Tsara levenana ny maty, voalevina omaly tokoa ny nofo mangatsikan'i Rado. Notron'ireo olona marobe toy ny olom-panjakana ny mpanankato ny mpikabary ary ny olotsotra marobe, tsy tambo isaina, izay nanamorona ny lalana niala teny Ankorondrano ka hatreny Faravohitra ary nifarana teny Anjanahary. Izany rehetra izany dia tao anatiny kopakopa tanana sy tehaka hatrany, miaraka @ ireo hira nosoratan'ity mpanakanto lasa nody ity.
Etsy an-danin'izay dia toa lasa zezika nampitsiry indray ny fitiavan'ny malagasy ny tenindrazany ity fahalasan'i Rado ity. Tsy hisy intsony mantsy ny sahy hanamavo ny olona mampiasa ny teny malagasy. Hita taratra t@ fitaizana nameon'i Rado ho an'ireo zanany izany. Nanaitra ahy tokoa mantsy ilay fanadaharana tao @ tvm izay nanoritroritra ny androm-piainany. Voalaza t@ izany ary fa ny zanany rehetra dia tsy mba miresaka @ teny vahiny rehefa miresaka. Anatra ho antsika taranaka aty afara izany, aiza ho aiza moa isika @ fitiavana azy ity. Ekeko mihitsy oe raha te hamolaka teny hafa dia tsy maintsy mampiasa azy aloha. Kanefa kosa mila mahay mandanja lanja ny tsirairay manoloana izany.
Kenda ihany koa aho raha namaky ny fikarohana nataona mpikaroka sy manampahaizana iray milaza fa @ taona 2050 any hoany hono dia tsy hisy intsony izany teny gasy mangarahara izany. Koa manoloana izany indrindra enga anie ka mba ho diso izany fikarohana vita izany, ialako tsiny @ ilay mpikaroka, no mampitsiry ny fanatenana ato anatiko oe misy antony ny nandaozan'i Rado antsika iny. Tsy maintsy hisy mantsy manomboka eto ny sehatra misy ny sangan'asany izay hahazo toerana bebe kokoa. Ary hanaitra ny ambompon'ny ankizy sy ny taranaka hifandimby ny hitondra izany fanilo izany.
Vaovao hafa kosa no hotanterina manaraka dia niovaoka ny didim-pitsarana ary voaeloka higadra asa anterivozona 10 taona sazy miatra i Rija Ramino zanak'i pasitera Ramino paul, izany moa dia eloka efa vitany tany @ taona 2004 tany ho any. Tena feno habibina tokoa raha ny filazan'ny gazety ny namonony ilay olona. Tena mafy ny mahazo ity Pasitera rainy ity.
Ankizy maro kosa no nitsindroka sy nihinanana yaourt à boire efa simba, ary voalaza moa fa maty mihitsy ilay ankizy 5 taona nihinana ity yaourt ity. jereo eto ny adininy misimisy momba izay.





23/09/2008, 10:21
miarahaba anareo! iangaviako an-tanandroa izay manana raki-tsary tamin'ireny fandevenana an'i RADO ireny na ireo fampatsiahivana nandeha tamin'ny fahitalavitra samihafa , raha azo atao re dia mba omeo aho fa tena mpankafy e!!!misaotra indrindra
23/09/2008, 00:22
sitlo : ka ny "mety" ho hafetsen'ny sasany koa ange dia izao e : mety ho zariny hiteny "bezoro" sy "bôsoara", "kômavatì", sns ny tantsaha dia lazainy fa miteny vôzah hono e! Dia aratiratiny sy lazainy ampahabemaso fa efa miteny "faran'ny tsy hay" hono tsika (na dia mbola "créole" vinaninany aza :-P ). Koa ny fandraisako an'io hoe "very ny teny malagasy io" dia ny hoe "tsy ho teny mahaleo tena tsony ilay izy". Toy izany mantsy ny ao Kamerona (izay hany hitako): ny tantsaha dia vitsy no mahay teny frantsay sy anglisy. Nefa kosa dia ny teny frantsay sy anglisy no hany ifandraisan'ny samihafa foko (efa ho aman-jatony). Dia rehefa mifankahita ry zareo ireo dia manao "mot-à-mot". ohatra rehefa mifampiarahaba : --------------------- - c'est how? (manao ahoana!) - sava (tsara). - c'est koi les news? (inona ny vaovao - frère à toi n'a plus de bôbô? (tsy marary 'tsony ve ny rahalahinao?). - frère même père même mère ou bien frère même père seulement? (iray tampo ve sa iray ray fotsiny?) - both (izy roa). sns... - ok! après avoir consulté le toubib, il est maintenant good. ---------------- Noho io fomba fiteny io moa dia lazaina fa "bilingue" zareo (sady miteny anglisy no miteny frantsay). Nefa vitsy izany tena mahay miteny anglisy sy frantsay manara-dalàana izany. Ny ankabeazan'ny voambolana ampiasainy koa dia betsaka no azy manokana (patois). Isika moa amin'izao fotoana dia efa mitady hiroso amin'izany koa, eny fa na dia ny any @ farany ambanivohitra be any aza. Betsaka ny olona no rehefa miarahaba dia manao hoe : - bôzoro madaama! - ça va ve madama? - kelera zay ry madama (@ firy zao?)... Ny firenena hafa anefa, raha hiarahaba 'zany dia tsy mba mampifangaro teny vahiny mihitsy. Mbola ts naheno aloha 'zah hoe : - hello messieur, na koa - bonjour man, ... satria hajainy ny teniny.
