[Ankapobeny
]
16 Septambra, 2008 07:08
T@ alahelo lehibe no nadrenesako t@ kiadaona maraina vao eo fa nodimandry i Rado. Very olomanga iray indray izany ny zavakanto malagasy. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakavina isika mpiblaogy. Manome fanampim-baovao eo ihany rehefa mahazo.
Alaivo eto ny hira misy ny sangan'asany

16/09/2008, 23:22
Andriamanitra anie hanome fiononana ho an'ny fianakaviany
16/09/2008, 18:19
Vavaka => Misaotra @ torohevitra sy ny fampaherezana! miala tsiny fa lasa voaspam ny hevitra nosoratanao teo
16/09/2008, 18:08
Finoanaranoray < bonne question ! Nefa Andriamanitra lehibe nahary izao tontolo izao no mahalala izany. Du moins, milaza ny Baiboly fa miandry ny fahatongavan'i Jesosy Tompo daholo isika rehetra na maty na velona. Koa manararaota miaina araka ny teniny dieny mbola velona fa iny no hitsaran'Atra antsika rahatrizay ! Ts'isy fika intsony rehefa maty na dia "hivavaka ho an'ny fanahiny" ohatran'inona ary ny Malagasy rehetra. Ny Tompo anie hanome fiononana tanteraka ho an'ny fianakaviany rehetra, enga anie ka tsy ho "very olo-manga" ny malagasy no itenenako azy fa nilaozan'olo-manga.
16/09/2008, 17:31
Misaotra dadarabe a!
Ny kanto tsy mba maty e!
16/09/2008, 17:15
Mitondra teny fampiononana ho an'ny fianakaviany.
NA dia maty aza ny tenany, ny asany kosa mitoetra amintsika.
HO tahiana anie ny fahatsiarovana azy.
DadaRabe
16/09/2008, 12:50
Finoanaranoray < bonne question ! Nefa Andriamanitra lehibe nahary izao tontolo izao no mahalala izany. Du moins, milaza ny Baiboly fa miandry ny fahatongavan'i Jesosy Tompo daholo isika rehetra na maty na velona. Koa manararaota miaina araka ny teniny dieny mbola velona fa iny no hitsaran'Atra antsika rahatrizay ! Ts'isy fika intsony rehefa maty na dia "hivavaka ho an'ny fanahiny" ohatran'inona ary ny Malagasy rehetra. Ny Tompo anie hanome fiononana tanteraka ho an'ny fianakaviany rehetra, enga anie ka tsy ho "very olo-manga" ny malagasy no itenenako azy fa nilaozan'olo-manga.
16/09/2008, 12:36
Saika ataoko haingo teto @ blaogy androany io hira io fa tsy haiko ny mampiditra mp3 @ izy ity!lol
16/09/2008, 12:29
mirary fiononana ho an'ny fianakaviny sy ireo manodidina azy
16/09/2008, 10:31
Rado iza? Narahin-dry zalahy resaka hafa ilay izy dia tsy fantatra intsony na marina na tsia.
16/09/2008, 10:21
Eny e, azo atao hoe afa-jaly izy. Handry am-piadanana anie ary hahay hionona ny fianakaviany sy isika Malagasy fa namelany mamy betsaka.
Angamba izy izay efa nifankahita soa amin'ireo sombinainy tsy sasatry ny nantsainy foana tamin'ireo tononkalony toa ny "Miafina", "Efa nisy", "Mozart-ko"...
16/09/2008, 09:49
Nodimandry ilay Poeta ,
Lasa any am-paradisa ,
Mitomany ireo havana !
Tsy ahita azy intsony .
Malahelo ireto namana !
Lasa any ilay olomanga .
Fantatsika anefa fa ,
Ny fanahy mbola velona !
Eny amin'ny saham-boninkazo .
16/09/2008, 09:15
Mirary faherezana ho an'ny fianankaviana !
Dia mirary soa ho an'ireo mpanoratra malagasy rehetra :))
16/09/2008, 08:37
Aiza ary iRado izao: any amin'ny helo sa any an-danitra?