Glita be

Posted by news2dago on 05 Septambra, 2008 09:51

Zoma mahafinaritra indray ny andro! maro be ireo fety aman-danonana ary hisongadina @ ireny ny hetsika atao eny @ eldorado Cabaret concert tsy hisy afa tsy glita no tendrena ao ary fampisehona farany ataon'i Eric Manana eto Madagasikara @ ity taona ity. Maro moa ny mpanakanto miaraka hilalao aminy @ io eo ry Johary, Rija Ramanantoanina sy ny maro hafa tsy voatanisako...

Manomboka androany koa ny Festival Angaredona ary handritra ny 10 andro eo ity hetsika ara-javakanto ity izay maimaipoana moa ny fanmpisehona ary etsy ambohijatovo ny seho no atao marobe koa ireo mpanakanto vao misondrotra handray anjara @ io. I Rajery moa no mikarakara ny hetsika...

Eo @ toetr'andro kosa dia efa manomboka mafana ny andro eto Andrenivohitra, efa manala tsikelikely ny akanjo mafana ny olona. Mivadibadika be ihany anefa izany toetr'andro izany indraindray mbola mamanala ihany @ hariva. Tsy mahagaga moa izany satria tena hita misy fiovana ny toetr'andro maneran-tany. Eo ohatra ny ranomandry nirotsaka tatsy Kenya izay nahagaga ireo mponina tany. Eo koany rivo-doza mahazo ny any Amerika izay mifanesisesy izay tsy izy. Voalaza moa fa efa fantatra avokoa ny anarana omena ny rivo-doza aty @ faritra misy antsika aty.

Mandeha be kosa ny fizarana ny laharana fiara ary tsikaritra fa mihatsara ny fiara mifamezivezy ankehitriny. Efa any @ litera ....TAL moa izao ny marika @ takelaby raha ny eto Antananarivo no resahana. Midika izany fa manam-bola ihany ny gasy.

Vaovao henoko tao @ kidaona maraina kosa dia nisy mpanala bac tsy afaka izany angaha toa hoe namono tena fa ny toerana misy azy aloha tsy henoko tsara.

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Glita be

kdaombaramita | 06/09/2008, 16:56

kdaombaramita

Tokinao : titra-na blog sy pseudo anie samy hafa e, fa tonga ho azy fontsiny ny miantso olona amin'ilay pseudo tsy tokony ho izy.

Re: Glita be

news2dago | 06/09/2008, 13:57

Rasoa zao mba metimety @le anarabositra fa le kdaomba tena tsssss lol

Tokinao => LOL

Re: Glita be

Tokinao | 06/09/2008, 11:31

GLITA BE hahahaha
Mahita tenenina mihitsy "Rasoamalagasy" 'ka.

Re: Glita be

Rasoa | 06/09/2008, 11:24

Noheveriko hoe GLITA BE ary ny anaran'ilay zaza fa tonga !!! LOL

Re: Glita be

news2dago | 05/09/2008, 22:59

lehilahytsyresy => Io le oe be no vitsy e! ny maro mampiasa ihany no tompony ny laka ka tsy afaka makaiza ny vitsy an'isa! tena tsy azo lavina anefa fa misy misy ihany ireo toyota vaovao be minibus nahazo licence hitatitra olona manao zone national, ka ireo angamba no tiandry zalahy katsanana dia io ny fandrarana fa tonga!

Fiara ?

lehilahytsyresy | 05/09/2008, 19:42

Mihatsara tokoa angamba ny fiara,
saingy ny volant ankavanana dia efa tsy eken'ny lalana intsony indray.
Noho izany, dia tsy maintsy ny norme frant[s]ay ihany izany sisa no tsy maintsy harahintsika (volant ankavia).
Ahoana ny hevitr'i news2dago mikasika an' io ?

Re: Glita be

news2dago | 05/09/2008, 16:51

Rasoa Malagasy => Tsy makaiza makaiza fa ato an-trano ihany e!lol

Re: Glita be

Rasoa Malagasy | 05/09/2008, 14:51

Mirary week-end mahafinaritra koa e ! Milay ny feno fety izany rehefa reraky ny herinandro knou ! Ka ho aiza ianareo mitsamy izany ?

(Kdaombaramita)

Re: Glita be

news2dago | 05/09/2008, 14:44

Ikalamako => Isika rehetra e!lol

Re: Glita be

ikalamako | 05/09/2008, 10:39

Bon vendredi magnifik zany e !