan-tsasatra ho an'ireo izay afaka nandeha moa dia saika efa tafaverina any @ toerana niaingana avy ny tsirairay ankehitriny ary hiatrika ny fidiran'ny mpianatra indray @ herin'andro ambony. Saika niaka bidy toy ny mahazatra moa ireo fitaovam-pianarana ka hita ho sahirana mihitsy ireo izay manana zanaka maro mbola mianatra.
Miarahaba ireo mpianatra afaka bac rehetra ary mampahery ireo izay mbola hamerina fa mbola ho avy ny anjara fa aza kivy. Nifamahofaho rahateo ny famoahana ny vokatra ka nampitebieby ireo mpiadina. Nampiavaka azy kosa dia nisy mpianatra 3 nahazo ny metion tres bien teo @ sokajy C ary mpianatra avy ao @ md misely moa izy rehetra ireo. Mazava ho azy fa hahazo vatsim-pianarana hianatra any an-dafy izy ary ny sekoly no miantoka izany. 13 taona kosa no zandriny indrindra @ ireo afaka bac ary sokajy tekinika izy.
Mandalo eto Dago kosa i Jim Carey ilay mpilalao sary mihetsika nalaza tany @ taona 1990 tany ho any.Eo @ lafiny fambolena moa no tena votoatiny ny diany aty Madagasikara. Horaisin'ny filoha Ravalomanana moa izy androany.
Nadoboka eny Antanimora kosa i Henry Lecacheur fanakorotanana ny filaminam-bahoka sy fanaovana meeting tsy nahazoana alalana moa no fanejehana azy @ izany. Mbola ho avy koa ny fanagadrana ireo mpanohatra hafa. Miandry tataka kely fotsiny sisa dia avy koa ny manaraka. Efa marika hitarafana ny fahalemeny ny fitondrana moa izao tranga miseho izao.
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Eto dago i Jim Carey!!!(Up dated)
news2dago | 01/09/2008, 22:07
Re: Eto dago i Jim Carey!!!(Up dated)
DadaRabe | 01/09/2008, 19:34
Oadray ! misahana fambolena i Jim Carey ! hafa indray izany.
Misaotra mitondra vaovao é!
Re: Eto dago i Jim Carey!!!(Up dated)
simp | 01/09/2008, 16:19
sao d mba fiompiana moderina kosa no hataon'lery kanou :)
dia ahoana tsisy gidraka ve sa ahoana? nefa t@ zoma otran'ny hoe tena hisy korotana nefa toa tsisy in in akory avy eo le.
Tsy hoe maniry korontana akory za an, fa d tena hita taratra hoe mila reorganisation tanteraka ny mpanohitra, en plus ny hoe tsisy mandrara tsony ry zala :)
Re: Eto dago i Jim Carey!!!(Up dated)
news2dago | 01/09/2008, 13:27
Kdaomba => Lafiny fambolena hn e! za ko dia mahita izay kôzy izay oe tsy dia matotra loatra razoky
Re: Eto dago i Jim Carey!!!(Up dated)
kdaombaramita | 01/09/2008, 11:30


Dadarabe => Za koa ary mba gaga oa