22/09/2008, 02:58
Ekena fa mety ho marina tokoa io vinavina io raha ny ady hevitra misy amin'izao no jerena.
Ny vahaolana dia ny firaisan-kina ihany. Izay no maha-gasy antsika. Izaho manokana aloha, na eo aza ilay fikarohana, dia mino fa vetivety tsy ho faty izany ny tenin-tsika eh. Mila hafetsen'ny nahita fianarana fotsiny.
Ny tsy nahita fianarana mantsy no tena mahay teny gasy, ary raha mahay mifandray amin-dry zareo ny nahita dia hino aho fa ho vetivety dia ho tafarina io teny io.
21/09/2008, 13:20
misaotra e !
21/09/2008, 11:19
>> news2dago
Tiako ianao ry teniko !
Hajaiko fa tsy simbaiko ,
Hanatsara , handroso ,
Ao fomba fampiasako anao ,
No firariako anio izao .
Manja ny fitenenana gasy !
Mamy am-bava hoy aho ,
Toy ny ranon-tantely ô !
20/09/2008, 19:55
MAnja é!
20/09/2008, 19:55
MAnja é!
20/09/2008, 18:09
Dadarabe =>
Tiako ianao ry teniko
lalaiko sady heriko !
Raha azoko atao ho ampiasaiko,
Asandratro ary koa lalaiko!
mety ve!lol
Tokinao => Miandry ny rohy omen'i jentilisa isika.
Lehilahytsyresy => Tena loza mihitsy oa! hitan'ny ankizy taiza tokoa moa izany hinanana y à br zany.
Finoanaranoray => Ho avy io rohy io fa aza taitra
20/09/2008, 17:06
Tokinao => teny maty tany amin'ny blaogy . org ilay lahatsoratra mikasika an'io ...
20/09/2008, 16:25
Ny tompon'ny fivarotana an' ireo "yaourt à boire efa simba" kosa angamba no tena diso satria navelany tao anaty plastika ireto yaourts. Tokony mba hoe novohainy tsirairay ireo, dia nariany mitokana ny plastika fonony sy ny ranony tao anatiny.
20/09/2008, 16:23
Tiako ianao ry tniko
lalaiko sady heriko !
20/09/2008, 12:42
ilay rohy no tiako apetrakao eto raha tsy manahirana loatra :)
20/09/2008, 12:29
tokinao => Misaotra @ hafatra e! tena loza mitatao marina ilay izy e!
20/09/2008, 12:26
Misaotra hatrany news2dago a!vao hitako an-gazety teo koa io momba an'i Toky Rija io.
Momba ilay vinavina'ny mpandinika momba ny hahafoana ny teny malagasy dia loza manambana antsika tokoa. Raha tsy diso aho dia lahatsoratra nivoaka an-gazety izy io, ary i jentilisa dia efa niresaka ny fijeriny momba io 'ko (fa tsy hitako antsony, angamba tao amin'ny blaogy.org).
jentilisa : raha mandalo eto ianao, mba apetrao ange le dinika narosonao momba io azafady e :).
Ny hevitra hitako isorohana an'izany moa, raha ny hevitro manokana, dia :
1°- ny fanavaozana sy fampitomboana ny teny malagasy mba ho afaka ampiasaina amin'ny lafin-piainana isan-tsokajiny (momba ny siansa sy teknolojia, sns.). tafiditra amin'izany ny fampidirana teny vahiny. (i finoanaranoray dia efa nanoratra momba io koa. Raha mandalo eto izy dia iangaviako mba hametraka ny rohy :) )
2°- ny finiavan'ny mpitondra sy mpanentana mba hanaparitaka izany teny izany, (ny fanagasiana moa dia endrika iray isehoan'izy ity) ary
3°- ary ny finiavantsika vahoaka hiteny malagasy hatrany..