Tonga Soa Fanilo

Posted by news2dago on 25 Septambra, 2008 08:52

Ity no lahatsoratra voalohany nosoratako ho an'i Fanilo zanako tongasoa teraka ny alatsinainy t@ 9h50 tao @ pavillon sainte fleur! Salama tsara ny reniny sy ny zanany na tsy maintsy nandalo fandidina aza ny reniny noho ny antony ara-pasalamana. Ny fanampin'anarana fanilo Haingotiana no nosafidinay mivady ho fiantso azy! faly ny tena ary tena misantatra izany oe mitaiza izany!

Efa nanomboka ny alahady no nakaty zao aho no tsy natory firy @ alina! ary mety tsy havaky ny hafatra apetrakareo aho zao satria mbola any @ hopitaly izahay h@ izao fa nikarakara kopia aty @ firaisana ho dia mizara ny hafalina eto @ tontolo ny blaogy aloha. LOL ! mando vola kely aty @ cyber tsy hita e!

izay aloha fa mandra-panoratra indray! dia misaotra mialoha @ firarintsoa valiko eo daholo rehefa tafody any an-trano izahay mandany fotoana lavalava aho!

 

Information and Links

Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.



Hevitra

Re: Tonga Soa Fanilo

news2dago | 08/10/2008, 15:34

news2dago

Nirina Andriamanantena => Misaotra dia mirary soa ihany koa! Maroroha taiza!

Arahabaina ary e

Nirina Andriamanantena | 07/10/2008, 19:18

Dia faly miarahaba anareo izany nahazo fara sy dimby sady Fanilo ,Tsy fantatro ianao anefa fa nanao recherche google hoe fanilo aho no nahita satria izahay koa vao nahazo ny menaky ny ainay voalohany ny 28/08/08 ka Fanilo Tolotra Ny Avo no anarany .Dia samy ho tahian'Andriamanitra

Re: Tonga Soa Fanilo

Rajiosy | 30/09/2008, 17:44

maroroha taiza e (samy manana ny fanoratany azy :-)

tonga soa

Mitia | 28/09/2008, 23:49

Tonga soa Fanilo, arabaina nareo mivady fa niasa tsara, indrindra neny.

Re: Tonga Soa Fanilo

Hery | 27/09/2008, 11:04

Dia arahabaina tokoa nahazo fara sy dimby e. Dia samy hosalama daholo na ny zaza na ny reniny.

Re: Tonga Soa Fanilo

simp | 26/09/2008, 20:55

Arabaina nahazo mpantsaka less eee
Mirary soa :)

Re: Tonga Soa Fanilo

lehilahytsyresy | 25/09/2008, 16:05

Arahabaina News2Dago ah.
Maroa taiza e.

Re: Tonga Soa Fanilo

DadaRabe | 25/09/2008, 14:56

Dia faly miarahaba an'i Fanilo Haingotiana tonga soa ety aminay !
Andriamanitry ny fiadanana anie homba anao mandrakariva amin'ny fiainanao rehetra !

Dia arahabaina koa i dada sy neny (sy izoky sy zandry???)

Re: Tonga Soa Fanilo

tomavana | 25/09/2008, 14:17

Arabaina nomen'Andriamanitra ny fara ... dia maharoroa ny taiza.

Azonao natrehina toy ny aty Soisa ve ny fandidiana fanafahana ?

ok

Tokinao | 25/09/2008, 13:12

Arabaina nomen'Atra fara aman-dimby ô.

Tsy nandresy ny mpilalao t@'ilay lalao tatsy ambadika :).

Re: Tonga Soa Fanilo

DotMG | 25/09/2008, 10:46

Arahabaina nomen'ny Tompo ny Fanilo e! Maroroha ny taiza ô! Sady mamahana bolongana izao no mamahana papozy... Tandremo sao hifangaro. :)

Re: Tonga Soa Fanilo

Su | 25/09/2008, 09:12

Dia arabaina nomen'Andriamanitra ny fara (sa tsy izany moa ilay fiteny?) Maharoroa ny taiza. Sarotra ihany ity teny gasy ity rehefa zavatra tsy fanoratra matetika no soratana.