Omeo sopapa a!
Kilalao kely atolotro ho anareo namana rehetra. Efa miandriandry ny vahiny kely moa izahay mivady ankehitriny ka ity misy fifaninana mba asaiko ataonareo!
Omeo fanampin'anarana oe ny zanako?
Fitsipika: Anarana malagasy, raha afaka manome ny dikany moa vao maika tsara!
Santionany mba tiako ohatra: Tsikisariaka, Ravakamalala, Mitia, Tokinao sns
Anarabositra kosa: Dadarabe, Pissoa, Maintikely sns
izay ary fa dia miandry ny tolotra avy aty @nareo
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
Re: Omeo sopapa a!
news2dago | 03/09/2008, 22:28
Re: Omeo sopapa a!
Rajiosy | 03/09/2008, 20:14
tongava soa ny vahiny kely e ! izay anarana aloha dia tena lany môrsa aho e : sa maorsa izany ka anarana ?
ao @ baiboly koa misy azo angalana : kaleba, matosalema, zorobabela, kanaana.
ao koa ny loko isan-karazany : mena, mavo, manga. fadiana ny noir et blanc. ny maitso koa raha tsy hoe imaitsoanala.
Re: Omeo sopapa a!
news2dago | 03/09/2008, 16:19
Mitia => Misaotra @ fandraisana anjara! vao zaza voalohany e! de kenakenaina kely eo!lol
Congratulations moa??
Mitia | 03/09/2008, 14:24
Sambatra nareo zany fa miteraha 7 vavy 7 lahy e! Voalohany io sa efa misy 7? ha ha ha
Tiako be lay lalao aloha e, nareo koa mahita zvt foronina foana marina: Santionany mba tiako ohatra: Tiantsoa, Liana (zanako io an), Riana, Rova, Mahery koa banal fa tiako be, Tony (@gasy io an! na lahy na vavy comme pour les anglais), Sariaka, Ony (j'adore), Onintsoa, Menja,
Anarabositra kosa: kalamasiso, kalapiso, kalabozy, masiso kely, peta, rapeta
Mbola mametraka ihany raha mahita
Re: Omeo sopapa a!
news2dago | 03/09/2008, 11:32
Tokinao => Misaotra @ fandraisana anjara! Ie mbola tsy naheno ity Mirotsy ity aho!
Re: Omeo sopapa a!
news2dago | 02/09/2008, 23:11
Maintikely => Ie atao surprise e! tsy mbola tena sure 100% za oe lahy na vavy! misaotra fa tsara be tokoa ilay izy!
Kdaomba => Tsy kaonty mihitsy io na anarabositra aza e!lol ie za manana namana oe Fy tsara toetra be no miresaka be
Simp => Misaotra mbola atolotra an'i rafotsy aloha ho dinihina ireo!
Re: Omeo sopapa a!
simp | 02/09/2008, 22:13
Njaka
Rianala
Tsy haiko ny dikany fa milay be fotsiny...
ok
Tokinao | 02/09/2008, 21:52
Re: Omeo sopapa a!
Kdaombaramita | 02/09/2008, 20:48
Kdaombaramita sy Kdaombita izany tsy mba tafiditra ao anaty lisitra klé, indrisy !!! ha ha ha ! Fa inty mba itako fa tsara sady fohy : FY. Misy koa ity NEKENTSOA (neken'ny soa na nekena ho soa), ary farany sao mety : ALISOA (Chut, aza misy miteniteny :-)).
Re: Omeo sopapa a!
maintikely | 02/09/2008, 20:27
fa aona mihitsy ilay lahy iray sy vavy iray? Sa hoe tsy fantatra fa atao surprise? Tsy ratsy raha izay kah. Fa raha hoe kambana mianadahy dia hanontany recette za ;)
Za tsy manana atolotra fa ny anarako tsy @ teny gasy, fa raha hainao ny dikan'ny hoe tsimialonjafy dia io no atolotro anao. Io no tena anarako :). Shuttttt
Re: Omeo sopapa a!
news2dago | 02/09/2008, 15:26
Dadarabe => Ka raha mety dia mba manolotra anarana lahy iray sy vavy iray
Jentlisa => Voaray io! misaotra
Ikalamako => Misaotra nama a! f'nga kosa ary dia mila loka foana e! mahazo bisou mamy be avy aty @nay mitsam e!lol
Re: Omeo sopapa a!
ikalamako | 02/09/2008, 14:49
arahabaina aloha e, dia ho tonga soa na ikoto na ikala.
Zah aloha mazava ho azy tsy afaka hanolotra anaram-bositra - mdr - sady aleo klou jerena ny loka kle !!!
Vazivazy iray an-dalana, fa ity aloha sao hadinoko misy azo hakana inspiraka : http://www.ratsimandresy.org/anarana.php
Fa mety ve sa efa anarana antitra (i.e tsy lamaodin'ny zenerasiô taona roa arivo) raha hoe Rondro ? hihihi Ny dikany araka ny rakibolana dia hoe : "zavamaneno lalaovin'ny ankizy tanala izay tsotra dia tsotra : tapa-kazo fisaka apetraka eo ambony laona ka velesina amin'ny fipehana hazo anankiroa" (dia tsy azoko naninona no lasa anaran'olombelona, tsss velesina hono...) ; kanefa koa aminay antsiraka any ny mena rondro dia ny faravodilanitra mena rehefa hody masoandro ; ary mila anontaniana koa ingahy Albert Ramanjanahary hoe inona no tiany holazaina amin'ilay hirany hoe "mirondrorondro ny endrikao".
Miandry loka raha ohatra kah ! hihihi
Re: Omeo sopapa a!
jentilisa | 02/09/2008, 14:29
Lohataona raha teraka amin'ity lohataona ity e!
Re: Omeo sopapa a!
DadaRabe | 02/09/2008, 13:19
:-)
Vaovao tsara !
Voalohany indrindra aloha dia mirary soa ho an'i neny sy ny zaza.(ary i dada tsy adino an!)
Fa ilay vahiny aloha efa fantatra ve hoe lahy sa vavy sa ahoana ?
Hijery anarana ary é!


Rajiosy => Misaotra e! le Imaintsoanala angamba zao no mety arosoko @ mpitsara!lol