Henin-kaja ny maty ary omem-boninahitra ny velona
Mbola mitana ny sain'ny maro ny nadaozan'i Rado ny malagasy mpiray tanindrazana aminy. Nahavita be tokoa izy teo @ fanandratana avo ny teny malagasy ary nataony rehareha tokoa izany. rariny loatra raha niondrika sy nitsapa alahelo ny fianankavina ny Filoha ny repoblika Marc Ravalomanana omaly hariva t@ enina ora. Ary niara nipetraka t@ fianankavina moa izy avy eo ary tsy niala teny raha tsy efa t@ 7 ora.
Samy maneho ny lahatsoratra momba azy avokoa moa ireo gazety miseho isan'andro rehetra ary ity ny matoan-dahatsoratra sedra mba tsikaritro: "saro-dimbiasana" hoy i taratra izay tena nanitikitika ny saiko tokoa. Dia tena nivalona tokoa moa izany ny asa soratra nataony sy ny fitandroana ny teny malagasy. Ankehitriny mantsy dia mba mikasa hemerina izany @ toerana misy azy ny mpitondra kanefa toa lalaovin'ny mpanao politika. Batina ery ny malagasy tsy hampiasa ny teniny lazaina hatrany fa mihemotra.
Saika takona daholo aloha ny vaovao hafa hatreto fa io ihany no tena mibahana ny toerana na izany aza misy ihany mba atolotro anereo toy ny fiakaran'ny vola malagasy raha sandaina @ $ sy ny € mbola ho tanteriko eto ihany ny vokatr'izany eo @ ireo orinasa afakaba izay tsy mijery afatsy ny tombotsoany manokana. Eo koa ny disadisa misy eo @ cua sy ny governemanta izay mitohy @ tsy fahazoana ny cua solika. Izay oharin'ireo mpanara-baovao toy ny zaza be tatibolana moa ny Cua @ izy ity.
Alaivo eto ny hira ho fatsiarovana an'i Rado





17/09/2008, 13:45
Ikalamako => Asa zao raha manana an'io a!
17/09/2008, 11:37
hey, sao sendrasendra manana ilay "Hery hafa" nohirain'i Baccara sound ? Rado ihany io an.
17/09/2008, 11:36
alefaso raha azo omena fa izahay gasy tsy mandà fanomezana :-). Dia misaotra mialoha.
17/09/2008, 11:27
Maintikely => Misaotra @ le hafatra
17/09/2008, 11:08
mbola mamerina ny teny fampiononana ho an'ny fianakaviany.
Za ry news mbola tsy sahy miteny betsaka @ fiakaran'ny lanjan'ny ariary satria mbetika miakatra, mbetika midina.
za manao hoe mbola hidina be io rehefa kelikely eo, fa dia miandry aloha. Il faut rester prudent ozy ny frantsay izay
17/09/2008, 10:41
Ikalamako => mbola misy maromaro ao azoko omena raha mila ianareo!
tena ny miteny hoa azy ny tonon-kira e!
17/09/2008, 10:32
misaotra aloha fa amin'ilay mp3 e.
17/09/2008, 10:30
kay ! mampidepra le hira amin'izao fotoana izao...