Hilaza vaovao @ izay i news2dago
Na dia mbola bongobongo maso ihany aza ny tena dia tsy manadino mijery ny hafatra nipetraka @ ireo lahatsoratra nosoratana faram-parany. Gaga ihany aho anefa fa toa spam no betsaka hitako tao satria dia dokambarotra milaza fanafody maromaro sy ny momba momba ilay fanafody no hitako marobe tao. Nisy aza moa namana hafa no nanokatra lahatsoratra mihitsy ho firarintso an'ny tena ka dia isaorana etona ireny.
Fa ny vaovao nisongadina kosa dia ny loza-piarakodia nitranga teny @ lalana digy iny t@ herin'andro lasa teo. Raha hiverenana kely moa ny tantara dia toy izao: "Nisy fiara 4x4 izay vaovao vao azo ny tompony tapam-bolana monja izy izay no nivadika tany an-tanimbary noho ny fandehanana mafy sy ny fahatairana teo @ ilay mpamily raha nahita tampoka fiara nifanena t@ izay noheverin'ilay ranamana fa moto ilay fiara kely golf boribory jiro ireny io fiara io moa dia voalaza fa poamaso na koa eo tsy nirehatra ny jiro ilany havia @ fiara. Avy dia niala ilay mpamily ny 4x4 ka izao nifatratra tany an-tanimbary izao". Aina 3 be izao moa no nafoy t@ ity loza ity. Izay voalaza fa mpiavana daholo ihany.
Ao anatiny ny fety ny oktoberfest kosa isika izao izy io moa dia fety atolotr'ireo namana nianatra sy mandrato fianarana any @ rainiboto, fety ho an'ny malagasy tany ampiandohana mba ho fiarahana mifaly @ vahoaka alemana izay malaza tokoa @ fisotroana labiera ka dia nanararaotra ny orinasa star ny hanohana ara-bola ity hetsika ity no sady hivaroboba ny labiera thb izay malaza ihany koa. Marobe moa ny mpihira andray anjara @ izy ity izay atao ao Mahamasina. Nanomboka ny 22 Septembra ka h@ 22 oktobra moa ny fety.
Farany sady mahatsikaiky no mahamenatra no tanteriko farany dia ity, nisy vehivavy malagasy iray tapaka lalan-dra noho ny hadisoam-panantenana nahazo azy t@ fiarahany @ vazaha italiana iray saika hampiakam-bady azy.Voalaza mantsy fa bandy tena vetaveta ilay ranamana ary mpandala irony fiarahana mandry @ olona maromaro irony. Kivy tanteraka mantsy hono ilay tovovavy no menatra ny fianakaviana ihany koa fa saika hanambady vazaha. Kanjo vazaha tsy misy antony. Mbola ho betsaka mihitsy no mey ho voa toy izao raha tsy mitandrina @ ity matimaty hanambady vazaha vazaha ity.
Information and Links
Join the fray by commenting, tracking what others have to say, or linking to it from your blog.
Hevitra
vaovao
mis123 | 03/10/2008, 11:19
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
news2dago | 03/10/2008, 10:14
Simp => Iza io alicia io aloha e? sao de olon-kafa no alaiko sary any zay vao afabaraka eo!lol
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
simp | 02/10/2008, 21:41
mba mandehana any @ le oktoberfesta lesy dia itondray sary aaa...
za mba te ahita ny sarin'i alicia, ilay tsikitsikiny iny tsy matiko lolo mintsy :P
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
news2dago | 02/10/2008, 10:20
Rajiosy => Efa lasa lavitra mihitsy ingahy izany an!lol
Mey saropiaro angamba ry lerony e!
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
Rajiosy | 01/10/2008, 22:53
fa ny gasy lahy kosa izany tia tena tsy mba "mpandala irony fiarahana mandry @ olona maromaro irony" !
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
news2dago | 01/10/2008, 17:53
lehilahytsyresy => Ie tg de manasa kibo mihitsy. lol
Rovina enao no handalo aty @nay zao?
pissoa => Aza miteniteny foana oa ny eo aza efa tsy hita izay anaovana azy!lol
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
pissoa | 01/10/2008, 17:44
Mbo hitadiavo za ry hery a :-P
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
lehilahytsyresy | 01/10/2008, 17:13
Oktoberfest:
Manao arrosage be amin' ny labiera izany ny ao amin-dry news2dago rehefa misy mpamangy tonga manatitra rom-patsa an.
:-)
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
news2dago | 01/10/2008, 15:48
Hery => Zay indray aloha de tsy haiko an! fa asa anefa?
Ikalamako => Tsy hita fa mba tiana ilay zavatra e! dia mba manoratra foana.
Tokinao => Vazaha = Be vola zay no masaka ao an-doha.
Oups => Misaotra @ hafatra
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
Oups | 01/10/2008, 15:42
N2D < efa itanao angambany ny fiarahabana rehetra tao amin'ny post an'i Ikalamako koa dia tsy hamerina intsony aho. Mampalahelo izany kala izany, ireny any Dago ireny anie mazava mihitsy ny tiany atao e : torisma seksoaly ! Efa mba nahita ny film nataon’ireny aho fa tena mampanongonongo tena mihitsy hoe tena mahantra ilay gasy ka manaonao foana mitady vola !
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
Kdaombaramita | 01/10/2008, 15:20
ok
Tokinao | 01/10/2008, 13:24
raharaha koa ny manjo an'zany vaiavy 'zany 'kano! aza mba matimatim-bazaha ihany ho'ahy e (tsy mandats sanatria fa manatsoaka anatra an).
Re: Hilaza vaovao @ izay i news2dago
ikalamako | 01/10/2008, 12:57
misaotra an'i papa tonga dia kandra be mampanara-baovao anay na dia mbola henjakenjana aza ihany ny tsy fatoriana @ alina aloha izao :-P
hery : efa scaduti (périmés)
Hery
Hery | 01/10/2008, 11:34
TSss... momba ilay saika hanambady vazaha. Mandeha aty fotsiny aloha dia aty indray mitady Italiana matotra kou. Betsaka an'ireny aty fa ilay mandeha any Dago ireny indraindray efa tsy izy intsony.


efa hitanareo ve ilay www.hi-tao.mg tena mahara baovao kosa ny gasy amin'io site io a sady tonga dia technologie daholo
sotr e