Aleo asina 2éme session indray ny Bacc e!
Miditra ny mpianatra sahirana ny ray aman-dreny @ fisondrotana etsy sy eroa. Eo koa ireo mbola sasamiandry ny lisitra fanampiny @ bac izay hivoaka ato ato. Maro tokoa mantsy hono ireo ankizy tokony ho afaka kanefa dia tsy afaka satria tsy tafiditra tao anaty solosaina ny naoty sasany noho ny tandrevaka teo @ ireo mpandika ny naoty ao anaty solosaina! Loza anie zany re olona e! ny ho avy ny mpianatra iray manontolo no simba @ izany zavatra izany. Ary eto aho dia te hisarika ny saintsika oe tsy aleo ve averina ihany ny fihodinana faharoa eo @ ity bac ity e. Efa maro rahateo ireo sekoly ambony tsy miankina mila mpianatra vaovao sady misy tena ampy fitaovana izy ireny no azo antoka fa tsy hisy fitokonana toy ny eny Ankatso.
Nivoaka teny Iavoloha androany maraina ihany koa ireo mpampianatra 2719 nahavita fihofanana sy fianarana ka teo ambany fiahin'ny Filoha no natao izao famoahana azy ireo izany. Semban-drahona ihany anefa ity lanonana ity satria dia nisy mpampianatra 8 mianadahy niara-doza tany Mahanoro omaly maraina satria dia nivadika ny fiara mazda nitondra azy ireo. Tsy nisy aina nafoy akory fa ny ratra no betsaka. Saika hamonjy ilay lanonana eny Iavoloha mantsy izy ireo.
Tsy totosa kosa ilay famoriana mpanao gazety saika ataon'ny ben'ny tanana omaly sy androany. Ny antony tsy nisin'ilay valan-dresaka aloha dia tsy mbola fantatra mihitsy satria iarahana mahalala fa tsy dia matotra tsara ara-politika ity Ranamana mitondra ny tanana ity ka tsy mahagaga raha mapiesona etsy sy eroa foana izy rehefa miteny. Hita tena goragora tokoa mantsy ny fitantanana ny tanana ankehitriny ary ny tsara rehetra vita teo aloha ary simba avokoa. Ny jiro rehetra manaingo ny lalana makeny @ anjelimainty etsy Anosy ohatra dia tapitra tsy nisy intsony. Ny etsy @ 13mai ihany koa dia torak'izany. Simba ny tanana izay no tena marina.
Farany dia nanomboka androany etsy @ lapan'ny kolontsaina etsy Mahamasina ny foara be mampiranty ny asa tanana sy vokatra avy any Egypta.





15/09/2008, 08:45
Ary ny resaka an-jorony dia hoe misy vola tokony ho azo avy amin'ny baieora hono fa tsy manaiky hanome an'izany ny baieora raha iny no salam-pahafahana. Dia noforonina ity mba hanafahana ankizy hanenjehana ilay taha ilaina mba hahazoana ilay vola. Mety ho marina ve izany tsaho be? Ny ahitana azy dia rehefa milamina ny raharaha ka
1) Nisy sa tsy nisy ny voasazy ary sazy be sa sazykely.
2) Ilay voalaza va taha takian'ny baieora tokoa ve no lasa tahan'ny afaka?
14/09/2008, 14:30
Hay tokoa moa ry News2dago tsy misy intsony ny 2ème session !
TAra indray aho izany koh !
korontana tokoa aloha ny bac tamin'ity é!
13/09/2008, 11:39
diso lohateny io hafatro farany io :). (aza vakiana ilay hoe "zany tokoa no hoe alasafay hihihi)
13/09/2008, 11:38
Mba namaky gazety koa aho teo, ka nanaitra ahy ity zava-niseho amin'ny mpandeha fiara fitanteram-bahoaka ity.
tena tsy milamina mihitsy ao an-tanàna ao 'zany :(.
13/09/2008, 11:28
Misaotra milaza vaovao hatrany news2dago a! Raharaha tokoa izany asa tandrevaka ataon'ny mpitsara bakalôrea 'zany. Mampisaritaka ny sain'ireo rehetra mbola tsy afaka. Raha izaho manokana aloha no eo amin'ny toeran'ny ankizy iray izay tena ratsy naoty (izany hoe tena tokony tsy ho afaka), dia tsy hatoky izay havalin'ny valim-panadinana faharoa e! Tena efa tsy atokisana intsony ry zareo mpitsara. Izaho manokana dia maniry ny mba hanasaziana araka izay tokony ho izy ireo tompon'andraikitra amin'izao asa tandrevaka sy filalaovana ny sain'ny ankizy izao. Enga anie ka tsy hisy "asa tandrevaka" na koa "fifandeferana" ho azy ireo fa izay toe-tsaina izay ihany no tsy mampandroso antsika. Hitako tato koa moa fa mety hihatsara ny naotin'ireo efa afaka ; ireo efa afaka nefa tokony tsy ho afaka kosa hono dia avela ho afaka ... hoy ny minisitry ny fampianarana.