Milaza ny maro ankehitriny fa lasa resa-jaza ny ady ny cua sy ny governemanta. Ary tena marina izany satria mitovy tsy misy valaka @ ireny zaza be tatibolana manafitohana sy maha te hikapoka ireny. Vao misy zavatra kely mantsy dia manao valan-dresaka foana ireo mpikabana ao @ kabinetra ny kaominina. Maninona moa raha mitady vahaolana aloha vao mitatitra ny vaovao @ vahoaka. Fa tsy manao izao fanao ankehitriny izao.
Voalaza mantsy fa tsy nahazo solika ny CUA, raha tena nozohina ifotony anefa dia ny galana mihitsy no nanapa-kevitra hampiantona ny famatsina solika ireo tsy mpandoa vola. Tsy anavahana io na iza na iza ka ao anatiny ny kaominina fa lasa aiza indray ary ny vola sa dia ho lazaina indray oe ao anatiny ilay trosa h@ 1980 io ka tsy ho efainay intsony fa efa anjaran'ny fanjakana foibe ny mandoa izany.
Izay ny @ iny fa hivadika vaovao hafa mihitsy aho. Mampalahelo mantsy ny mahita ireto mponina etsy @ lalana digue iny fa nototofana ny ampahany @ tanimbary manamorina iny toerana iny. Voalaza moa fa natao amboletra izao fakana ny tanimbary izao. Vidin'ny fanjakana 10.000 Ar mantsy ny 1m toradroa ho an'ireo manana taratasy aradalana ary 5.000 Ariary kosa ho an'ireo tsy manana. Mahagaga ihany moa izao toe-javatra izao ary mandeha be ny resaka momba azy ity. Betsimitatatra moa no anisany mampiavaka an'Antananarivo satria sady mahavokatra no mamonjy ny mponina @ todradrano.
Anio no hiala ao an-tranony eny Ivato ny nofo mangatsika n'i Rado ary ho eny @ kianja mitafo eny Ankorondrano mba ho fiarahan'ny vahoaka miory @ fianankavina. Tsy dia tena mazava loatra moa izay tena marina @ ity fiandrasana ity eo ny milaza fa eny @ lapan'ny fanatanjahatena eny Mahamasina ny vaovao henoko farany anefa dia oe etsy Ankorondrano ka ho hita eo ihany izany rahariva oe aiza marina?
Tokony hamonjy ny fivorina tsy ara-potoana any @ firenena mikambana any amerika kosa ny Filoha malagasy kanefa noho izao nahafatesan'i Rado izao dia mety mbola hiova ny fandaharam-potonany. Marihina mantsy fa tena nandray anjara feno t@ fametrahana izao fitondrana izao i Rado ary tena nampietana ny tonon-kalo novetsoiny t@ izany fotoana izany "Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany".





19/09/2008, 10:26
Rasoa => Misaotra @ hevitra! @ manaraka indray na DIA...
19/09/2008, 09:02
I Kbaomb dia tsy ratsy fanahy izany, asa indray izao izy ity na ho tafapetraka na DIA ... tsy mahazo alalana hijery eto za :)
Fa izao : amiko ny "politika" dia fampiadiana hevitra ambony latabatry ny olona manana ho hanina, ary dia manakana ny hafa tsy hihinan-kanina. Mampalahelo fa samy mifampidera taimby amin'ny hevitra ry zareo mpanao politika ireo ka ny vahoaka no mijaly toy ny hoe entre le marteau et l'enclume. Tsy mijery izay mahasoa niandohan'ny hevitra intsony fa samy te-ho milay daholo. Gravy e, izay ni tsy itovizan'ny eoropeanina sy ny afrikana !!!
18/09/2008, 17:02
Tebokaefatra => Misaotra @ fanehon-kevitra e! ho hita eo ihany ny fahaizamano ao aoriana kely.
18/09/2008, 16:22
Tsy mitovy hevitra isika fa tsy resa-jaza mihitsy no zava-misy eto Antananarivo Renivohitra. Vava navoakan'ny ity fitondrana ity ny hoe: "tsy handroso ny commune izay tsy miaraka @ fitondrana" Inona no dikan'izany ? Tsy aleo tsy nasiana fifidianana fa notendrena ny Ben'ny tànana a!. Mahatadidy koa angamba izay manana betro rehetra fa novoriana teny Iavoloha ny mpiasan'ny commune rehetra talohan'ny fifidianana ka notenenin'ny Filoha fa "tsy mila Andry TGV ho Ben'ny tànana aho". Inona no dikan'izany ?.
Na zazakely aza ve tsy hahalala ny hevitr'izany!. Dia hoy aho hoe:"mitenena, mitenena ihany, mitenena hatrany ry Ben'ny tànana Andry Rajoelina fa ny maro an'isa no nifidy anao ka aza avelo ho tompony mpangataka atiny"
18/09/2008, 12:56
Dotmg => Be konetaka ilay rajoelina!
18/09/2008, 12:22
news2dago: be taraina isika ka. Be taraina hoe be konetaka ilay TGV. ;P
Momba an'i Rado, nanampy tamin'ny fametrahana ny fitondrana izy fa nony taty aoriana dia nandokadoka an'ilay Rajoelina indray izy tamin'ny fananganana ny Lapan'ny Tanàna.
18/09/2008, 11:26
finoanaranoray => Iny indray no tsy hitako! fa isika anie tsy be taraina no tsy hitovizany !lol
18/09/2008, 11:13
Sao dia mitovy amintsika ihany?...fa ny fisehon,y fotsiny no samihafa... vao misy zavatra kely dia mihazakazaka manoratra aty @ blaogy...:-p